R.f.j Aronofy

R.f.j Aronofy Aronofy Rfj
Mpanoratra Tononkalo
No-hony fianina iza mandalo
No mahatonga ahy ,
Hanoratra tononkalo
Aronofy Rfj


Fiaraha-miasa: 038 37 267 64

25/08/2025

atolotra amin'ny fo , Tononkalo mpitiavana

🤣🤣🤣😍😍 Fianarantsoa mifety 🤣🤣🤣
24/08/2025

🤣🤣🤣😍😍 Fianarantsoa mifety 🤣🤣🤣

NY NAMANA Ny namana tompoko !Maro dia maro ; Tandremo fa misy Tsy manjary fahavako ...           Mba mitandrema         ...
05/07/2025

NY NAMANA
Ny namana tompoko !
Maro dia maro ;
Tandremo fa misy
Tsy manjary fahavako ...

Mba mitandrema
Tsy ho'azony fankapana ;
Mba ho salama satra
Ary tsy misy hana .

Mifanaja ny samy mpinamana
Hijoroan'ny fifakatiavana
Raha sendra tohana ianao
Dia mba izy no solonkavana .

✍️✍️✍️ Aronofy Rfj ✍️✍️✍️

EFA NIEZAKA AHO Niezaka aho nitia Nefa tsy norarahiana ,Niezaka aho nanaja Nefa dia nampijaliana ,        Niezaka aho ni...
29/06/2025

EFA NIEZAKA AHO

Niezaka aho nitia
Nefa tsy norarahiana ,
Niezaka aho nanaja
Nefa dia nampijaliana ,

Niezaka aho nikolokolo
Nefa tsy nisy vokany izany ;
Niezaka ny nahery , sy nijoro
Nefa vao maika noratraina , ka tafitomany ...

Efa niezaka aho
Nanao izay hahasoa anao ...
Efa niezaka aho , nanome fitafiana
Nefa dia natao kilalao...

Nefa indrisy ny ezaka izay nataoko ;
Tsy mba nisy vokany akory
Fa ny valiny mba azoko,
Dia fijaliana sy lonilony .

✍️✍️✍️ Aronofy Rfj ✍️✍️✍️

22/01/2025
                                       """ NY TENA NAMANA """Ny tena namana ;Tsy mba mandao    Fa miaraka mizaka ,Ny o...
02/01/2025

 

""" NY TENA NAMANA """

Ny tena namana ;

Tsy mba mandao

Fa miaraka mizaka ,

Ny olona izay misy aminao .



Ny tena namana

Tsy mba mandao izany ,

Ary mankahery anao

Raha sendra sento ; na tomany ...

Ny tena namana

Dia manampy anao, raha sendra misy olona ...

Tsy mandatra anao ; raha solafaka ...

Fa manoro vahaolana .

Ny tena namana

Tsy mandao izany ;

Ary manao izay hampifaly ,

Fa tsy mandratra anao ; na koa mampitomany ...

Ny tena namana

Tsy mba mahafoy anao ;

Ary manoro hevitra

Raha sendra olana anao ...

R.F.J. Aronofy

23/10/24

Address

Mokana Fianarantsoa
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when R.f.j Aronofy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category