05/01/2026
🌳🖤
🌳I Miangaly Elia , mpanakanto arak’endrika amam-bika nampiana-tena, dia mandinika sy maneho ny fiainan’ny olombelona amin’ny alalan’ny asany. Maniry ny hanohitra sy hanavao ireo fitsipika efa tafapetraka izy, ary ny fahatsiarovany ny fahazazany, ny nofinofiny, ny fihetseham-pony sy ny tontolo iainany no mitarika ny aingam-panahiny.
Amin’ny alalan’ny « dioramas », izay tena manavanana azy, dia manangana tontolo kely manokana izy, ifangaroan’ny fahatsiarovana sy ny nofy ary ny faniriana. Nanjary lasa seha-pamoronana manokana ho azy ireo asa-tanany ireo ka ahafahany mamolavola tontolo tony sy lavorary, lavitry ny fepetra sy fanerena ivelany.
Nianatra fahaizana maritrano izy ary mbola entiny amin’ny asany ankehitriny ilay fomba fijery ara-pamolavolana toerana toy ny trano, ny tanà na sy ny tontolo manodidina. Ny fianarana nataony, ny tantara, sy ireo fahatsiarovana poetika ananany no entiny mamorona seha-piainana madinika, indraindray manana endrika nofinofy, izay tiany zaraina sy ampidirina eo amin’ny tontolo misy antsika.
Manome endrika vaovao ireo sombin-javatra hita amin’ny andavanandro izy, ary ny hanome lanja, amin’ny fomba kanto sy malefaka ireo zavatra tsotra sy matetika adino no tanjony. Manasa antsika ary i Miangaly Elia mba hibanjina indray ny tontolo manodidina ary hamelona bebe kokoa ny fitiavana, ny fanajana ary ny fahalalahan-tsaina, ho an’ny tena sy ho an’ny hafa.
Mandritra ny fampirantiana , i Miangaly Elia dia mandalina ny fahatsiarovana raiketin’ny akora hazo.
🌳🌳Miangaly Elia , artiste plasticienne autodidacte, explore à travers ses œuvres les nuances de la condition humaine. Guidée par une volonté de remettre en question les normes établies, elle puise son inspiration dans ses souvenirs d'enfance, ses rêves, ses émotions et son environnement immédiat.
À travers ses dioramas, médium de prédilection, elle reconstruit des univers intimes où les souvenirs d'enfance, les rêves et les aspirations se mêlent. Ses maquettes, devenues son laboratoire créatif, sont autant de tentatives de donner vie à un monde idéal, loin des contraintes et des attentes extérieures.
Formée à l’origine en architecture, Miangaly Elia s'attache particulièrement à représenter des espaces familiers, tels que des bâtiments, des maisons ou encore des paysages urbains. En s'appuyant sur des références architecturales, des récits historiques, ou sur sa mémoire poétique, elle se propose de matérialiser des scènes de vie miniatures, parfois à caractère onirique, qu'elle souhaite partager et intégrer dans notre réalité.
Avec un regard artistique qui tend vers la sensibilité, elle cherche à sublimer les éléments souvent considérés comme insignifiants ou dépourvus d'intérêt. Voulant donner une seconde vie à ces fragments de réalité, elle invite le spectateur à questionner sa propre perception du monde et à cultiver un regard plus bienveillant envers soi-même et envers les autres.
Pour l’exposition de Antson'ny tontolo miaina, Miangaly Elia explore la mémoire contenue dans la matière du bois.