20/12/2022
Ny tena fahasambarako ✍🏻
Tsy ilay ianao manaiky be fahatany ny hisalotra ny anarako
Na ianao manaiky tsy miambatra ny ho tantanako
Tsy ilay ianao manaiky hatrany ny ho malalako
Na ianao manaiky ny ho ravaky ny tokatranoko
No tena fahasambarako
Fa ...
Ianao manaiky ny ho tokam-po
S' ianao tsy hitambarako ihany koa
Ianao mihezaka mafy , sy mitolona am-bavaka
Mba hahatonga ilay fiarahantsika iny hiavaka
tsy ho lavon-drafahotana
Na ho difotry ny ditran'adalana
Fa...
Ianao mihitsy akia malala No tena fahasambarako
Ianao mihitsy no tokana mba fiadanako
Fanaperana✍🏻