31/01/2025
Fiantsoana kandida ho mpikambana ao amin’ny « Parlement Régional des Jeunes de l’Indianocéanie » (PRJIO)
Mikarakara fifantenana ho an’ny tanora te-ho isan’ny andiany voalohany amin’ny Parlement Régional des Jeunes de l’Indianocéanie ny Association des Parlements des États membres de la Commission de l’océan Indien (AP-COI).
Ity parlemanta ity dia natao ho an’ny tanora ho fampiroboroboana ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny politika sy ny fiainam-piarahamonina. Fanomezana sehatra ny tanora mba haneho hevitra, hisolo tena ny vondron’izy ireo, hampandroso hevitra amin’ny mpitondra fanjakana, ary hanamafy ny fahaizany mikasika ny demokrasia sy ny fitantanana.
Ity no rohy ahafahana mijery ny andinindininy : https://www.commissionoceanindien.org/prjio-aac/