28/02/2025
🟥🟥 URGENT 🟥🟥
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 28 Febroary 2025 tamin’ny 04 ora maraina
✔️Tamin’ny 03 ora maraina teo dia tany amin’ny 132 Km atsimo andrefan’Itampolo/Ampanihy no nisy ny foiben’i HONDE. Nitombo hery izy ka lasa rivo-doza mahery na Cyclone Tropical. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 165 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary atsimo Atsinanana hatrany izy ka nahafaka 11 Km/ora.
✔️ Efa nitoetra any amin’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana ny rahom-baratra sy ny rivotra miaraka aminy nandritry ny alina, izay tombanana hitohy amin’ity anio ity.
💧Hikija hatrany arak’izany ny rotsakorana (70 hatramin’ny 130mm/24 ora) hatramin’ny rahampitso ka ahiana ny tondradrano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo toerana marefo.
✔️Tsy miova ny filazana loza :
📕📕Loza mitatao miloko mena : Toliara I-II, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe ;
📒📒 Loza manambana miloko mavo : Faritra Anosy, Betioky Atsimo, Benenitra, Bekily ary Ambovombe.
❌❌❌ Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy hatrany Vangaindrano mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. ❌❌❌
🔑 Météo Madagascar