NySoratro

NySoratro Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from NySoratro, Visual Arts, Fianarantsoa.

15/07/2025

Mba hanotany kely fotsiny aho..

Hoe sambatra ve ianao eo antratrany?..

Mbola eo ve izy sa efa nandao?..

Ireo toetra ratsinao ve mba zakany?..

Hainy ve ny mandefitra rehefa ianao manao adisona?..

Miantso anao fona ve izy sa indraindray ianao tsy tsarony?..

Manambitamby anao ve izy sa ianao fona no andrasany mba hifona?..

Mba tena tsapanao veny lanjany sy izay tena ao ampony?..

Tsy zany mantsy fa mba te hampatsiahy kely ..

Hoe mbola ato ilay fo mazaka ireo ditranao..

Mbola ato ilay fo , na dia efa feno tako-pery..
Miandry fona, manatena ny fiverenanao

✍️NySoratro

fans

Noeveriko hoe vaha-olana ny fandeferanaKa niaretako ny karazana familafilanaNanana fitia ihany ianao fa indray niseranaT...
24/05/2024

Noeveriko hoe vaha-olana ny fandeferana
Ka niaretako ny karazana familafilana
Nanana fitia ihany ianao fa indray niserana
Tsy Mendrika Angamba aho ka tokony ialana

Nitazona aho hatr@zay satria tsy mba Nahita
Tsy haiko fa Izany angamba no atao hoe jamba
Mandramaty mantsy no tena tanjoko t@ tsika
Mbola Tsy Nahita hasolo aho fa tofoka Angamba

Aleoko afohy ianao na dia tsy ho foiko mihintsy
Izany no mba faraheriko hahasambatra anao any
Tsy mba nolalainao ny hoe: Marina,Rariny,Hintsiny
Tsy mahalala tsy tiana! Izany no niheveranao ahy

Tsy haiko na tsy ampy izay nilainao na mihoatra
Sa ve izaho ilay somary ahitana haratsiana?
Iray @ ireo no nahatonga namerina namboatra
Voady Vaovao teo anilan'ilay iray tena tiana

Enganie mba ho tia anao tokoa ilay Vaovao
Mba tsy harenesanao ny hirifiriko t@ fitiavana
Fony aho mbola piangavy sy pitalao
Enganie tsy ho sanatria enao hataony fitaovana

Tso-dranon'ny tsy mahafohy izy Ity ka mandrapihaona
Mandranpihaona ary ka mahavità izay hatao
Fa ny alahelo taloa mbola miandry ahy foana
Tsy hadinoko ny Misaotra tamin'izay vitanao

💗🥹NySoratro ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ
29/09/2023

💗🥹
NySoratro
ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ

Ny ory hono tsy havan'ny manana, ka naleonao nanorina hasambarana teo anatrehan'ny vola sy harena,,,Ny ahy fitia tsy hit...
26/09/2023

Ny ory hono tsy havan'ny manana, ka naleonao nanorina hasambarana teo anatrehan'ny vola sy harena
,,,

Ny ahy fitia tsy hita maso no betsaka fa raha fiara sy firavaka aho tsy afaka ny hampanatena
,,,

Eny e, haiko fa ny vola no ozatry ny fiainana, ampiarahana amin'ny fitia mba azahoana hamamiana
,,,

Tadidio anefa fa zava-poana ny fiarahana raha tsy samy tia ianao sy ilay lazainao fa hoe olon-tiana
,,,

Tsy hitazona intsony aho raha eny antratrany no hitanao fa misy ny hasambarana
,,,

Ny tena porofom-pitiavana manko dia ny mamela ny olon-tiana hosambatra fa tsy ny hibahana
,,,

Ka efiko na dia marary satria ny hatsapanao fahasambarana ny ahy no tarigetra
,,,

Efa nanao izay vitako aho mba hampifaly anao saingy ny fahafahako nanam-petra
,,,

Noheveriko fa fitia no mahasambatra kay ny vola sy harena ny fahasambaranao
,,,

Ka ndana alaivo ny hasambarana, hialako tsiny raha tsy nahavita nanome izany taminao
,,,

Ny ahy raha teo fitiavana mahanitra, ka naleonao nisitaka sy nandao
,,,

Tsy nitovy ny fijery: ny ahy fitia, saingy vola sy harena kay ny FAHASAMBARANAO
,,,



✍️ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ NySoratro✍️

Ataovy mba tsapako izany tena fitiavana fa matetika ny ahy ny fiarahana toa lasa fialamboly🥹Miaraka amin'ny olona aho ma...
25/08/2023

Ataovy mba tsapako izany tena fitiavana fa matetika ny ahy ny fiarahana toa lasa fialamboly🥹

Miaraka amin'ny olona aho matetika,samy hafa tarehy fa ny hitambaran'ireo dia tsy misy maharitra na dia roa volana akory💔

ʚʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ

Na anio fotsiny tsy maninona,fa tairo eo mba ataovy tsapako ilay atao hoe hamamiana
Efa lasa fiainana mahazatra manko ny ahy ny mitomany fa tairo eo mba asio fifaliana.

Ady lava ny fiainako, mitolona mafy f'indrisy tsy mety maharesy
Fa androany ataovy azoko ny hamboara, eo mo e!! tairo eo mb ataovy izay mety.

