Andria Tahirisoa Mpikabary

Andria Tahirisoa Mpikabary Mpikabary, Mpampianatra, Mpanentan-danonana, Mpanoratra

07/05/2026
Arahabaina ianareo fikambanana ROJOMI nahavoaka ny andia ARINDRANO omaly 03 may 2026 tao amin'ny KAMAFA Vatofotsy Antsir...
04/05/2026

Arahabaina ianareo fikambanana ROJOMI nahavoaka ny andia ARINDRANO omaly 03 may 2026 tao amin'ny KAMAFA Vatofotsy Antsirabe.
Sitrahina ihany koa tamin'ny fanasana ny tenako.

Ny fikambanana tokoa no samy hafa fa ny tanjona iray ihany: "hampiroborobo sy hirtondra avo ny kabary."

Nifanolo-kaja,Nifampizara hasina,Nifanome voninahitra.Ambohitrarahaba, Antananarivo.01 may 2026
01/05/2026

Nifanolo-kaja,
Nifampizara hasina,
Nifanome voninahitra.

Ambohitrarahaba, Antananarivo.
01 may 2026

Ireo toko telo nahamasa-nahandro nahatontosana ny vatofantsiky ny fanambadiana ara-pomba Malagasy androany .Ny roa mpang...
30/04/2026

Ireo toko telo nahamasa-nahandro nahatontosana ny vatofantsiky ny fanambadiana ara-pomba Malagasy androany .
Ny roa mpangataka, ny iray mpamoaka.

Espace Taratra, Mandaniresaka, Antsirabe
30 aprily 2026

Na "goudron" na lalan-tanyNy tiana karakaraina hatrany,Na tsy mitovy ny fihavianaNy tiana letsy tsy ariana.Ambatomanga (...
25/04/2026

Na "goudron" na lalan-tany
Ny tiana karakaraina hatrany,
Na tsy mitovy ny fihaviana
Ny tiana letsy tsy ariana.

Ambatomanga (Vakiniadina)
25 aprily 2026

22/04/2026

Ravalomanana Marc - 𝗕đ—Čđ—»'đ—»đ˜† đ—§đ—źđ—»đ—źÌ€đ—»đ—ź đ—źđ—»'đ—”đ—»đ˜đ—źđ—»đ—źđ—»đ—źđ—żđ—¶đ˜ƒđ—Œ ( đŸ­đŸ”đŸ”đŸ” - 𝟼𝟬𝟬𝟭 ).

Fintinin'i 𝐑𝐀𝐃𝐎 na i Georges Andriamanantena ao anatin'ity tononkalo ity ireo fiovana goavana noentiny , nandritra ny 2 taona monja nitantanany an'Antananarivo Renivohitra ka nandresy lahatra ny malagasy maro nifidy azy ho Filoham-pirenena tamin'ny 16 desambra 2001 đŸ‡Č🇬 :


Ny hanarenana tanteraka an’Iarivo Renivohitra
Dia ekena marindrano raha ianao no tompo-marika
Mankasitraka avokoa ka tsy hisy izay hanohitra
Ny Vaovao Mahafaly nosoratanao, ry Marka

Isaoranay etoana ianao, Marc Ravalomanana
Fa nivoatra ny tanĂ na raha noraisinao an-tĂ nana
Ny « Dingana » voalazanao tamin’ny fampielezan-kevitra
Dia mivaingana izy izao ka dia mandry ny eritreritra

Fiara fanangonam-pako marobe no ‘ndreo mivoaka
Hanadio ny lalantsika ka dia faly ny vahoaka
Tsy nitsahatra hatreo fa nitombo hatrany hatrany
Nihamadio ny lĂ lan-kely hatrany anivom-Pokontany.

Ao koa ireo arabe migodana midadasika
Manomboka eny Ampefiloha ka midona hatreny Ampasika
Ny eny Ambodivona koa mihazo an’i Manjakaray
Dia voalamina, voadio ireo korontana hatrizay.

