13/08/2025
Aza misy miteniteny
Resaka miainga avy eny Anosikely
Manao azafady aho ry madimozely
Tsy hanao fitriatra 'zay mampiady angely
Fa resaka tsotra, atao tsy antery
Ilay kapisily manao feon-jorery
Masiaka tokoa toy ny tsiperifery
Fa tsy mba mijoro ho raiamandreny
Ka Tsy mila ankety parilemantera
Fa mpanao gazety tia mandany lera
Dia mandana mianatra sady mijery.
Boeing misy an'ilay 5R
Voafitak'isika, fa iny tsy very.
Fa efa voabizin'ny zanak'i R