Culture & Systems

Directions Website

Culture & Systems Fandinihana ara-tsosialy momba ny kolontsaina, ny toetsaina ary ny rafitra mifehy ny fiaraha-monina
(2)

πŸ‡²πŸ‡¬πŸš™ MITOHY NY DIA β€” MIZOTRA MANKANY AMIN’NY FARITRA AVARATRA ANDREFAN’I MADAGASIKARA!βš™οΈπŸ“š Β« Ahoana ny manova Rafitra? Β»Ta...
29/10/2026

πŸ‡²πŸ‡¬πŸš™ MITOHY NY DIA β€” MIZOTRA MANKANY AMIN’NY FARITRA AVARATRA ANDREFAN’I MADAGASIKARA!

βš™οΈπŸ“š Β« Ahoana ny manova Rafitra? Β»

Taorian’ny TournΓ©e Grand Sud, dia mitohy indray ny dian’ny RCR / TOLONA, ka ny Faritra Avaratra Andrefan’i Madagasikara indray no hizoran’ny fiofanana sy ny fifanakalozan-kevitra momba ny Fanovan-drafitra, iarahana amin’i Atoa Laza Razafiarison. πŸ‡²πŸ‡¬

πŸ“ Ireto indray ny toerana sy daty manaraka :

🟒 MAEVATANANA
πŸ“… Sabotsy 07 Novambra 2026
πŸ•‘ 02 ora tolakandro
🏠 Salle d’œuvre Catholique
πŸ“ž 034 76 257 11 / 033 07 207 53 / 034 08 023 00

🟒 MANDRITSARA
πŸ“… Talata 10 Novambra 2026
πŸ•˜ 09 ora maraina
🏠 Tranompokonolona
πŸ“ž 034 05 766 93 / 032 07 766 93 / 038 07 766 93

🟒 BEFANDRIANA AVARATRA
πŸ“… Alakamisy 12 Novambra 2026
πŸ•˜ 09 ora maraina
🏠 Salle de réunion Commune
πŸ“ž 032 53 264 98

🟒 BEALANANA
πŸ“… Alahady 15 Novambra 2026
πŸ• 01 ora tolakandro
🏠 Restaurant Vohitsara – Bealanana 3
πŸ“ž 033 78 826 26 / 034 45 126 26

🟒 MAMPIKONY
πŸ“… Alakamisy 19 Novambra 2026
πŸ•˜ 09 ora maraina
🏠 Hôtel Nansica
πŸ“ž 034 76 841 33 / 034 69 881 34

πŸ“’ FANAMARIHANA :
πŸ“Œ Mbola hisy toerana hafa handalovan’ny fiofanana. Hampidirina tsikelikely ato amin’ity publication ity ny toerana, daty, ora ary laharana hifandraisana, arakaraka ny fahavitan’ny fanamafisana ny fandaharam-potoana.

πŸ”” Araho tsy tapaka ity publication ity mba hahafantarana ireo fanavaozam-baovao manaraka!

πŸŽ™οΈ Mpampiofana : Atoa Laza Razafiarison

πŸ’― FAMPIOFANANA MAIMAIMPOANA!

🧠 Hiresahana sy hifanakalozana hevitra momba ny rafitra politika, ny rafitra toe-karena ary ny rafi-piarahamonina, ary ny andraikitry ny Olom-pirenena amin’ny fananganana Firenena.

πŸ“£ Miavia aby! Tongava maro hiofana, hametra-panontaniana ary hifanakalo hevitra! πŸ€πŸ‡²πŸ‡¬

πŸ“š Adidintsika ny manabe, fa ny taranaka no tsinjovina.

28/10/2026

β­•Anao ve i Madagasikara sa tsy anao?
Raha tsy anao dia aza miraharaha, fa izahay Malagasy mahatsapa fa mangetaheta ambony lakana dia sorena no mandona tratra mahita ny zavatra tsy manjary eto amintsika.

Vahiny atao toy ny mpanjaka, vahiny avela mamiravira ny anabavitsika, jereo ilay vazaha mpanao TikTok anaty fonja iny, dia tsy misy taitra fa miome isika mianakavy.

Ny rahalahitsika alefa manao boucle humain any Rosia sy any Ukraine mba ho faty, tambazana vola kely, havantsika amidy any Dubai.
Rehefa tompony no ADALA dia izao no alehany

Fa inona ny olana tsy hitolomana mba hamerenana an'i Madagasikara ho an'ny Malagasy?

Io lalΓ na tsy misy avy amin'ny Malagasy io, ny tantara hovaina, kolontsaina vonoina.
Dia io isika lasa toy ny lohak'inona ireny, tsy ambony tsy ambany.
Lasa voninahitra ny tsy fahaizana miteny gasy

Dia miome Rakoto fa rediredin'ny manampahaizana hono ny anay fa izao ihany no mety!
Andao ary moa!!!!

ArrΓͺte :Art. 1. - Est interdit Γ  Mada- gasikara le port en public de la tenue dite : "mini-jupe" ou Β«mini-robeΒ» et, en g...
28/10/2026

ArrΓͺte :

Art. 1. - Est interdit Γ  Mada- gasikara le port en public de la tenue dite : "mini-jupe" ou Β«mini-robeΒ» et, en gΓ©nΓ©ral, de toute autre tenue contraire Γ  la dΓ©- cence, aux mΕ“urs et coutumes malagasy et portant atteinte Γ  la moralitΓ© des ci- toyens.

