MM Creative Language Learning

MM Creative Language Learning Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from MM Creative Language Learning, Arts and entertainment, Antsirabe Afovoany.

🇲🇬🎯𝗣𝗲𝗷𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗹𝗮𝗻𝗴𝘂𝗲𝘀[🏞️ᴀᴜᴛᴏᴅɪᴅᴀᴄᴛᴇ🏞️,🌧️ ᴍɪᴀɴᴀᴛʀᴀ ᴀɴ-ᴛꜱᴇᴋᴏʟʏ 🌧️🌋ᴛᴇ ᴀʜᴀʏ ᴀɪɴɢᴀɴᴀ ʙᴇ🌋 ]
👨🏾‍🔬Torohevitra sy fikafika🕵🏽‍♂️
🧱Toerana tsara👀
🎯Resaka fahalalàna🧠

👨🏾‍🏫Torohevitra kely hoan'izay vao manomboka mianatra teny vahiny 🤓.👨🏾‍🔧Mangalà "video " 2 izay "naturel" tsara mifanara...
14/08/2025

👨🏾‍🏫Torohevitra kely hoan'izay vao manomboka mianatra teny vahiny 🤓.

👨🏾‍🔧Mangalà "video " 2 izay "naturel" tsara mifanaraka @ zavatra tianao.
Ohatra : Raha tia resaka hira Ianao,dia mangalà 2@ interview an'iny olona iny .

🤓Henoy foana iny isan'andro
[afaka atao hoe ilay voalohany androany sy rapitso dia ilay faharoa @ manaraka]
🔖Atao fanampin'izay fomba fianaranao isan'andro

📝👨🏾‍🔬 Antony
🎧Lasa zatra ny atidohanao ka lasa mora kokoa hoanao ny mianatra sy mitadidy
🎧Lasa tsara kokoa ny "accent sy ny prononciation" nao

🎯🤓:Na dia tsy misy azonao aza ,tsy maninona mihitsy
[henoy foana fotsiny ][rehefa manasa lamba ,mandamina trano etc ]

🤓Tsy resaka fanatsarana écoute no tena tanjontsika eto fa fanatsarana an'ilay
" long and short term memory"
👨🏾‍🔧Aza adino fa manana avantages foana ny "super fan" satria izy no mahazo info opportunité voalohany ary mahazo torolalana mazava tsara @ fomba fianarana

👋🤓Inona no lohahevitra mahaliana anao matetika?

👨🏾‍🔧 Mirary fahombiazana o

📚Maninona no tsy nisy "fizarana" tatoato ? [Satria nisy surprise nomanina]👋🤓Mianatra Allemand ve ianao? [Na Autodidacte ...
08/08/2025

📚Maninona no tsy nisy "fizarana" tatoato ? [Satria nisy surprise nomanina]
👋🤓Mianatra Allemand ve ianao? [Na Autodidacte ] te ahay aingana kokoa ve nefa tsy manana fotoana ,namana, na hoentimanana hanatrehana cours
🏅Club d'allemand B1🏅
Izay hifanampian'ny mpianatra [torohevitra,fifafika,sns]
2 heures/semaines.
[Miaraka mpampiofana mahakasika ny fomba fianarana teny vahiny irery sady aingana👨🏾‍🔬].

🎯 Raha misy zavatra tsy azo na tsy voafehy na tsy hay ny mianatra azy dia hoento daholo fa misy fikafika daholo izany rehetra izany .
👨🏾‍🔬 Olona 5 ihany sisa no afaka miditra satria efa feno ny toerana .

