31/01/2025
(publication an'i Pst Tahiana)
Aza lany andro mangataka visa ho any Eropa fa Malaisie anie ka firenena efa mandroso be nefa tsy mila visa akory isika mankaty eh.
Nihaona tamin'ny mpianatra malagasy maromaro taty aho dia nazavaindry zareo tamiko ny fianarana sy ny fiainana aty ka ireto antony telo ireto no hamporisihiko anao hitodika kely aty indray aloha.
1- Mora fiainana be aty, ka raha kely budget dia aty no mety. Ampahatelon'ny fandanian'ny mpianatra any Eropa no lanin'ny mpianatra aty. Hevero fa 1L ny Essence = 2.000ariary. Mora kely ny mahita trano ho an'ny mpianatra. Raha izao ianao no misoratra anarana dia amin'ny Janvier efa manomboka. Ny frais mankaty miainga Tana mbola mora noho ny mandeha Eropa. Mahavelo tena tsara ny ankizy na vola avy any Mada aza no iainana.
2- Tsy mila visa isika mankaty, rehefa mahazo "lettre d'admission" avy amin'ny oniversity ianao dia tonga dia mahazo visa miaraka amin'iny koa hipetrahana aty mandrapahavitan'ny fianarana. Raha te hamangy anao ny RAD tsy mila maka visa raha vao latsaky ny iray volana fa tonga dia mividy billets dia tonga avy hatrany.Izay fandrosoana hitanao any Eropa hitanao aty daholo.
3- Nojereko ny Ranking "laharana maneran-tany" ny oniversity telo voalohany aty fa tena ambony be, ary ny lalam-piofanana ataon'ireo tanora malagasy nihaona tamiko taty ireo tena tsara be daholo, ilay zavatra hifampitadiavana amin'izao mihitsy. Tena nanontany tena aho hoe fa ahoana ary no tsy nahalalako ny taty hatramin'izay?
Mbola betsaka ny azo ambara fa raha mila fanazavana fanampiny ianao dia ity misy page ny ankizy aty Madagascar-Education-Bridge afaka hanontanianareo. Tandremo fa misy agence mampiomehy hono any Mada hoe mandefa ankiz makaty.
PS: Miteny anglisy aloha ny aty ah!!!
Mirary soa daholo ho anareo zandry maniry hianatra aty ampitandranomasina.
SOLI DEO GLORIA