Tononkalo tena iainana

Tononkalo tena iainana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tononkalo tena iainana, Poet, Andrainjato avaratra, Fianarantsoa.

Tena Tia❤️Ry Malala tena tiakoOmeko ho anao ny ahy ny fisiakoMila anao ny androm-pitiavakoIndro ny foko raiso rahavako  ...
11/01/2023

Tena Tia❤️

Ry Malala tena tiako
Omeko ho anao ny ahy ny fisiako
Mila anao ny androm-pitiavako
Indro ny foko raiso rahavako

Tiako ho anao irery ry tsy foiko
Ilay fitiavana ato am-poko
Diamondran'ny foko kely
Ka tsy avelako ho very

Fahasambarako raha ianao
Angamba fiainako mihitsy
Ny hahasambatra anao ny ahy no atao
Ka tsy avelako ho kivy

Satria tiako,eny tena tiako
Angamba ianao no antom-pisiako
Efa lasanao ny foko manontolo
Ianao no voaloham-pitiavako ka tsy ho aiko hasolo

Efa anao tanteraka ny foko
Koa aza avela hitoloko
Ny hiala aminao dia sanatria
Satria zah tena tia


Fahasoavana D.T
26-08-19

Address

Andrainjato Avaratra
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tononkalo tena iainana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category