Ny fampianarana tajwid / Cheikh Saiky

Ny fampianarana tajwid / Cheikh Saiky Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ny fampianarana tajwid / Cheikh Saiky, Circus, Morondava.

23/03/2026

AIZA AO ANATIN'NY BAIBOLY KOA NO MILAZA FA DANIELA ZAKARIA EZEKIEL NO NIRESAKA AMIN'ANDRIAMA DIRECT ?

Valin-kafatra ho an'i Romille Catholique

Ny Mpaminany rehetra ao amin'ny baiboly ve noresahin'Andriamanitra direct ????

18/03/2026

andao indray koa isika hianatra ny fomba famakiana ny وَتَبَّ ao amin'ny souratoul-massad

10/12/2025
08/12/2025

NY FOMBA FAMAKIANA NY SOURATOUL-FATIHAT :

29/11/2025

Arabaina ho an'ireo mpankafy ahy vao misondrotra vaovao indrindra! Ibn Yssa Sa'ad Tefarson

FANOHARANA NY AMIN'NY QALQALA:1. Qalqala dia toy ny fikitroky ny vato manidina eny anaty ranoFanazavana:Rehefa mitsoaka ...
30/08/2025

FANOHARANA NY AMIN'NY QALQALA:

1. Qalqala dia toy ny fikitroky ny vato manidina eny anaty rano

Fanazavana:

Rehefa mitsoaka tampoka ny feo amin'ny ق، ط، ب، ج، د — dia toy ny vato manidina avy amin’ny hantsana midona amin’ny rano, mamorona tabataba kely feno hery sy fanenohana.

-Ohatra: “أَحَدٌ” — ilay د farany dia mipoitra toy ny fikitroky ilay vato amin’ny faran’ny rano.

2. Qalqala dia toy ny feon'ny tantanana miato amin’ny vy

Fanazavana:

Tsy feo mitohy, tsy midona mafy, fa “plak” kely feno fahatsapana.
Toy ny mpandrafitra mitana tantanana ka manao fikitroka an-kolaka, amim-pitandremana.

-Ohatra: “وَجَعَلْنَا” raha miseho ilay ج, dia toy ny fikitroky tanana amin’ny zava-masina.

3. Qalqala dia toy ny lakolosy mikitroka anaty fahanginana

Fanazavana:

Rehefa mangina be ny efitrano dia maneno tampoka ilay fikitroka manaitra sy mahavariana.
Toy ny “tok tok” avy amin’ny lanitra, manaitra ny mpamaky sy mpihaino.

- Ohatra: “يَطَّلِعُ” — raha ط dia mameno ny habakabaka amin’ny feony malefaka sady manaitra.

4. Qalqala dia toy ny fanokafana hidin-trano misy fikitroka manetriketrika

Fanazavana:

Tsy mihoatra amin’ny feo hafa, fa mampandre fa misy manokatra vavahady.

Izy io dia “tonga any amin’ny fon’ny mpihaino”, toy ny fanokafana zava-masina ao anaty fo.

-Ohatra: “تَبَّتْ” — ilay بّ sy تْ dia toy ny fanokafana hidin’ny fanekem-pinoana.

5. Qalqala dia toy ny jiro mirehitra tampoka ao anaty aizina

Fanazavana:

Feo fohy, mamirapiratra, manazava. Tsy lava, tsy manakoako, fa mametraka hafatra: “Henoy aho. Misy dikany aho.”

- Ohatra: “قَدْ أَفْلَحَ” — ilay د dia toy ny famirapiratry ny hafatra manaitra.

05/08/2025

Rehefa mananatra olona, aza hanary eo anatrehan'olona maro, fa lasa menatra ilay olona hanarinao ary mahatsapa ho afa-baraka.

Araho ny fanazavana:👇

10/05/2025

Aza adino ny manao partage sy manisy j'aime !

Address

Morondava

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny fampianarana tajwid / Cheikh Saiky posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category