R Jasmin Darmond

Call Directions Website Contact the establishment

R Jasmin Darmond Hanoratsa aho, dia hiteny; raha tsy hitany io dia ho reny... Penina Lany Ranomainty Tononkako, sombitantara, taratasy misokatra...

TSIA Tsy izay rehetra hitahoe mitsiky sady falydia hoe olona tafitatsy niaritra omaly.Tsia!Tsy izay rehetra jerenatoa mi...
20/09/2026

TSIA
Tsy izay rehetra hita
hoe mitsiky sady faly
dia hoe olona tafita
tsy niaritra omaly.
Tsia!
Tsy izay rehetra jerena
toa misotro sy mihinana
dia hoe manakarena
sy tsy mety ho sahirana.
Tsia!
Tsy izay rehetra tazana
toa manja sy mianjaika
dia hoe tsy miady mazana
mijinja ny tsy laitra.
Tsia!
Tsia hoy aho aminao.
Ireny dia mijaly ao anatiny ao mangina
Sady manana olana, mandalo tsy fisiana
Saingy izy ireny olo-mankafy fiainana
Tsy manaiky ho kivy fa avo be fisainana
Penina Lany Ranomainty
R Jasmin Darmond

Mbola velona ato aho saingy milefitra keeely fotsiny a! 😊Manahoana daholo aloha e! ☺️
14/09/2026

Mbola velona ato aho saingy milefitra keeely fotsiny a! 😊

Manahoana daholo aloha e! ☺️

SISINY SOSONY SASINY SESINY Voateniny foana matetika fa hoe ny lalana kay misy sisiny.Tsy azotory mandritra ny alina izy...
06/09/2026

SISINY SOSONY SASINY SESINY
Voateniny foana matetika fa hoe ny lalana kay misy sisiny.
Tsy azotory mandritra ny alina izy ka ny lohany no akisikisiny,
Dia velona ny eritreriny maty mandalina lasa vinany;
Lavitra ny habaka mihitsy izy izany niakatra any an-danitra any.
Voateniny foana mazana ilay nifiny izay misy sosony.
Ny tanany nisy ilay peratra ihany isanandro no akosokosony.
Asa na misy tavela ny tsirom-pitia izay nipetraka teo,
Fa ny azo tombanana kosa hatreto dia izy te hiantso vonjeo.
Tsy miala ao am-bavany koa isanandro hoe resaka no misy sasiny.
Hita soritra foana eo an-tavany ny azy ny tsirim-pitia misy hasiny;
Mody bonaika mangina malaina hilaza ny mafy fiaretana,
Mijaly miaina ranamana ka mitoreo amim-pahafinaretana.
Ny zavatra tsy mba hadinony koa dia hoe ny ondana kay misy sesisy.
Ny olana ve no mitombo mitombo dia hatramin'ny sakafo rafesiny!
Ny olona vonona hiaina sakaiza mizara izay olana misy a!
Misotro ny rano mangidy na mamy voatolotra anaty kalisy.
Ny hany tsikaritro eny aminy izao dia sombin-kafalian'ny sasany,
Ataony ho vato mitaingina avo hahatazanantsika ny fasany.
Asa izay mety ho tohin'ny fiainany mihiboka sy miady irery;
Fa hatreto ny fanantenany tsy hita fa na maty na mbola miery.
Penina Lany Ranomainty
Jasmin Darmond Randriamandamintsoa

MIANGAVY ANAO HANDAINGA AHO Aleo aho mba hitsiky hanakonana ilay ratraTsy hampiseho akory ireo olana mihatraMba te ho to...
05/09/2026

