17/03/2024
"HIEZAKA"
Ezahako afenina ireo alaheloko
Ezahako afenina ireo sentoko
Ezahako afenina koa ny tomany
Ezahako ho fenoina mamy
Hiezaka aho ny ho faly
Hiezahako ho tampina ireo jaly
Hiezaka aho hanalavitra ireo toloko
Hiezaka aho,mba ho tony ny foko
Hiezahako ho mirana ny tavako
Hiezaka hanafina ny fitiavako
Hiezaka aho, hiezaka foana
Tsy maintsy mbola ho sitrana eny foana