🎯🤓Ps:Tonga dia tsy miteny gasy intsony rehefa ao anaty salle fa "Allemand" foana [B1] (club d'étude sy pratique ilay izy fa tsy cours na dia misy fifampizarana be dia be aza)
"Tsy midika nefa izany hoe mila mahay be ianao,fa ataovy fomba hilazanao azy any dia mifanampy ny membres ny groupe manatsara azy avy eo "

🎟️6000 ar (enin'arivo)/mois [+ application filmes hianarana irery etc].🎟️

📝 Tanjona iombonana: B1-C1

👋🤓"Aza misalasala mihitsy manitsy raha misy tsipelina diso"
🔵Raha tsy tafiditra @ ity indray mitoraka ity ianao dia araho hatrany ity "pejy ity" fa misy torohevitra sy fifafika fianarana teny vahiny ato

📝🎯🤓Ps: Tsy maharitra ity offre ity fa hisaorana ny mpanaraka ny pejy fotsiny

👨🏾‍🔬🤓Andao hiresaka écoute indray 🎧🎯FANTATRAO  ve ity teknika iray ity?🤓Ity no antsoina hoe "Sandwich listening" Tsara b...
23/07/2025

👨🏾‍🔬🤓Andao hiresaka écoute indray 🎧

🎯FANTATRAO ve ity teknika iray ity?
🤓Ity no antsoina hoe "Sandwich listening"
Tsara be hoan'ireo "débutant"sy ireo sahirana @ écoute
👨🏾‍🔬Fanazavana aingana be👨🏾‍🔬

🥪VOALOHANY🎧Henoy @ ilay teny tianao ianarana aloha

🍔FAHAROA 🎧Henoy @ izay teny efa fantatrao [raha sarimihetsika na filma dia mora kokoa satria misy "version" maro samy hafa ireny
👀👨🏾‍🏫Ny ahy izao "les Simpson" no mahafinaritra ahy ny mijery azy [sarimihetsika io ]

🥪FAHATELO 🎧Henoy @ ilay teny vahiny foana amizay.

👨🏾‍🔬🎯Ireto no zavatra hitranga🎯

🕵🏾‍♂️Lasa miha tsara ny écoutenao
👨🏾‍🔬Lasa misy teny hainao hoazy
[Lasa azonao hoazy ny dikany na tsy mampiasa diksionera aza ianao]

🤓Ity koa misy fomba tsaratsara kokoa..
Mbola hitohy.


👨🏾‍🔬Mora ve sa sarotra ny" écoute" ,raha ny fahitanao azy ?

Aza misalasala mihitsy manoratra ao @ "commentaires "raha misy torohevitra tadiavinao na lohahevitra tianao horesahintsika @ manaraka.🤓

🕵🏾‍♂️Aza misalasala ihany koa manitsy izay tsipelina diso

👨🏾‍🔬 indray
👋🤓Mirary fahombiazana ooo🥪..

🌍 Fomba ahaizana teny vahiny  💡🕵🏾‍♂️👨🏾‍🔬 Famoronan-teny kely maraina..🎯Mianara voambolana 3 alohan'ny matory [na izay is...
16/07/2025

🌍 Fomba ahaizana teny vahiny 💡

🕵🏾‍♂️👨🏾‍🔬 Famoronan-teny kely maraina..
🎯Mianara voambolana 3 alohan'ny matory [na izay isa tianao]
Rehefa tafafoa ianao dia ny zavatra Ataovy voalohany dia ny mamorona fehezanteny 3 avy @ ilay teny nenaranao.
🤓Ohatra: nianatra ny hoe "kely " ianao omaly
🐰Rehefa mifoha dia mamorona fehezanteny 3 ohatra hoe.
👀 Kelidekeky ilay patalohako.
👀Mila mividy satroka kelikely aho
👀 Kely loatra ity kiraroko ity
[Vérifieo @ traducteur ihany hoe mety ve sa tsia]

🎯 @ manaraka indray ny tohiny

💬 Andao hifampizara:

🕵🏾‍♂️Inona no fomba itanao fa tsara ahaizana teny vahiny?🌟

🔵 Na sorato hoe "plus" raha nahaliana anao ity zara ity

[Aza adino fa misy groupe manokana ihany koa hoan'ny " top fan" ato @ pejy ,izay hizarana fomba miavaka hianarana teny vahiny aingana. Mazotoa hatrany mandray
Anjara mba hidirana ao anatin'ilay izy]
👋🤓 Mirary fahombiazana oo!!

