01/06/2026
🙏❤️ " Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa." Salamo 104 : 33a ❤️🙏
✨Feno ny fo ary velom-pankasitrahana izahay noho ny fahatongavanareo sy ny fiarahanareo taminay nandritra ny Concert Fankalazana ny faha-30 Taonan'ny Tanora Kristiana Fanasina.🙏🏻🙏🏻
🙏🏻✨Mankasitraka indrindra an’Andriamanitra izahay noho ny fahasoavany sy ny fitarihany nandritra iny fotoana iny.
🫶🏻🪷Isaorana manokana ianareo rehetra tonga nanotrona, nivavaka, nanohana ary niara-nidera taminay. Ny fanatrehanareo no anisan’ny nampiavaka sy nampahomby ity fankalazana ity.
📖 "Misaora an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony."
— Salamo 136:1
🙏🏻🙏🏻Enga anie ny fitahiana sy ny fiadanan’Andriamanitra ho aminareo tsirairay avy. Misaotra tamin’ny fitiavana, ny firaisankina ary ny fanohanana rehetra.❤❤❤
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra! 🙌✨
💙🎶🙏