22/08/2026
⭕Rehefa miditra eny Ankatso ka manao gestion isika dia mianatra ny hoe "économie monétaire" izay, dia avy eo dia mianatra ny "commerce international", mbola module io fa tsy filière, eo amin'ny taona faharoa no hianarana azy.
Mianatra ny mombamomba ny vola ny ao amin'ny "économie monétaire" ary miresaka ny varotra ny ao amin'ny "commerce international", izay module tsara fehezina hoanao izay te handalina ny filière commerce international.
-----------------------------------------------
🟥Fa maninona ary no mihavery lanja foana ny Ariary eh? Dia mihamiakatra hatrany foana koa ny vola vahiny?
Misy namana iray izay tonga dia miteny hoe: « Fohano ny MID dia hivaha io », fa tena mahavaha olana marina ve izany anefa?
Tsy hiresaka momba ny MID isika fa technique iny, fa ny hidirantsika lalina dia ny hoe: « Fa maninona marina moa no mihamehen-danja ny Ariary? »
--------------------------------------------------
➡Io dia mifamatotra tanteraka amin'ny tolotra sy tinady eo amin'ny samy vola.
Raha mitady vola vahiny isika dia ho lafo ny vola vahiny, fa raha ny vahiny no manome ny volany mankaty amintsika dia hihamora ho azy ny lanjan'ny volany ka hiakatra ny fahefamividin'ny vola gasy.
📌Hanontany anao hoe inona koa izany.
--------------------------------------------------
Resaka importation sy exportation izany.
Ny Ariary dia tsy miasa hafa tsy eto Madagasikara, ka raha vao mividy vary 400 000 tonnes isika dia tsy maintsy mila dollar na euro (monnaie d'échange) hividianana azy any amin'ilay firenena mpamokatra azy. Izany hoe lasa mandeha mividy vola vahiny isika.
📌Koa raha maro ny tinady, dia hiakatra ny vola vahiny izay tadiavina.
Fa rehefa isika koa no manondrana vokatra mankany ivelany dia ny avy any ivelam
ny no manome antsika euro na dollar, ka lasa manana tahiry isika ka rehefa mividy zavatra any ivelany dia tsy mividy vola vahiny intsony.
Mifandanja ve nefa ny ahondrana sy ny afarana eto amintsika?
Ny balance commerciale antsika dia en déficit foana, ary mitetina ho -1 365 855,00 millions (negatif) de dollars izy ny volana Jona lasa teo.
Ny afarana no maro be mihoatra ny ahondrana ka rariny raha harefo sy hienan-danja ny ariary.
---------------------------------------------
📌Inona ary tokony atao eh?
➡Mila mamokatra isika, tsy afaka hampihena ny afarana sy hampiakatra ny ahondrana isika raha tsy mamokatra.
Mila mpitondra manana politique agricole mazava isika ny amin'izany, nefa tsy hanao izany izy raha tsy isika mipetraka ambanivohitra sy mivelona amin'ny secteur primaire no hametraka azy eo, fa raha mbola ny 20 % no eo dia ho lasa mpivarotra eto foana isika mianakavy.
Mandehana mankeny Analakely fa mpivarotra daholo ny olona rehetra eny ary mivarotra zavatra nafarana daholo fa tsy misy vita Malagasy akory (filaza masaka)!
----------------------------------------------
📌Zarao mba ho hitan'ny hafa koa!