03/09/2021
ADALANAO
Tsy mbola haiko ianao
na iza na iza..
na avy aiza na avy aiza
na haninona aty
dia niriko ho ahy sahady
adala aho
fa niriko ho sakaiza
omeko ny fitia
kanefa olona tsy fantatro
adala aho...adalanao
ka satriko hihaona isika
satriko hiresaka
satriko hiara-dia
fa iza loatra ianao e!?
tsy haiko nefa tiako
tiako hotantanana
tiako hiantsampazana
etsy aho orohy
tia anao aho orohy
fa mila anao ho namana
mila anao fitiavana
tsy mbola haiko ianao
fa tiako tsotr'izao
Hasambarana
Meja