MIANGAVY ANAO HANDAINGA AHO
Aleo aho mba hitsiky hanakonana ilay ratra
Tsy hampiseho akory ireo olana mihatra
Mba te ho toy ny olona aho, hifaly sy hihira
Saingy tsy afaka hatrizay fa irery tan-dakira
Rehefa tazanao izy dia iresaho ny amiko
Fa manja sady lafatra, hono, hoe ity akaniko
Efa ravo lalandava hoe 'lay ory fahizay
Ny nakorontanao hono efa vitany milay
Efa afaka tan-kodiny hono hoe 'lay lambam-paty
Efa nanolatra ihany koa ilay fery tao anaty
Efa nahiratra hono hoe ilay masony jambena
Niova, hono, ny tontolony, tonga lasa edena
Ny marina iainako aza alaza azy akory
Raha mitady hiverin-dalana? Somary ampitahory
Masika be, hono, hoe ny vady solony ato
Sady ilay fo nofoko, hono , niova ho fo vato
Azafady indrindra,
Niova, hono hoe, ny hira izay fitendriny
Raha izay velovelo hono tsy hita eny an'endriny
Afaka sigara hoe, sady afaka amin'ny ny loka
Angamba ho lasa mpiandry koa fa afaky ny toaka
Dia ataovy tsara laza f'efa tsara asa aho
Tsy mandaingalainga intsony, tsy manelinely tsaho
Efa mody an-trano hoe fa tsy matory an-tatatra
Efa sambatra tanteraka, treteika tsy sasatra
Tsy mivakiloha intsony ,hoe , fa afa-po fiainana
Milamina daholo na fijery na fisainana..
Dia miala tsiny indrindra raha mampandainga anao
Aza ambara azy mihitsy izao fahoriako izao
Penina Lany Ranomainty
Jasmin Darmond Randriamandamintsoa

Ialako tsiny indrindra aminareo mpisolelakafa amiko, ialahy isany no tena atao hoe pelaka.Bômbôklaty toetra, hozoniko ts...
02/06/2026

Ialako tsiny indrindra aminareo mpisolelaka
fa amiko, ialahy isany no tena atao hoe pelaka.
Bômbôklaty toetra, hozoniko tsy hanjary,
enjehin'ny angatra isany, ho matin'ny mosary
inona no idirana amin'ny tsy aferanao?
sa efa leon'ny miaina dia sahady te handao?
ianao raha ho tsakiana, ataoko indray mipaoka
tsy ahalaniako vary fa tsy ampy ataoko laoka.
tsy havanao akory aho, ny vava akombony
lazao ahy ny marina raha tsy te hiaina intsony
tsy sarotra amiko mihitsy, tsy asiako adivarotra
mamono akoho, noho ialahy, aza mbola sarosarotra
aza minia miditra amin'ny kilaoty tery
ndrao sempotra ialahy ao rehefa aho mangery
ataovy izay hampilamina ny rivotr''iainanao
ndrao ampandrapahiko alika ialahy izao ankehitrio izao
Penina Lany Ranomainty
Jasmin Darmond Randriamandamintsoa

TSY AMBARA TELOAza ampahafantarina azy izay mahazo ahy androany;Tandremo fantany any ito izaho mitomany;Ireto toaka izay...
24/04/2026

TSY AMBARA TELO
Aza ampahafantarina azy izay mahazo ahy androany;
Tandremo fantany any ito izaho mitomany;
Ireto toaka izay bobohiko mampirediredy ahy
sy ny sigara laniko mangeja ny fanahy.
Tandremo ampahafantarina azy ity izaho mivarilavo,
Ity aho tsy misakafo, rovidamba, mavomavo...
Tena aoka tsy ho henony ity famoizampoko!
Ranomasoko isanandro izay mampisafotofoto.
Aza atao henony any ity hiako sy ny aretina,
Ito hoditro mihaantitra sy ny tarehiko feno pentina.
Indrindra ito fiainako maloto sy saritaka,
Sao handihy ny amiko izy ho mpandresy ka hibitaka.
Aleoko ho ahy irery ito fiainako mahantra,
Ity izaho rotidrotika sy ny foko feno ratra.
Aoka tsy ho fantany ny zavamisy izao,
Aoka ho tsiambarateloko izaho sy ianao.
R Jasmin Darmond
3 décembre 2015, 22:34

MATY AHO MADAMA!Jereo fa mivotirika ny mason-dramose,Mahita ahy sy ny vadiny miresaka ela be;Sady tsembo-dratsy izy no m...
10/04/2026