👨🏾‍🔬[misy cadeau ao ambany ao]🏅👨🏾‍🏫Ny adidoha 🧠 dia toy ny "ozatra" , lasa matanjaka kokoa rehetra hampanaovina zavatra ...
09/07/2025

👨🏾‍🔬[misy cadeau ao ambany ao]🏅👨🏾‍🏫
Ny adidoha 🧠 dia toy ny "ozatra" , lasa matanjaka kokoa rehetra hampanaovina zavatra mafy

🎯 Io no antsoina "desirable difficulty" 🚧💡 — zavatra sarotra nefa ilaina mba hivoarana 🚀.
Rehefa mahita exercise 📄, écoute 🎧, na boky 📚 somary sarotra aminao dia iny mihitsy no hifantoy 🎯 satria iny no lakile 🔑
👉🏾 [Raha sarotsarotra aminao ilay izy 😵 dia hitondra fivoarana bebe kokoa 📈 raha toa ka hifantohanao 👁️‍🗨️]

👨🏾‍🏫 Ity no fomba hilazako azy:
🗣️ "Raha sarotra amiko ity 😤 dia midika fa hahay kokoa aho 🧠✨ aorian'ny fianarako an'ity🤑🤓"

𝐌𝐚𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐛𝐞 𝐢𝐨 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐢𝐨
[🏅📝 Io no antsoina hoe "growth mindset"]

📌 Mbola hitohy 🔄

✍🏾 Sorato hoe "better" raha tianao ho tohizana 🔁

❓Inona indray no tianao horesahintsika @ manaraka? 🤔📌💬

𝐏𝐒:🎁🥇 Ny super fan rehetra dia iangaviana handefa "mp"(hafatra miafina) miampy ny "capture d'écran" ny "commentaire" nataony t@ ity zara iray ity [ahitana hoe manana an'ilay badge ve sa tsia]

🤓 Satria ahazo fampianarana (fampiofanana) manokana mahakasika ny fomba fianarana teny vahiny aingana🎁 💫🔐


Mirary fahombiazana daholo ô👋🤓
indray
🎯M.M creative

🧬🗣 "Aza zatra mampiasa"diksionera " be loatra ”👨🏾‍🔬 Fanazavana ara-tsiansa sy psikolojika🔍 Rehefa mifantoka loatra amin’...
18/06/2025

🧬🗣 "Aza zatra mampiasa"diksionera " be loatra ”

👨🏾‍🔬 Fanazavana ara-tsiansa sy psikolojika

🔍 Rehefa mifantoka loatra amin’ny teny tokana isika, dia mamorona fomba fandikàna izay ara-bakiteny nefa hafahafa amin’ny olona miteny ilay fiteny.

🎯 Inona no vahaolana?
👉 "Input" madio sy mazava no lakile! Izany hoe:
📺 Mijery video,
📚 Mamaky tantara fohy,
🎧 Mihaino podcast amin'ny fiteny ianaranao, na dia tsy azonao 100% aza.

💥 Fa maninona izany no mandaitra?

🧠🔬 Ny atidoha dia “pattern recognizer”, izany hoe:

🎯Mandray fomba fiteny miverimberina

🎯Mahay maka hevitra amin’ny "context"

✔️Miaro anao amin’ny fandikàna ara-bakiteny (oh: “he is very hard🤦🏾‍♂️” raha tokony hoe "he is very good"😅(mafy be izy))

📌 Izany no atao hoe “comprehensible input” ➡️ Fomba iray hianarana fiteny amin’ny fomba voajanahary, tsy hoe teny fotsiny, fa ilay "fomba fiteny" mihitsy no raisinao.

