12/02/2024
Tara be!
Izao ianao vao tonga?
Azafady f'efa tara loatra
Ny fitia anie tsy somonga
Ndàna miverina dia misaotra
Raha hijery anao eto mantsy
Maha be olana sady mihantsy
Mihantsy ady amiko fotsiny
Ka ndehàna dieny zah mbola tsy sarotiny
Nila anao aho tamin'fotoam-pahoriako
Nijaly nitaraina tsy nisy namaly
Izao ianao eo...efa maharikoriko
Azafady re fa ny foko efa voangaly
Ny ilàna ny sakaiza...
Dia rehefa tojo sedra mafy
Ianao tamzany tsy hita hoe nankaiza
Zah nigoka ngidy sy niafy
Niaritra ny heson-tenin'ireo fiarahamonina
Ity foko tsy mba nety nionona
Etsy koa.,ny vavan'ireo fianakaviana
Tsy lazaina intsony ny sisa fa mahafeno hakiviana
Fa zakako teny ireo olana izay nobabeko
Ka miala tsiny fa ts'ianao izao no jereko
Zah efa manana fiainana mangarahara
Ka raha zah ianao miala f'efa tara
Oay,saika hadinoko...ity ny mosoara
Fanyah Lalaina
Vetso