Ny Ako

Ny Ako Aza dia variana amin'ny zavatra mandalo,
fa mba saino ihany ilay efa namonjy anao
koa raha anio iana

Anaro izay tsy mitoetra tsara ampaherezo ny malemy saina, mandefera

Folo taona izay Folo taona izay no lasa,Nihezaka aho ny nanadinoFolo taona tena ratsy,Ny izao mbola tsy mino.Any izay ia...
15/02/2026

Folo taona izay

Folo taona izay no lasa,
Nihezaka aho ny nanadino
Folo taona tena ratsy,
Ny izao mbola tsy mino.
Any izay ianao efa sambatra sy tretrika,
Izaho kosa ety rera-tsaina ka miheritreritra,
Valabalaka sy ketraka.

Toa tsaroako ery, dimy ambinifolo febroary,
Antso iray nampitaraina, naha valaketraka ny fo.
Hoe lasa hono ianao, tsy hafa-miverina intsony,
Dia navelanao teto aho, hitomany samy irery.

Mafy anie ka mafy e, nefa mba ho aiza moa ?
Tsiaro foana no miverina, rehefa andro toy izao.
Folo taona izay no lasa, fa ny tsiaro mbola eo foana.

Dimy ambinifolo febroary enina ambinifolo sy roa arivo,
Folo tao katroka androany anie e,
aza manahy ianao akory, fa ho avy aho,
Eny na dia tsy afa-miresaka akory aza.
Fa hanolo-bonikazo ho fahatsiarovana anao.

15/02/2026 02:25

Mety hoe : Fifaliana foana no tazana Amin'ny endriko,Eny endrika sariaka, mirana Eny foana.Tsy laviko izany fa izao no a...
12/12/2023

Mety hoe :
Fifaliana foana no tazana Amin'ny endriko,
Eny endrika sariaka, mirana Eny foana.
Tsy laviko izany fa izao no ataovy an-tsaina,
Ny tsapako ao anaty, tsy hainao ho zakaina.

Eny e, mety hoe :
Tsy misoritra amin'ny endriko ny aritina ao anatiko,
fa raha ianao no miaina sy maka indray ny toerako,
dia hiteny ianao hoe :
Mafy koa raha mafy izao entinao izao.

Fa amin'izao aloha hiteny hoe :
Mahereza, mitraka fa tsy vao ianao irery no miravaka izao.
Any ho any aza anie misy...mbola mafy noho ny anao.

Dia hoy aho hoe :
Eny any mbola misy mafy noho ny ahy,
saingy...
Ny ahy ankehitriny no hitako sy tsapako.
Reraka ny haiko, kely koa ny heriko;
vizana ny saiko misaina foana hoe :
Kely sisa dia ho tapitra, ho foana teo ny amiko.
Eny e, ekeko hoe tsy mora,
satria miha-maizina ny androko, amin'izao fotoana izao.
Fa hiezaka hifaly sy hitondra indray ny tsiky,
Mba ho tsaroinao foana rehefa iny aho ka dify.

Ny Ako

14/02/2023

Miarahaba ny mpifankatia rehetra dia mirary soa ihany koa.

Arabaina manokana i Jessi'ca Riella 😍❤😘

Address

Route Digue
Antananarivo
105

Telephone

+261344011009

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Ako posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Ny Ako:

Shortcuts

Share

Category