🎤💭 Ohatra azo ampiharina:

📽️ Mijery “series” fohy amin’ny fiteny ianaranao
➡️ Miezaka manaraka ny “intonation” sy fomba filaza
➡️ Manoratra fehezanteny vitsivitsy amin’izay fomba fiteny henonao

💬

🧪 Bonus tip:
Raha te handika fehezanteny iray, jereo amin’ny boky na horonan-tsary hoe ahoana no filazan’izy ireo.
🛑
💬 Raha tianao ho tohizana dia soraty hoe "Input" ✍️
Na lazao hoe lohahevitra inona no tokony horesahintsika amin’ny manaraka? 🙌

Mirary fahombiazana hatrany ô👋😁

🧬🗣 “Rehefa mamerina amin’ny fomba isan-karazany ianao, dia miasa tsara kokoa ny atidoha!”👨🏾‍🔬 Fanazavana ara-tsiansaRaha...
11/06/2025

🧬🗣 “Rehefa mamerina amin’ny fomba isan-karazany ianao, dia miasa tsara kokoa ny atidoha!”

👨🏾‍🔬 Fanazavana ara-tsiansa
Raha te ahafehy fiteny ianao dia ny "retrieval practice", "spaced repetition", ary "interleaving" no tena mampiorina ny fahalalana.

🎯 Ireto no tohanan’ny siansa:

🔁 Retrieval practice – Miezaka mahatsiaro nefa tsy mijery.(Izay zavatra nianaranao)

📅 Spaced repetition – Mamerina amin'ny elanelan'andro voaomana.

🌀 Interleaving – Mampifangaro karazana fianarana (oh: miova lohahevitra kely, na mampidangaro lohahevitra samy hafa).

🎤💭 Ohatra:
Mianara voambolana anio
➡️ Avereno 2 andro aty aoriana
➡️ Avy eo amin’ny alahady (5 andro aty aoriana)
➡️ Rehefa miverina ianao dia andramo teny mitovitovy hevitra, saingy tsy mitovy fomba fampiasana ,na koa hoe mifandray @ ilay teny
[Oh : haiko izao ny miteny hoe "mandeha" fa ahoana indray ny hoe mitsoaka ,na manenjika etc..]
etc

🧠💥 Izany no manoritra lalana vaovao ao anaty "neural network"-nao.

💬 Te hahafantatra betsaka kokoa?
Soraty hoe "Learn" dia ho tohizantsika ity lohahevitra ity

👨🏿‍🔬Rehefa niveau intermédiaire (na B1-B2) matetika dia mandalo @ antsoina hoe " plateau" ny mpianatra (indrindra rehefa...
05/06/2025

👨🏿‍🔬Rehefa niveau intermédiaire (na B1-B2) matetika dia mandalo @ antsoina hoe " plateau" ny mpianatra (indrindra rehefa tsy mianatra any @ mpianarana).😳

🚆Izany hoe tsy dia mahatsapa fivoarana intsony (na mivoatra ihany fa kely) [otrizany mihitsy ny fiasan'ny atidohan'olombelona]

📖Ny antony dia tsy ho voatanisa eto daholo fa ireto no matetika miseho.
📝Tsy mianatra sy miezaka mafy intsony satria efa mahay maneho hevitra.
📝 Fampiasana fitaovana tsy mifanaraka @ niveaunao [sarotra loatra na mora loatra]
📝Tsy fantatra intsony izany tokony hianarana

Inona zany no tokony atao👨🏿‍🔬

📡Mampiasa ny antsoina hoe "deliberate practice" isika eto
🎯Ampitomboy isan'andro ny voambolana hainao, Alohan'ny matory dia valio ireto fanontaniana ireto:
👨🏾‍🏫"Inona daholo ny zavatra tsy fantatro t@ maraina nefa fantatro sy haiko mampiasa amin'izao"
👨🏾‍🏫 Inona no zavatra "roa" mbola tsy voafehiko tsara ,ka tiako ho hay rahapitso
[Ataovy mazava tsara iray valiny]