Diovinao Andravoahangy sady tamim-pahamalinana
Toy ireo tsena maro hafa mba hisian’ny filaminana
Tsy mba be kabary ianao, nefa hitanay tsy miafina :
Mihamaitso sady soa ny Kianjaben’Imahamasina

Ny ao Ambohijatovo indray, rehefa rotika maharitra
Namboarinao ho manja fa voafefy mahafinaritra
Zaridaina marobe no manamorona ny lĂ lana
Mampisava eo no ho eo ny sorisorinay mahalana

Mijoro koa ny tsatoby ho an’ireo mpitondra fiara
Hitandremany fa sao hodikainy izay voarara.
Ambohitsorohitra ihany koa sy ny rakitry ny elany
Naverinao ho lapa soa ny ao anaty sy ivelany.

Ombieny ombieny koa : Polisim-bohitra an-jatony
Manara-maso ny tanĂ na sy mitandro ny hakantony
Ilay Anjely maintibe miringiringy teo Anosy
Nodiovinao ho kanto ka nangirana sy fotsy.

Rehefa mety ho tompon-tany, na vahiny izay mandalo
Dia miaiky avokoa fa mihetsika Ravalo
Anefa ange ianao no teo, dia vao roa taona monja
Saingy ireto zava-bita, tena asa be mafonja !

Nitombo an-dalana ny toky azo teny am-piantombohana
Tsy fola-tanana manondro ireo mpifidy sy mpanohana
Ny Tena, Saina sy Fanahy maha olona ny olona
No ezahinao hatrany mba ho soa sy hamololona

Nahazo asa ny tsy an’asa efa reraka mitolona
Notoloranao andraikitra ‘reo Filoham-pokonolona
Notafiana aro-akanjo ny ankizy hanala fanadinana
Hadio ivelany sy anaty ka hanaja fahamarinana

Notsarovanao tokoa ireo mahantra sady noana
Ka nahazo izay anjara isaky ny tonon-taona.
Dia nitrotro kilalao ireo kilonga sy sahirana
Tsy nangasihasy intsony ka indreo mba miramirana

Isaky ny Asaramanitra arentinao ny Afomanga
Hampifalifaly fo an’Iarivo Analamanga
Raha nankalazaina koa ny Fetin’ny Fahaleovantena
Dia nentaninao ny mponina, hahatsiaro tsy terena
Ka hanangana isan-trano ny Fanevam-pirenena
Hanamarika f’isika Tany mahaleo tena

Isam-paritra amin’izany, indreo ny sehatra hilanonana
Niantsoana mpanakanto marobe tsy anononana
Hampifaly ny vahoaka tratry ny asaramanitra
Tonga mba hiala voly ho ravoravo sy finaritra.
Navelanao Analakely hisehoan’ireo talenta :
Hosodoko, asa-tanana, zavakanto, etsetra etsetra.

O ! akory ny hafalian’ireo mpiasa marobe
Mba maniry hankalaza Fetin’Asa « Iray Mey »
Fa ianao mihitsy teo no nandrisika azy ireny
Mba hilahatra, hilaza ny ao am-pony sy hiteny

Ilay Akany teny Isotry efa rota sy nilaozana
Nandanianao « Miliara » ka nitafy fanavaozana
Hahazoana miadidy ireo mahantra sy sahirana
Ela tsy nahita mamy fa nigoka ny makirana.

Izao ankizy marobe no omena « Vaksiny »
Sy toloram-panafody, tsy tahaka ny fahiny.
Tanterakao ihany koa ny fampiharana lalĂ na
Mikasika ny fanorenana eto anivon’ny tanàna.

Ireo mpanaja ny lalĂ na dia tsy nanam-panenenana
F’ireo mpanao kinanga ihany no nibeso am-pitenenana !
Nony fe ankehitriny izay ireo samy nahatakatra
Samy miaiky ao am-po sady mahafantatra
Fa mivoatra ny tanĂ na, mihakanto izay banjinina
Resy lahatra avokoa ny « zatra làlana ririnina »

Ary izay ‘lay fitaizana hanovana ny fisainana
Hanasoavana tanàna sy ity « Tontolo iainana »
Ka rehefa tompon-tany, na vahiny izay mandalo
Dia miaiky avokoa fa miezaka Ravalo
Anefa ange ianao no teo, dia vao roa taona monja !
Saingy ireto asa vita tena ngeza sy mafonja.

