01/03/2026
Azonao an-tsaina ve izany hoe any antany lavitra ianao kanefa dia raisin'ny olona rehetra ho toy ny ao antrano ?
Tena nahafinaritra loatra ny fandraisana tato amin'ny KAMAFA (Katedraly Mahafaly Fahazavana) Antsirabe.
Tsy nanano sarotra velively ny fikarakarana rehetra ny haingo isankarazany, ny fanamafisampeo sy ny sisa (ary dia tena lehibe tokoa ny fiangonana 🥰). Izaho manokana dia vao voalohany no nahita hoe hay ve misy fiangonana lehibe tahaka izao ao Antsirabe e 😊 tena kanto dia kanto.
Isaorana ny Mpitandrina sy ny mpiaramiasa aminy.
Izay 'lay hoe manome voninahitra an'Andriamanitra 🙏