Mbola hitohy .......
🎯Sorato hoe "more" raha tianao ho tohizana izy lohahevitra iray ity

😳Fantatrao ve fa misy karazany roa ny "sarotra", ilay sarotra manampy anao (bebe kokoa noho ny "mora") sy ilay sarotra t...
28/05/2025

😳Fantatrao ve fa misy karazany roa ny "sarotra", ilay sarotra manampy anao (bebe kokoa noho ny "mora") sy ilay sarotra tsy manampy anao mihitsy ?👨🏿‍🔬

👀📝Antony
Rehefa manao zavatra sarotra ianao dia miova ny atidohanao [vakio ny lohahevitra efa noresahina teo aloha]

👀Raha toa ka mora loatra ny zavatra iray [ohatra hoe "exercise" "lesona" "resaka" ] dia tsy dia hivoatra firy ianao satria tsy misy"neuroplasticity " miseho.🧠
📝Hafatra hoan'izay tsy sahy miresaka satria matahotra fahadisoana

👨🏿‍🔬📔Ny fahadisoana ataonao dia mampirehitra ny atao hoe "ACC"🧠 ao atidohanao,izay manampy anao hahatsiaro an'ilay tokony ho izy [tsapanao io rehefa Miteny iny ianao dia mihevitra hoe "otriny diso izany an"]

Mbola hitohy....

🎯 Inona indray no tianao horesahintsika @ manaraka
🎯Sorato hoe "ACC" raha nahaliana anao ity zara iray ity

Mirary fahombiazana oo👋😁
MM creative

👨🏾‍🔬⚡Raha te ahay teny vahiny aingana dia tsy afaka miala @ famakiana lahatsoratra (boky, "articles" ...)   🔭🏅🥽 SATRIA N...
08/05/2025

👨🏾‍🔬⚡Raha te ahay teny vahiny aingana dia tsy afaka miala @ famakiana lahatsoratra (boky, "articles" ...)

🔭🏅🥽 SATRIA

Ny famakiana teny📖 dia mampitombo be ny "neuroplasticity"👨🏾‍🔬
satria mampiasa "region" be dia be ao @ atidohanao 📚📔🧠

💡[Working memory system, visual cortex, language, language-processing center etc]

TOP INFO:🏅"Region activé" betsaka = fifandraisana aingana kokoa= mahay aingana kokoa🏅

🧬Ny famakiana teny 📚dia manamafy ny antsoina hoe "schema🧠" na "mental model⚡🧠"(fitambarana "information" ao @ "long term memory")

Izay manampy anao ahay miteny misosa kokoa sy mampahay anao aingana kokoa ⚡⚡⚡⚡👀
👨🏾‍🔬Ny olona iray antsoina hoe "fluent" na hoe " mahafehy an'ilay teny vahiny" raha manana "schema " betsaka🏋🏾‍♂️⛹🏾‍♂️🤹🏾‍♂️


🎯Ny tokony atao ✊👀🤚
👀Mamakia boky , "articles" na "bande dessinées" na dia 15 minitra isan'andro aza
📡Misy application hoe "webtoon" izay hamakiana "bande dessinées" raha toa ka tsy zatra mamaky roman ianao

👀Rehefa mamaky boky dia aza zatra mampiasa rakibolana foana satria lasa manapaka an'ilay zavatra noresahina teo aloha [acquisition]

🎯 SORATO HOE " FLUENT" RAHA NAHALIANA ANAO ITY ZARA IRAY ITY

✏️📝 Inona indray no tianao horesahintsika @ manaraka?