Art. 2. Le directeur de la sΓ©curitΓ© nationale, le colonel commandant la gen- darmerie nationale et les chefs de cir- conscription administratives sont chargΓ©s de l'exΓ©cution du prΓ©sent arrΓͺtΓ© qui sera publiΓ© au Journal officiel.

Tananarive, le 9 aoΓ»t 1967.

AndrΓ© RESAMPA.

----------
Mbola en vigueur ve ity ry E-Juridique ??
Sa tsy mila article d'abrogation fa obsolete hoazy eo foana ?

Jereo anie, na ilay bidon efa rota!Tsy manana na bidon izany isika?Sary indrana
26/10/2026

Jereo anie, na ilay bidon efa rota!
Tsy manana na bidon izany isika?

Sary indrana

PM Γ΄!Ny tsy andehanan'ny mpampiasa vola voalohany amin'ny firenena iray dia ny environment ao.StabilitΓ© politique , corr...
26/10/2026

PM Γ΄!
Ny tsy andehanan'ny mpampiasa vola voalohany amin'ny firenena iray dia ny environment ao.
StabilitΓ© politique , corruption, securitΓ©, systeme fiscale, sns....

Tsy misy hoe miantsoantso izany fa apetrao aloha ilay environment dia tonga hoazy io.
Dia ianao indray no miteny hoe aoka izay fa maro loatra.

Rafitra hoy zahay io koa tohizo ilay action miantsoantso raha mety eh!!

26/10/2026

β­•Izahay moa raha miteny dia tsy maintsy tonga eo i Rasoa sy Rangova hiteny fa thΓ©orie izay ho laizana eto, fa avelao indray aloha izany izahay hirediredy kely indray mandeha.

Ny maha firenena ny firenena iray dia ny fananany tafika, ary tafika moa izay no mitondra eto dia ndeha ho resahiny kely indray.

Ny fanontaniana apetraka aloha dia ny hoe manana TAFIKA ve i Madagasikara?
Mahaaro an'i Madagasikara ve ny tafika eto?

Raha TAFIKA tsy ahaaro, TAFIKA ve no ilazana izany?
Betsaka begalona eto amintsika, fa indrisy tsy misy azon'izany atao.

Ny antsika raha hianatra milatsaka amin'ny parachute dia mankatsy Nosy La RΓ©union, amin'izany fitaovana efa tamin'ny fahagola no mba hampiasainy, ilay casque vy nampiasaina tamin'ny Ady Lehibe miampy AK47.

Isika variana amin'ny hoe Hard power na hoe ady miangy amin'ny basy ihany fa mba iza moa firenena variana amin'izany amin'izao?

Izao tontolo izao raha hanafika an'i Madagasikara tsy ho basy mihitsy no hampiasainy, tsy hoe tonga antsy Toamasina ny Frantsay hanafika antsika dia ao no hiady toy ny tamin'ny 100 taona lasa, hampiasainy daholo ny technique rehetra, na amin'ny basy io, na aretina io, na virus, na technologie, na vola, na inona, fa ny akademia tsika ve mba mianatra manohitra sy manao toy izany?

Mba mianatra manamboatra basy ve ny Akademia tsika?
Mianatra microbiologie ve ao amin'ny tafika?
Mba nampianarina niaro an'i Madagasikara ve ny TAFIKA malagasy?

Toa voaroba mantsy i Madagasikara, sinoa 11 manjavona, ny oron'asan-panjakana lafo, ny harena an-kibon'ny tany tsy hita, ny tanora malagasy hitady ho very, ny anabavitsika voavidy sy lalaovin'ny vazaha. Tsy aleo manongo tena kely ihany hoe mba mahaaro an'i Madagasikara marina ve izahay sa mizesta amin'ny akanjo maramara fotsiny?

Isika samy mahita fa aderadera toy ny basy atifikava ny volan'ny tafika ka na i RaTchong sy RaGeorge atsy ambadika dia afaka maminavina hoe toy izao no zakan'iny vola natokana ho an'ny tafika malagasy izany ka tsy mahatakatra lanitra akory. Zavatra anisan'ny secret anefa izany.

Ary ireny havantsika nampianarina nitana basy ireny? Mba misy fanarahamaso ve?
Sa mpamosotra alika, samy miala maina?
Dia gaga isika raha betsaka ny dahalo mahay mampiasa basy sy manao velam-pandrika?

Ndriiii, nampalahelo kely nahita ilay manam-boninahitra malagasy vao sambany nitaingina avion de chasse herin'andro vitsivitsy izay.

Diso izahay raha miteny hoe mila hovaina izany rehetra izany!!

26/10/2026

Kaiky moa mbola mandeha gne Fikaonandoham-pirenena!!

Tena efa hadinoko!!
Mba nanao akory gne toiny ao sha rΓ΄?

26/10/2026

Fahotana mahafaty ho an'izay nivarotra an'i SOLIMA, TELMA, sns
Fahotana mahafaty ho an'izay nivarotra ny bankintsika, Fahotana mahafaty ho an'izay nivarotra an'i Madagasikara.
Fa namono ny taranaka Malagasy izay nanao an'izany.

Koa raha te hiady isika, dia mila averina amin'ny Malagasy aloha i Madagasikara.

25/10/2026

Ataovy anaty commentaire ao daholo ireo fanontanianao rehetra fa hezahitsika valiana miaraka eto daholo!!

Address

Toamasina

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Culture & Systems posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share