16/03/2026
SOSO-KEVITRA HO AN'NY GOVERNEMANTA VAOVAO: FANOVANA RAFITRA IFOTONY EO AMIN'NY FAMPIANARANA
Tsy ny fanavaozana fotsiny no tadiavin'ny vahoaka fa ny fanovana rafitra ifotony. Mba tsy ho "teoria" fotsiny ny any an-tsekoly, fa vahaolana mivaingana ho an'ny hoavin'ny tanora sy ny toekarena.
Ito misy taranja teknika 5 (dimy) tokony hatao laharam-pahamehana alohan'ny hahazoana ny Bacc, mba ho lasa "Mpamorona asa" ny tanora fa tsy ho "Mpitady asa" intsony:
🌿 1. Agribusiness sy Fiompiana Modernina
Tanjona: Tsy hivarotra vokatra manta intsony fa hianatra hanodina izany (transformation) ho lasa vokatra manana vidiny lafo (vovony, menaka, sns).
💻 2. Teknolojia sy Niomerika (Digital Skills)
Tanjona: Hahafahan'ny tanora miasa na dia ao an-trano aza (Coding, E-commerce, Data) ho an'ny orinasa eto an-toerana na any ivelany.
☀️ 3. Angovo azo Havaozina (Solaire, Eolienne, Hydro)
Tanjona: Hamaha ny olan'ny herinaratra isan-tokantrano sy any ambanivohitra amin'ny alalan'ny fahaizana mametraka sy manamboatra fitaovana vokatra masoandro sy rivotra.
💎 4. Fitrandrahana Harena an-kibon'ny Tany sy Tontolo Iainana
Tanjona: Ho lasa manam-pahaizana mitantana ny harenantsika ny Malagasy (fanadiovana vato, fitrandrahana manara-penitra) sady miaro ny tontolo iainana.
🏗️ 5. Asa Tanana sy Fanorenana (Génie Civil)
Tanjona: Hanana mpanao trano matihanina mahay mampiasa akora eo an-toerana sy mahay mamaky "plan" hananganana fotodrafitrasa maharitra.
Any aminao ny fanalahidy Andriamatoa Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON! Ny fanovana rafitra no antoky ny fahaleovantena ara-toekarena.