🎯Mirary fahombiazana feno o👋👀
creative
🤹🏾‍♂️Aza misalasala mihitsy manitsy izay tsipelina diso 🤹🏾‍♂️

👨🏾‍🔬📝Erreur hitako ataony mpianatra teny vahiny matetika 🎯Autodidacte🎯   📝Tsy mahay manavaka ny atao hoe "fanangonana" i...
23/04/2025

👨🏾‍🔬📝Erreur hitako ataony mpianatra teny vahiny matetika

🎯Autodidacte🎯
📝Tsy mahay manavaka ny atao hoe "fanangonana" information sy ny "fianarana"
📝Ny my "surestimer " ny fahaizany ka lasa mandingandingana [manana voambolana betsaka nefa tsy hay ny tena fampiasana azy(structure sy bases) dia lasa sahirana ny olona mihaino azy ]
📝Ny mifantoka aloha loatra @ resaka "accent" sy "vitesse" ( nefa "pronunciation" no tokony hifantoana aloha)

Mpianatra an-tsekoly
👀Ny miankina be loatra @ mpampianatra [lasa tsy dia miezaka firy otriny autodidacte]
👀Ny tahotra (tsy sahy miresaka nefa avantage be ny fananana namana sy mpampianatra)
👀Ny tsy fahazotoana manao fikarohana

👨🏾‍🔬🎯Ny tokony atao
👨🏾‍🔧 "Na misy na tsy misy mpampianatra dia miankina tanteraka ny fivoarako"
👨🏾‍🔧 Mandamina tsara ny Fotoana"fanangonana " sy fianarana
👨🏾‍🔧 Mamaky boky "débutant " (online,be dia be) na dia hoe efa mahatsapa fa "niveau" ambony be aza.
[Ataovy daholo izay exercise misy ao ,raha tena "avancé" marina ianao dia tokony tsy hisy diso mihitsy ny valiny](indrindra ny autodidacte)]

Mbola hitohy .....
⛽Soratro hoe "focus" raha nahaliana anao ity zara iray ity
⛽ Misy torohevitra tadiavinao manokana ve?

🥗Aza misalasala manitsy izay tsipelina diso ary aza adino fa ny fianarana dia tantara mitohy foana 🧭

👋👀 Mirary fahombiazana ooo👋😁
MM creative 👨🏾‍🔬

👨🏾‍🔬Anisan'ny tena tiko ity teknika iray ity satria tsara be hoan'ny fitadidiana]🦸"Sady mamaky boky no miteny "🎯Fanazava...
17/04/2025

👨🏾‍🔬Anisan'ny tena tiko ity teknika iray ity satria tsara be hoan'ny fitadidiana]
🦸

"Sady mamaky boky no miteny "

🎯Fanazavana 🎯
📝Tsy mitovy @ famakiana boky tsotra ity iray ity satria (na tsy azonao aza ilay vakianao dia tsy mila mampiasa "diksionera " ianao )

📚🧠Niresaka mémoire isika teo aloha ity teknika ity dia mampiasa ny antsoina hoe "multiple encoding" (@ manaraka miresaka ny "dual coding" isika)

Izany hoe 👨🏾‍🔬👨🏾‍🔬👨🏾‍🔬 ...miasa daholo
👌Muscle memory: rehefa mamaky ianao
👌Auditory memory:henonao ilay feonao mamaky teny
Visual memory: satria mifantoka be @ ilay teny vakianao ianao
Contextual memory: satria misy "contexte ilay izy"
Io no antsoina hoe "production effect.”

Inona ary no tokony atao😱😱??

⌚ Mbola hitohy
Sorato hoe "Code " raha tianao ho tohizana ny resaka mitovy @ ity?

📝 Inona indray no tianao ho resahintsika @ manaraka (olana , teknika etc)

🎯Aza misalasala mihitsy manitsy izay tsipelina diso
Mirary fety sambatra oooo!!👋😁

Address

Antsirabe Afovoany

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MM Creative Language Learning posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share