π‘²π’Šπ’‚π’π’‚ 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂

  • Home
  • π‘²π’Šπ’‚π’π’‚ 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂

π‘²π’Šπ’‚π’π’‚ 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂 πŸ«ΆπŸΎπ‘¬π’•π’ π’‚π’‰π’πŸŽΌπŸ¦‹
π‘¨π’“π’š π’Žπ’ƒπ’π’π’‚ 𝒉𝒐 𝒆𝒕𝒐 𝒇𝒐𝒂𝒏𝒂 🩷✍🏻

πŸ€Žπ‘―π’Šπ’‰π’‚π’Šπ’π’ π’π’š π’‡π’Šπ’‰π’†π’•π’”π’†π’‰π’‚π’Ž-π’‘π’π’π’‚π’πŸ«€

πŸ’Œ π‘‡π‘œπ‘›π‘œπ‘›π‘˜π‘Žπ‘™π‘œ ✍🏾

πŸ§ π‘€π‘œπ‘‘π‘–π‘£π‘Žπ‘‘π‘–π‘œπ‘›πŸ’ͺ

β€οΈπ‘²π’Šπ’‚π’π’‚ π‘΄π’‚π’π’…π’‚βœοΈ

August ✨Mois de progression 😘🀎
01/08/2026

August ✨
Mois de progression 😘🀎

"𝐇𝐨 𝐍𝐨𝐟𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐒𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐚𝐧𝐲...☁️"Namaly ilay fitiavanao ny fokoAnisany mba nameno izay tsy feno ihany ny fisiakoEny, noraisik...
16/07/2026

"𝐇𝐨 𝐍𝐨𝐟𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐒𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐚𝐧𝐲...☁️"

Namaly ilay fitiavanao ny foko
Anisany mba nameno izay tsy feno ihany ny fisiako
Eny, noraisiko matotra daholo izay nolazainao,
Tsy nataoko ambanin-javatra mihitsy ny fisianao

Ekeko hoe tsy nampanantena zavatra ahy ianao,
Saingy tsampako fa tena nisy fitiavana tokoa,
Tsy mba vazivazy mihitsy ny filazanao,
fa ho fahasambarana ilay fiarahantsika roa

Saika tsy mba hiverina ny hitia izany intsony aho,
Efa nataoko sesi-tany ilay resam-pitiavana...
saingy resin'ny teny malefaka nataonao aho
dia injao fa nitsimoka indray ilay fitiavana

Efa niezaka nanakatona ny foko aho..
fa tsy voatohitro ka novahanao indray,
Ninia nanakipy ny masoko aho,
saingy nahonena ahy ka nangoraka indray

Indrisy,

ilay fitia nomenao ahy nandalo dia niserana
Nafana anefa fotoana fohy monja...
ilay safidinao anefa tsy azoko ferana
Eehh..ilay fitiavako tsy manatsiny narendriky ny onja

Toa vetivety teo dia raikim-pitia
Nitondra tsiky ho ahy ny fisianao,
Lonaka ity foko ka mora feno fitia,
Navelako nitombo tao am-poko ilay fitiavako anao

Segondra vitsy nanova ny tantarako ianao,
Toa feno hafaliana ny tontoloko nisy anao
Niavaka tanteraka teo amin'ny diariko,
ilay fandalovanao teo amin'ny fiainako

Iny fotoana iny no tokana mba nahafahako namihina anao,
Raisiko ho andro nanan-danja ho ahy...
Sambatra aho tamin'iny satria teo anilanao,
Voalohany no sady farany nampihetsim-po ahy

Ny an'ny Ho avy tsy antenaiko intsony
fa mijanona "𝐇𝐨 𝐍𝐨𝐟𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐒𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐚𝐧𝐲...☁️"
Kanefa tsy afaka miverina any aloha intsony...
ka ny efa niainana dia mitoetra ho tsiaro hatrany...

Ka na dia ho Nofy fotsiny ihany aza ..
ny fitiavako anao dia ho tsara toerana ato am-poko

➳❀

July ✨πŸ₯³Moi de santΓ© 😘🩺  ❀️
30/06/2026

July ✨πŸ₯³
Moi de santé 😘🩺
❀️

''π™π’π¨π πšπ§'𝐒 𝐊𝐒𝐚π₯𝐚 π…πšπ§πš ⛓️''Ny maraina vao mifoha,Dia miomana ny saina,Tairitairina ny ati-doha,Fa hizaka ny tseran'ny ain...
27/06/2026

''π™π’π¨π πšπ§'𝐒 𝐊𝐒𝐚π₯𝐚 π…πšπ§πš ⛓️''

Ny maraina vao mifoha,
Dia miomana ny saina,
Tairitairina ny ati-doha,
Fa hizaka ny tseran'ny aina

Atao daholo izao rehetra izao,
na mazoto na malaina tsy maintsy vita,
Nefa na MBA teny fisaorana hoy ianao,
Tsy Mbola nisy ary tsy ary nahita

Natao t@ fo na somary reraka aza,
Tsy MBA nimonomonona fa niasa am-pitoniana,
Nangina na dia efa mihatorovana ny nofo aza,
Nanontona ny hery rehetra fa tsy MBA nitaraina

Enjehina daholo na ny atsimo na ny avaratra,
Na ny anaty na ivelany atao tsara voatra
Atao madio sy Tonga lafatra,
Ka dia niezahana fatratra.