Mbola azo anampiana ireny ilay toetranao miavaka
Sady iderana anao : olona sakaizam-bavaka
Misongadina amin’ireny ka tsy azo hadinoina
Ny fahitana anao manampy ny « Firaisan’ny Finoana »

Nanampy azy ireo ianao ary tsy nihafahafa
Satria ny tarigetranao : « Velona ho an’ny hafa ».
Mendrika holazaina izany fa filamatra nirin’-Ireo vahoaka ho an’izay mba Mpitondra nofidiny

Mbola be ny azo ambara itiavanao ny Malagasy
Fa aoka hajanoko eo aloha, feno ity ny taratasy 

Ny hany hamaranako azy : vetsovetso kely foana :
Roa taona, izay no vita ! Mainka moa fa dimy taona !

đŸȘ¶đ™đ˜Œđ˜żđ™Š (31-07-2001) – in. Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany."

Sary foin'i Marc Ravalomanana Ben'ny TanĂ na.

Araho ny pejintsika.

Zarao raha sitrakao.

đŒđšđ„đšđ đšđŹđČ đ­đŹđšđ«đš

Fanampin-daoka ny lasary,Fitafy Gasy ny malabary, lanjan'ny lanonana ny kabary. ----Rariana soa ny mpivady vao. 11 april...
11/04/2026

Fanampin-daoka ny lasary,
Fitafy Gasy ny malabary,
lanjan'ny lanonana ny kabary.
----
Rariana soa ny mpivady vao.

11 aprily 2026
Betafo

MANAO AZAFADY RE ROYNy saka raha homena taolana manao be fikory,ny omby raha homem-bilona manao be fambosika, ny kisoa r...
10/04/2026

MANAO AZAFADY RE ROY

Ny saka raha homena taolana manao be fikory,
ny omby raha homem-bilona manao be fambosika,
ny kisoa raha homena apombo mikesokesoka,
ny akoho raha tsipazam-potsimbary mitsaingotsaingoka,
isika kosa raha homem-pitenenana misantatra amin'ny AZAFADY, koa....
Azafady amin'ny sarambabe, miondrika aho izay vao mandeha,
Azafady amin'ny zoky sy zandry, ny voninahitra omeko sahady,
Azafady amintsika rehetra, ny fomban-drazana tsy asiako fetra.

✍ Soraty ao amin'ny fanehoan-kevitra teny fanehoana ny azafady avy aminao

Izany atao hoe mpanentan-danonona izany no andraikitra manindrify androany fa tsy ilay mpikabary toy ny mahazatra ka man...
28/03/2026

Izany atao hoe mpanentan-danonona izany no andraikitra manindrify androany fa tsy ilay mpikabary toy ny mahazatra ka mandra-piandry ny mpanambady dia makamaka sary aloha.
(NB: Manenjika Ramaria.)

Espace Diadema, Marodinta, Antsirabe
28 Martsa 2026

TAOM-BAOVAO MALAGASY: TSY FIRAVORAVOANA FOTSINY FA FANAPAHAN-KEVITRA Ho tsinana ny volana, ho alahamady ny andro. Fa mia...
18/03/2026

TAOM-BAOVAO MALAGASY: TSY FIRAVORAVOANA FOTSINY FA FANAPAHAN-KEVITRA

Ho tsinana ny volana, ho alahamady ny andro. Fa mialohan’ny hidirana amin'ny taona vaovao, misy zavatra iray tsy maintsy atao dia ny MIDIO.

Ny midio dia tsy fombafomba ivelany fotsiny fa fotoana iray hanapahana hevitra hiovana ho amin'ny tsara kokoa hatrany.
Inona no tsy nety tamin’ny taon-dasa ?
Inona no fahazarana nanimba anao ?
Inona no zavatra fantatrao fa tokony hialanao kanefa mbola tazoninao ?

- Diovy ny tranonao... fa ambonin’izany, diovy ny sainao.
- Mifamelà
 fa ambonin’izany, mialà amin’ny lolom-po.
- Mivavaha
 fa ambonin’izany, manapaha hevitra hanao zavatra tsara.

Tsy ny taom-baovao no hanova ny fiainanao fa ny fanapahan-kevitra ho raisinao.
Ka aza miditra amin’ny taona vaovao amin’ilay ianao taloha,
Aza mitondra fahazarana ratsy ho amin’ny ho avy.

Mirary taona zina, taona miavaka, taonan'ny fandresena, taonan'ny fiovana.

Address

Tomboarivo
Antsirabe
110

Telephone

+261325295882

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Andria Tahirisoa Mpikabary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Andria Tahirisoa Mpikabary:

Share