MATY AHO MADAMA!
Jereo fa mivotirika ny mason-dramose,
Mahita ahy sy ny vadiny miresaka ela be;
Sady tsembo-dratsy izy no miketoka ny handriny;
Velon-kozatra mihitsy ny tendany sy sandriny.
_
Io ve tsy hamono raha ifanenana irery?
Manao kenda roroka io raha tratrany amin’ny tery.
Matiny aho androany fa he ity fijeriny.
Ialako mora ity fa tsy ho zakako ny heriny.
_
Veloma ianao madama sao hahitako olana,
Ianao koa moa ity dia sahy mitsolatsolana.
Aleo rehefa irery isika miresaka mangina
Fa ity anio ity aloha hasiako fiviliana.
_
Dia miomana ianao rehefa tonga any an-trano,
Fa hahazo ketoketoka, mety ho fitsofan-drano.
Aho aza matahotra ny ho tratrany eny an-dalana,
Hataony tsara tetika toa hena ambony ankalana.
_
Penina Lany Ranomainty

ANDROANY AHO NO MAHANTRANdry tsy mbola nihevitra ny amiko mihitsy, Satria  tsy nizatra amin'ny mitsitsitsitsyKa dia iva ...
04/04/2026

ANDROANY AHO NO MAHANTRA
Ndry tsy mbola nihevitra ny amiko mihitsy,
Satria tsy nizatra amin'ny mitsitsitsitsy
Ka dia iva fisainana fa ny anio ihany
No tokony ho jerena hahavelona eto an-tany.
Mahita ahy androany mavomavo sy sahirana,
Dia sahy mitsara ahy fa tsy tokony hidirana;
Kanefa anie dia izao, anio aho tsy misy hapoaka,
Fa rahampitso vao maraina mbola tsy hainao izay hivoaka.
Aho tsy hiaritra eto raha tsy misy ny antenaiko;
Ary tsy hamelako mihitsy raha tsy to izay lazaiko .
Tsy hiezaka sy hilofo aho raha toa tsy hanantena
fa mbola ho olomanga eto amin'ny firenena...
Amin'izay fotoana, ialako tsiny, azafady!
Tandremo aty amiko no dia hiladilady...
Tsy mahalala anao aho, na taona na anarana!
Tsy avelako hiditra ny tokonambaravarana...
PLR
Jasmin Darmond Randriamandamintsoa
Penina Lany Ranomainty

Raha misy mandratra ny fo manantenaKa tady ho kivy saina mpitsiloNy tavako mirana ito jerenaTsy miova fa vonona hifanadi...
31/03/2026

Raha misy mandratra ny fo manantena
Ka tady ho kivy saina mpitsilo
Ny tavako mirana ito jerena
Tsy miova fa vonona hifanadino

Ny ratra nandalo tazomy ho lesona
Ny olo-nandao esory ao an-tsaina
Tsarovy fa misy ny mahefa mampiesona
Tady haningotra ny fofonaina

Ny olona tia tsy hita pesipesenina
Tsy tamby isaina fa maro tokoa
Ny tsy hitia intsony dia mora tenenina
Fa sarotra reitsy ny mandà ny fo a!

Ianao ange tsy ratsy na koa kilemaina e
Lafatra tsara toy ny olon-drehetra
Amboary ny fo, dia tanjaho ny saina
Tazomy hatrany ny hatsaran-toetra

PLR

Nitsikiako ianao, nitsikiakoNitsikiako kanefa nangarikaFihetsika iray tena tiakoFihetsika tena mahasarika.Nokotiako iana...
05/03/2026

Nitsikiako ianao, nitsikiako
Nitsikiako kanefa nangarika
Fihetsika iray tena tiako
Fihetsika tena mahasarika.
Nokotiako ianao, nokotiako
Nokotiako kanefa nanda
Izay 'lay zavatra tsy isangiako
Maharomotra fatratra an'ahy
Notineriko ianao, notineriko
Notineriko hanaiky ny foko
Kinajo tsy takatry ny heriko
'Lay fikanao 'zay vavim-boto!
Hionona ve sa hisisika?.. nefa raha voadaroka eo?
Ny tenako manko ka bitika
Izy efa tsy hanaiky rahateo!
14,5
Jasmin Darmond Randriamandamintsoa
Penina Lany Ranomainty

Address

Fianarantsoa

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when R Jasmin Darmond posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to R Jasmin Darmond:

Shortcuts

Share