Tsy tsapan'olona anefa Raha izany
Na dia natao nikirizan'ny Aina,
Eny eh,tsy maninona izany
Fa Mbola antenaiko ny maraina..

Aleoko aho no mandefitra,
Mizaka ny tseran'ny aiko,
Aleo ry zareo ho ao an'efitra,
fa izaho kosa Mbola hitaraina @ Raiko!

Iaretako na Mila tsy ho zaka,
Ireo teny maharary miharo fanambaniana,
Fa tsy misy mafy natao tsy ho zaka,
Any aorina inoako fa Mbola higoka hamamiana..

Ka na hoela na ho haingana aza,
Dia tsy maintsy ho tapitra ny fotoana ijaliana,
Na Andro iray ao anatin'ny zato aza,
Dia ho dila ireo ranomasom-pahoriana

Eh,ry ziogan'I Kiala Fana,
Mino aho,ary ekeko fa Mbola ho tapitra
Ny haizina kosa hisolo hazavana,
Toy ny tataovovonana ka hamirampiratra.

πŸ˜”

Oh Ramalagasy πŸ‡²πŸ‡¬...Isika Anie ka mahay taratasy,Fa ny olana ny fahantrana,izay mamotika ny tanΓ naIlay fahazarana tsy maΓ±...
24/06/2026

Oh Ramalagasy πŸ‡²πŸ‡¬...

Isika Anie ka mahay taratasy,
Fa ny olana ny fahantrana,
izay mamotika ny tanΓ na

Ilay fahazarana tsy maΓ±aja fotoana,
Te handray vonona ka handairan'ny hakamoana,
Tia tsikera nefa tsy mitondra vahaolana
Mivary lavo erΓΏ rah MBA sendra miatrika olana
....

Fanavakavahana ny samy zana-tany,
Fiatsaram-belatsihy mbola manjaka hatrany,
Ambaniana ny tsy manana ny rehetra,
Ny fifankahalana vΓ© moa hisy fetra

Vanim-potoana fiovana isika izao,
Ndeha hatomboka izao dian'izao
Aoka izay tsy nahomby hadaboka any
Ireo fifanambaniana , aleo hajanona any
.. ✨❀️

Ao vΓ© ??πŸ’—Na misy inona na hisy inona, aza atao hoe ''RabΓ΄fy'' sy '' Rabaina'' ny Ray aman-dRenyMendrika ny fanajana izy ...
16/06/2026

Ao vΓ© ??πŸ’—
Na misy inona na hisy inona, aza atao hoe ''RabΓ΄fy'' sy '' Rabaina'' ny Ray aman-dReny
Mendrika ny fanajana izy ireny na mahantra na tsy manambola na tsy bé diplaoma aza🩷
Ataovy izay azo atao hahafaly azy ireo πŸ₯°

Am-pitiavana beuh πŸ’—

πŸ₯³

Coucou πŸ₯°πŸ₯³ π‘²π’Šπ’‚π’π’‚ 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂
14/06/2026

Coucou πŸ₯°πŸ₯³
π‘²π’Šπ’‚π’π’‚ 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂

Coucou πŸ₯° Misy olona te hiresaka aminah vΓ© ato πŸ₯³,tsy mbola mety amaliana mp n pagetsika πŸ₯ΉDe ato Manda Fanantenana mandefa...
03/06/2026

Coucou πŸ₯°
Misy olona te hiresaka aminah vΓ© ato πŸ₯³,tsy mbola mety amaliana mp n pagetsika πŸ₯Ή
De ato Manda Fanantenana mandefa mp πŸ˜˜πŸ’—

: MBA resaka matotra sy misy dikany no atao πŸ‘ŠπŸ»

Te hiteny fotsiny aho hoe : '' tsy maintsy tafita ianao ✨,araho finoana sy fiaretana πŸ₯°πŸ₯‚''Omeo lanja ny mombanao 🫡🏾, maha...
01/06/2026

Te hiteny fotsiny aho hoe : '' tsy maintsy tafita ianao ✨,araho finoana sy fiaretana πŸ₯°πŸ₯‚''
Omeo lanja ny mombanao 🫡🏾, mahaiza maΓ±aja ny hafaπŸ‘ŠπŸ»
Avelao hiteny izay hiteny, aleo hitabataba ny mpanaratsy ,
Raha tsy misy mantsy izy ireny,dia mety ho Variana ianao ,fa milofosa πŸŽ‰....manaova ny tsara hatrany dia ho hitanao fa hijinja zava-tsoa ianao ao ariana kely ao πŸ₯Ή
Tafio hery ny fo πŸ«€,saina ary ny fanahy πŸ₯°πŸ₯³
izay hahavita ilay défi-nao ❀..aza ampanginina ny nofy2 ...Matokia an'Andriamanitra 🫢🏽
Am-pitiavana beuh 😘

''Juin,mois de bonheur πŸŽ€''
...

Good bye mey ✨Hello June πŸ₯³πŸ’—πŸ©ΆGod Will work in outπŸŽ€
31/05/2026

Good bye mey ✨
Hello June πŸ₯³πŸ’—
🩢God Will work in outπŸŽ€

Address

Ambalakely

301/07

Telephone

+261388356805

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π‘²π’Šπ’‚π’π’‚ 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your establishment to be the top-listed Arts & Entertainment?

Share