Miharisoa - Ny Pejy

Miharisoa - Ny Pejy Haikanto sy fanabeazana
Tononkalo sy fitiavana

LOLO ANGAMBA...Lafatra sy kanto tsy dia fahita loatraTazako nandalo indray hariva izayTovovavy iray izay manja tafahoatr...
23/04/2026

LOLO ANGAMBA...

Lafatra sy kanto tsy dia fahita loatra
Tazako nandalo indray hariva izay
Tovovavy iray izay manja tafahoatra
Nanaitra ny fitia natory hatramin'izay...

Dia nanofinofy hatrany ny hoe nifandamoro
Naminavina foana izay mety koa anarany
Dia lasa fahazarako ilay mijorojoro
Miandry an'azy handalo sao eto indray no làlany.

Fa andro maro izay, volana aza angamba
Sasatry ny niandry aho ka nahatsiaro valaka
Maraina sy hariva no niandry, tsy nitranga
Lolo angamba izy iny fa izaho no tsy ampy vavaka.

Fa na lolo aza ianao, ny foko tafalatsaka
Mipotraha indray mandeha dia ento zah hanaraka

✍️MIHARISOA
📜RedyRedy 23 aprily 2024

Address

Ankadikely
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Miharisoa - Ny Pejy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share