05/03/2026
Nitsikiako ianao, nitsikiako
Nitsikiako kanefa nangarika
Fihetsika iray tena tiako
Fihetsika tena mahasarika.
Nokotiako ianao, nokotiako
Nokotiako kanefa nanda
Izay 'lay zavatra tsy isangiako
Maharomotra fatratra an'ahy
Notineriko ianao, notineriko
Notineriko hanaiky ny foko
Kinajo tsy takatry ny heriko
'Lay fikanao 'zay vavim-boto!
Hionona ve sa hisisika?.. nefa raha voadaroka eo?
Ny tenako manko ka bitika
Izy efa tsy hanaiky rahateo!
14,5
Jasmin Darmond Randriamandamintsoa
Penina Lany Ranomainty