Ny Sederan'i Maharidaza

Ny Sederan'i Maharidaza Chorale ao amin'ny FJKM Maharidaza Finoana RN2 Carion Manjakandriana I. III.

TANTARA

Ny 16-23-29 Septambra 2001 dia nivory ireo Antoko Mpihira telo nisy teto amin’ny Fiangonana FJKM Maharidaza ny amin’izay hampahomby kokoa ny asa fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny Fiangonana. Ny 30 Septambra no tapaka fa havondrona ny 2 amin’ireo Antoko Mpihira ireo dia ny :
- ANTSAN’NY FANANTENANA – STK
- TSANTAN’NY MARAINA – Tsy miankina
Nanomboka teo no nijoro ny Antoko Mpihira N

Y SEDERAN’I MAHARIDAZA ka tapaka fa ny SLK no sampana mpiahy namomboka ny taona 2021 dia ny faha 20 taonan'ny fikambanana ny AFF indray no miahy ny fikambanana
Noraisina ny EZEKIELA 17/23 ho teny faneva : “ Ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga SEDERA TSARA INDRINDRA.”

II. ZAVA-KENDRENA

Fikambanana Kristiana ny Antoko Mpihira, koa ifotorana ny fiainam-panahy hahatonga ny mpikambana ho Kristiana modely, hijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fotoana sy toerana rehetra. Noho izany, ireto no tanjona :
- Mitaiza sy mikolokolo ny mpikambana amin’ny maha-olombelona azy manontolo (saina, vatana , indrindra fanahy).
- Mitory ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira.
- Mitarika amin’ny fampianarana hira vaovao sy ny fanitsiana ny diso taloha.
- Manamafy ny anjara toeran’ny hira ao anatin’ny Fanompoam-pivavahana.
- Miezaka hitaona olona maro hitodika amin’Andriamanitra. IREO FILOHA NIFANDIMBY

- RAFALIMANANTSOA Harimino
- RAMAHEFAMANANA Rhyna Gervais
- RAKOTONIRINA Rijavola Ramah
- RAKOTONIRINA Zo Ny Aina

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !

Address

Nandihizana
116

Telephone

+261320485697

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Sederan'i Maharidaza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category