Miezaka manampy ny hafa fona aho fa ny mpialona milaza fa ny ahy fanapiana hiandrasana valiny
Fa tairo ranga, eo mba ataovy tsapany fa avy amin'ny fo ny ahy ireny tsy mila tambiny, izay n tena marina..

Ataovy mba tsapako izany tena fitiavana fa matetika ny ahy ny fiarahana toa lasa fialamboly
Miaraka amin'ny olona aho matetika,samy hafa tarehy fa ny hitambaran'ireo dia tsy misy maharitra na dia roa volana akory..

Ataovy mba sahiko ny mitantara olana amin'ny akama
Tairo eo mba bedeso aho refa mivarolavo amin'ny toka sy sigara..

Ataovy tsapako hoe mamy ny miaina fa ny hamonotena izany tsy vahaolana
Ataovy manaiky ny saiko hoe misy izany Andriamanitra izany mpamela heloka sy mandray fifonana..
ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ NySoratro

23/08/2023

..Raha ny fitia mbola tsy maty akory fa EZAHAKO ASINA FETRA FOTSINY IZAY HOATOLOTRO ANAO🥲🥹

ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ

21/08/2023

Matetika aho saropiaro, tsy mila ady akory fa mba mila toky, te ahazo teny mamy💗🍫..
Rariny loatra aho raha hosarotiny satria ianao no hany fananako ka tsy tiko holasany any🥹

ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ

.Mialohan'ny rehetra dia apetrako aloha ny lalànaTsy antery velively fa raha tsy mety aminao afaka miala...................
06/08/2023

.Mialohan'ny rehetra dia apetrako aloha ny lalàna
Tsy antery velively fa raha tsy mety aminao afaka miala
...................ka zao ary e..............
Raha hiaraka-tsika ; hialao aloha ny toka halaviro ny sigara
Fahendrena sy fitia no tadiaviko fa izaho akory tsy hitaky fiara
Izaho eto afaka hameno ny banga rehetra ka tandremo ihany koa ny misary adala
Hoe hikoty sipa hafa any ivelany fa tonga dia fisarahana tsy misy fanazavana
Tsy ilaiko ny compte facebook fa raha tena tia ianao, fahazaran-dratsy io tsy sarotra hialana
Tsy hitaky mot de passen'ny phone sy hiantso matetika fa rehefa tsy ato ianao izay dia hinoako fa any ampiasana
..Izay aloha fa ny sisa hofantatrao miandalana eny ihany, izay rehetra tsy tiko mbola tsy nisy nahalala
..Tsy hoe te hamehife-be fahatany fa tiko raha mba samy hosambatra isika malala

NySoratro ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ

Ny eritreritro tsy mety manadino ,tsy manaiky hamono ilay endrikao izay efa vitany tsianjery...Manoroko sipa hafa aho no...
30/07/2023

Ny eritreritro tsy mety manadino ,tsy manaiky hamono ilay endrikao izay efa vitany tsianjery...

Manoroko sipa hafa aho no mahita ny endrikao miserana na dia efa miniha mikipy tsy mijery..

Miezaka manadino aho, hoe hanome anjara toerana manokana ho azy ato am-poko sy ato an-tsaiko..

Indraindray aho te hiteny mafy hoe mifona tamin'ireo toetra ratsiko, miverena dia ao fa ho efaiko..

Alohan'ny hatory,izy no mirary nofy mamy ho ahy fa matetika ny tantara mamin-tsika fahiny no mibahana ao anaty nofiko..
Manambitamby izy, manome teny mamy ho ahy isankarazany, kanefa ny alefakin'ny feonao hatrany no reko mibitsika ato antsofiko..
Ka tsy hitako ny atao, te hiverina hanarina ny lasa aho, nefa te hanangana sy hanorona fiainam-baovao..

Te hanambitamby anao, hanao izay hitiavanao ahy indray nefa ihany koa te hampiadana azy tsy tohin'ny nataoko taminao..
ʚʬɞTojo Niaina ʚʬɞ NySoratro

hatr'amin'izao aho dia manontany tena foanamba hanana fiadana ihany ve ity foko?mba efa ela loatra kosa angamba ilay fot...
25/07/2023

hatr'amin'izao aho dia manontany tena foana
mba hanana fiadana ihany ve ity foko?
mba efa ela loatra kosa angamba ilay fotoana
naniriako mba hiova loko (...) saingy indrisy

toa vao maika tsapako ny horakorakan'ny fo latsaka
latsa-pitia ka mitadia mafy izay mba ho silany
niezaka nitady nefa matetika solafaka
fa toa tsy mba mendrika ho azy izay idirany

toa ny haratsiako no mahazo tsiny
nefa ny pietraketraka koa mahay milalao
raha ny faniriako tsy hitia intsony
indrisy anefa ity foko tena milanao

hilanao indray aho raha tonga ny alina
ieny. milanao mihoatran'ny taloha
indrisy fa ireny nofiko ireny dia tsy nisy marina
fa dia nijanona ho nofy avokoa

sarotra amiko ny hemetra ny saiko
hofehezina tsy hatsiaro anao intsony
sarotra amiko satria tsy ho haiko
nefa aza manahy fa tsy hasiko ho tohiny

NySoratro

Address

Fianarantsoa
301

Telephone

+261347977690

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NySoratro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to NySoratro:

Share

Category