Ny onjan'ny peniko

Ny onjan'ny peniko Tontolo iray vaovao, hanoratra ho anao hanondraka fanahy,hamohafoha tsiahy,ho ajariako sy ho tenenina,anaty diampenina >

19/11/2024

Indraindray isika te hifehy ny zava-misy saingy noho ny zava-misy ihany dia tsy afaka manoatra.
Ny Hafatra

10/01/2023

FAHAVELOMANA

Ritra ny ranomaso
tao an- davakany
Ka moana ny vavany
dia velona ny fanahiny

Ritra. ..

Fa novelomin'ny kabeso
niaina ny eso
teny an' habakabany
ilay fanahy matsora
Velona amin'ny ora
tsy misy fiafarana

Fa mantsy voasompatra
Ka tsy nisy nangoraka
ilay nofo bakora
Ka ritra ny ranomasiny
tao an- davakany
Ka moana ny vavany
dia velona ny fanahiny

R AM

18/11/2022

Rakotra jila
Ny tontolon- jina
Mitoetra an- javona
Mamelana mandravona
Vonin- kazo
Feno vazo
Mitantana volana tomikam- pahazavana
Manitsaka tany , vohi- mahatamana
Ny nofo miofo
Bakoran'ny lofo

Mivimbina lanitra
Mibaby am- pofo andriana Manitra
Embohan'ny anjely amin'ny emboka fotsy
Rotsiam- baliha ny alin- drotsy
Mibaliaka ny antoandro

RAM

28/10/2022

Kavin- kitam- bolana

Kavina volamena , mipetaka amin'ny tanana
Ny peratran'ny fisainana mitsongolika mitraka
Miangola mangarika

Tanam- badin'ilay rafy
Miaina ny lafa- jaly hafy

Kavina misary kintana miaina
Misy volin- draozy mainty fo
Mampiala sasatra mampiasa ambiroa

Misary kintana volam- penomanana
Fitoeran'ny lafa- mamy manganana

Rakotra Aina Mivolana

20/10/2022

Tolona sy ady ny fiainana ka asakasakao izay manaiky ny ho resy

Foko ô,Mahaiza ianao miononaMahaiza ianao manaikyMahaiza mankatòNy anjara izay tinendryVoalahatra ho anaoMahaiza koa mif...
17/10/2022

Foko ô,

Mahaiza ianao mionona
Mahaiza ianao manaiky
Mahaiza mankatò
Ny anjara izay tinendry
Voalahatra ho anao

Mahaiza koa mifidy,ny toerana hifaharana
Mahaiza ianao midify,mifantina ny lalana
Fa aza misendaotra
Aza tia tena
Mahaiza ianao misaotra
Manaiky izay omena

Foko ô,

Iangaviako ianao
Ilay fasako taloha
Aza ampahatsiahivina
Hitroatra ho ao andoha
Fa tiako ianao hahay
Hametraka ho tantara
Ny fahininao nodiavina
Raha toa tsy tò
Tsy anjara

Reigne de silence in ampivahiniana Octobre 2022

13/10/2022

Raha ianao no mahatratra olona mandoro tanety dia inona no ataonao??

Rotiky ny dotra manambatra forohana Ny mponin'ny edenan'ny tany ankehitrinyManimba ny fahiny Dotra ny atin'ny zanak'ambi...
12/10/2022

Rotiky ny dotra manambatra forohana
Ny mponin'ny edenan'ny tany ankehitriny
Manimba ny fahiny

Dotra ny atin'ny zanak'ambiroany
Mantsy mandila ny fehy etoa
Mandoro ny taninao

Mamono fanahin'ireny voahary
Mirihariha an- tany miaina ny marary
Dia ny fanahin- jazavavy bikana
Mendrika hitafana

Fa may ny atin'ny fisainanao mponina
Dotra ny atin'ny nofonao malia
Mampiombo ny rofinao doria
........

Aina Laza

Mirary takariva mahafinaritra ho antsika rehetra ô            😊😊😊
09/10/2022

Mirary takariva mahafinaritra ho antsika rehetra ô
😊😊😊

Tsia....Tsy diso akory ianao raha nisafidy ny handehaF'aleo angamba izaho no atao hoe ''diso lalana''?Tsy omeko tsiny ko...
04/10/2022

Tsia....

Tsy diso akory ianao raha nisafidy ny handeha
F'aleo angamba izaho no atao hoe ''diso lalana''?
Tsy omeko tsiny koa raha toa ianao nisafidy
Niblaoky ilay anarana !
Mirary soa e
Ny tsara ho anao
Ho tokantrano lafatra
No hivantananao......

Tsia,tsy tamin'ny foko ireny
Fa eto Aho mamisavisa
Manisaisa kintana
Hoe nofy ny antsika ??
Tsia e...
Averiko misaotra
Hijanona eto aho,dia hamerina hamboatra
Ilay manda efa rava

Ny havana

03/10/2022

Gendarme ary ve sa miaramila ilay nifanena tamiko teo 🤔🤔🤔
Maramara ny akanjony 🤔😁

01/10/2022

Address

Toliara Ville
Toliary

Telephone

+261348849000

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny onjan'ny peniko posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share