09/12/2025
Raha azonao atao, anio dia mivavaha
Anio dia mibebaha fa...
Tsy fantatrao ny andro, hiavian'ny Tomponao
Sao anio no ora fara-hiainanao
Ka izao dia miomana
Izao dia mandehana, manomana ny hoavy
Satria....
Rafahafatesana???
Tsy hampilaza anao mihitsy izy
Izay no tadidio
Tsy hiteny mihitsy hoe, anjaranao anio
Fa ny tokony ataonao
Mitoky ilay Nahary izao rehetra izao
Fa efa atomotra ilay andro, tsy ho ela dia hotonga
Tsy ho ela dia ho ringana anaty iray minitra monja, izao tontolo izao
Koa raha manaiky ianao,
Ndao isika hanova,
Ary hiaraka handova, ilay lanitra vaovao
Ny Avo