Mi Sandratra Tononkalo

Mi Sandratra Tononkalo Anasana antsika rehetra tia mikalo sy mpankafia tononkalo

15/04/2024

Hikalo ny efa ela..dia hiventso ny fahiny
Hanoratra ireo ho avy..
Hanoratra aho ankentriny...
Satria izany no kinasa,sy fanirina hatrizay
Ny kalon'ireo lasa,ny ventso sara_dray...

Sandratra.A.F.N

Mafy ady..Ny senton'ny akaso mandrotika foNy alahelo tsy zaka,mahatohina koa,.Ny vesa-pahoriana,ziogaina isan'androF'iza...
14/11/2022

Mafy ady..
Ny senton'ny akaso mandrotika fo
Ny alahelo tsy zaka,mahatohina koa,.
Ny vesa-pahoriana,ziogaina isan'andro
F'izany mantsy hono ny ety ambany masoandro

Nifoha tsy satry ity olo-sahirana
Hianga hitady,misento irery
Ra fahantrana mahazaka maniraka...
Ny sitrany ahay,manarona fery..

Dia lasa teo,nanainga 'sakaiza
Ny "dia" anefa ,tsy fantatra mba hoa aiza...
Ny masak'andoha ,ny mba ahita atokona...
Ny kirin'ny tena,atao maso "tsokatra."

Sandratra A.F.N

Ny tsiky no anehoana ny haravoanaNy sento ,no hamatarana ny alaheloNy havizananana,no hatsapana fa niasaNy fahadiovana,m...
05/11/2022

Ny tsiky no anehoana ny haravoana
Ny sento ,no hamatarana ny alahelo
Ny havizananana,no hatsapana fa niasa
Ny fahadiovana,manambara fa nanasa

Manirery ,no ilazana ny lavitrin'ny tiana
Ny tomany,no fanehoam-pahoriana
Ny ampitso,manambara ny hoavy
Ny aretina ,no ahalalana fa manavy

Sandratra.A.F.N

Ny eto rahavana ka fandalovanaMiserana ihany mandalo ny etoNy eto fiainana mahatorovana..Mampalahelo sy mampisento..Ny s...
31/07/2022

Ny eto rahavana ka fandalovana
Miserana ihany mandalo ny eto
Ny eto fiainana mahatorovana..
Mampalahelo sy mampisento..

Ny seton'irony olo sahirana
Maniry ny hanan'ny ampy
Milofo itady ny ahita mangirana
Ny hiala ny zioga tsy tanty...

Irony olona ,emboina ho manankarena
Toa manao,tsidrio fa lavo ka mampahonena
Ny toetra tsy zaka amin'izy ireny
No mampietry ity firenena

Tsarovy razoky sy zadry.
Ny eto anie ka fandalovana ihany
Manao ny soa amin'ny piarabelona
Ny manampy ny hafa tsy ho anenenana

Nasandratra.A.F

Raha misy zavatra tsy aritraNa koa tsietsatsietra tsiaritraAza misalasala mandefa hafatraAmin'io kontin'i Nasandratra
30/07/2022

Raha misy zavatra tsy aritra
Na koa tsietsatsietra tsiaritra
Aza misalasala mandefa hafatra
Amin'io kontin'i Nasandratra

Ampiakatra ny ventsoanivon ny natioraHikalo ireo sento ho tonga hira hiraF izany no mba sitrany sy maminyNy zavaboahary ...
29/07/2022

Ampiakatra ny ventso
anivon ny natiora
Hikalo ireo sento ho tonga hira hira
F izany no mba sitrany sy maminy
Ny zavaboahary no nofidiny mba ho ankaniny...

Ny misiterin'ny poeta,manambara zava tsarotra
Ny ady riman'iza ireny,mamely sy mananatra
Mantsy izy ireny anie ka,tsy hay tapenana ny vavany
Miteny sy mikalo no hany zava-patany

Ny takelan-taratasiny no valabe fiasany
Ny penina maro loko,no angady fampiasany
Ny sainy tia mikaroka,no sandry be matanjaka
Ny hay soratra fanaony,no voly mampiavaka..azy ireny..

Nasandratra

Ny zanakoTonga teto an-tany ianao ny valo FebroaryI Neny no niharitrin'ny mafy tamin'izanyNamirifiry ,eny nigoka ny mang...
04/07/2022

Ny zanako

Tonga teto an-tany ianao ny valo Febroary
I Neny no niharitrin'ny mafy tamin'izany
Namirifiry ,eny nigoka ny mangidy
Nitondra folo volana, tan'aty kibo
Nisotro ny rano tsy tiana aza.......
Isaorana amin'ny Ray,fa tonga soa ianao ry zaza

Ny fiainanao anie mba ho tonga taiza
Ho reharehanay sy neny ,n'aiza n'aiza
Tianay mantsy ianao,ho tafita
Zanako Oh! Endre tsara tsy haditra...

Hiezaka izahay ,hikolo sy hananatra....
Ry zanako malala,mba ho fitaratra
Tokanay ianao hatreto..
I Dada sy I Neny,rehefa any aoriana,aza avela isento
Ranasa A.F.N

Akamako ialahy lesyAkamako amin'ny vola Tsy hita nefa ialahy raha tsy resySatria akama adala-mbola..Akamako ialahy amiza...
28/04/2022

Akamako ialahy lesy
Akamako amin'ny vola
Tsy hita nefa ialahy raha tsy resy
Satria akama adala-mbola..

Akamako ialahy amizao
Ary akamako fonafona
Satria ialahy efa zatra nanao,...
Mantsy anio faran-taona

Akama toa tia kely
Tsy mahalala raha tsy resa.bola
Akama ialahy,nefa tsy mamely
Ny soa ataoko amin'ialahy levenam-bola

Ranasa.AFN

Ny sentoko no vetsoiko. Anaty fo mangina... Ny hafaliko ko vetesiko... Amin-tsaina feno fitsikina... Ny ainga-po mampang...
03/04/2022

Ny sentoko no vetsoiko.
Anaty fo mangina...
Ny hafaliko ko vetesiko...
Amin-tsaina feno fitsikina...
Ny ainga-po mampangitaka,,,
Ny tanako hanoratra,,
Ny ambiroa nefa te hitsipaka...
Ny kaloko sy ireo (inspiraka...)

..   ZAHAY MOA.....Ny saranga tsy mitovyno nandrarana anaytsy hifankatia sy hiotyhikatsaka ny ho irayEsy eh! ry fiainako...
17/03/2021

.. ZAHAY MOA.....

Ny saranga tsy mitovy
no nandrarana anay
tsy hifankatia sy hioty
hikatsaka ny ho iray

Esy eh! ry fiainako
niangaran-janahary
iza no hitarainako
fa toa mafy sy marary

nahilika fa mainty
tsy tiana fa mahantra,..(donto)
tsy manambara iray venty
nororaina fa maloto...

Natao tsinotsinona
nambaniana aok'izany
zakaiko tsy maninona
'zay no anjarako eto antany

Marary nefa indrisy
zakaina na tsy zaka
mihezaka ny mitsiky
na dia hita fa maratra
Nasandratra

Address

Itaosy

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi Sandratra Tononkalo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share