27/06/2026
✝️Tsy voatery hitehafana foana, fa hisy fotoana koa ho henjehina
✝️Tsy voatery hotorahina voninkazo foana, fa hisy fotoana hotorahina vato
✝️Mety hisy fotoana tsy hoe mangina fa efa tena tsy mahateny intsony nefa toa ohatrany hoe mbola tsy miady ho anao izany "Jehovah" (amin'ny fahatsapana mahaolombelona)
✝️Mety hisy fotoana handalo olana, ary haiNY tsara mihitsy ny mamaha izany anatina segondra fa tsy hamaha IZY!!
(...)
👉Mpitoriteny 3:1
“Misy fotoana ho an’ny zavatra rehetra, ary fotoana ho an’ny raharaha rehetra ambanin’ny lanitra.”
👉Jakoba 1:2-3
“Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.”
👉Jeremia 29:11
“Fa Izaho mahalala ny hevitra heveriko ho anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza, hanome anareo fanantenana sy hoavy.”
👉Fitomaniana 3:31-32
“Fa tsy mandao mandrakizay ny Tompo… fa na dia mampijaly aza Izy, dia mbola mamindra fo.”
(...)
✨Safidy ny hanara-dia an'Andrimanitra dia mandeha, tsy hoe satria ho tahiana na miadana sy ho sambatra..
Fa mandeha satria izay mihitsy ilay tokony ho atao, izay ny marina ho anao!!
✨Satria na ny tehaka, na ny fanenjehana, na ny tora-boninkazo, na ny tora-bato, na ny ady, na ny fandresena, sy ny sisa rehetra dia mandalo avokoa izany..
🙌Mpitoriteny 1:2
“Zava-poana ny zava-drehetra, hoy ny mpitoriteny; zava-poana ny zava-drehetra.”
✨Jesosy no mitoetra, tsy miova na rahoviana na rahoviana, ary tokony hifikirana.
🙌Eksodosy 3:14b
“IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY.”
(...)
🙏Fanantenako IZY ary tiako ho Fanantenanao izay Mino AZY ihany koa!!
🥰Habakoka 3:17-18
“Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.”
---------------