TROPY ILO

TROPY ILO Tropy Ilo, tropy mpanandratra ny hasin'ny Teatra Malagasy Misy zokiolona efa 85 taona koa anefa ao amin'ny Tropy.

Ny Tropy ILO dia tropy nitsangana ny 28 Oktobra 2008, raha toa ka efa aman-taonany maro talohan'io izy no niorina fa nantsoina kosa tamin'izany hoe Tropy Georgette. Mpilalao eo amin'ny 20 eo no mandrafitra ny Tropy ankehitriny. 70% amin'izy ireo dia tanora latsaky ny 35 taona avokoa. I Noelitiana RANDRIATSITOHAINA no mitantana ny tropy ary i Haja RAVALOSON no Mpandrindra an-tsehatra ny Tropy ILO.

Ity farany moa dia tsy iza fa zanaka lahy an'i Charles RAVALOSON (1915-1985), isan'ireo Malagasy voalohany nalefan'ny Fanjakana Malagasy hianatra teatra tany ivelany tamin'ny taona 1930 tany ho any ary nanangana ny FMTM (Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy) tamin'ny taona 1951. Ny Tropy ILO tokoa dia anisan'ny tropy mpikambana ao anatin'ny FMTM.

Ireo solotenan'ny TROPY ILO tamin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny TEATRA omaly 27 marsa 2026 tao amin'ny H...
28/03/2026

Ireo solotenan'ny TROPY ILO tamin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny TEATRA omaly 27 marsa 2026 tao amin'ny Hall Lapan'ny Tanana Analakely โค๏ธ

26/03/2026

Hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Teatra karakarain'ny FMTM sy ny Tananan' Antananarivo. Zoma 27 Martsa 2026 amin'ny 6 ora hariva!
Ho fanandratana ny Teatra Malagasy!

FANASANAFiaraha-mientana ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Teatra! Hiarahana amin'ny Ministera Serasera sy n...
21/03/2026

FANASANA

Fiaraha-mientana ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Teatra! Hiarahana amin'ny Ministera Serasera sy ny Kolontsaina.
Zoma 27 Martsa 2026 - IVOKOLO Analakely
Manomboka amin'ny 10 ora maraina

๐Ÿค—๐Ÿฅฐ
03/03/2026

๐Ÿค—๐Ÿฅฐ

Tontosa ny Alahady 22 Febroary 2026 lasa teo ny fifidianana izay birao vaovao hitarika ny FMTM mandritra ny efatra taona manaraka. Miarahaba ireo voafidy hiantsoroka izany asa izany!

19/01/2026
โœจ Izahay mpikambana rehetra eo anivonโ€™ny Tropy ILO ๐ŸŽญ dia miarahaba antsika rehetra mpanaraka anay sy mpankafy ny teatra ...
19/01/2026

โœจ Izahay mpikambana rehetra eo anivonโ€™ny Tropy ILO ๐ŸŽญ dia miarahaba antsika rehetra mpanaraka anay sy mpankafy ny teatra Malagasy nahatratra ity taombaovao 2026 ity. ๐ŸŽ‰ Enga anie ity taona ity hitondra soa sy fahasalamana ary fahombiazana ho antsika rehetra ! โœจ๐Ÿ’–๐Ÿ™Œ

๐Ÿ‘‰ Ny sabotsy faha 17 janoary lasa teo no tontosa ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2026 teo anivonโ€™ny Tropy ILO.
Fotoana manan-danja niarahana nisalahy sy nikorana tao anatinโ€™ny firavoravoana sy hafaliana tanteraka. ๐Ÿฅ‚๐Ÿฅฐ

๐Ÿ“Œ๐Ÿ“ฃAminโ€™ity taona ity dia manomana fiseharana roa izahay, zay kasaina atao ny volana May ny voalohany, koa manasa antsika rehetra hanaraka hatrany ny pejy fa ho ampahafantarinay miandalana anareo eo ihany ny mikasika izany.

Mandrampihaona vetivety ary dia mirary soa hatrany o ! ๐Ÿ‘‹

Androany 28 Oktobra no tsingerintaonan'ny Tropy Ilo, koa miara-paly aminareo mpankafy izahay fa  nahatratra ny faha 17ta...
28/10/2025

Androany 28 Oktobra no tsingerintaonan'ny Tropy Ilo, koa miara-paly aminareo mpankafy izahay fa nahatratra ny faha 17taona nijoroanay โ˜บ๐Ÿฅณ๐ŸŽ‰๐ŸŽŠ Teo foana, eo ary mbola ho eo hatrany, vonona hitondra avo ny HASIN'NY TEATRA izay himasoanay ๐Ÿ‘Œ๐ŸปNy Teatra dia Kolontsaina, Soatoavina ary Fiainana afaka mitondra fivoarana ho an'ny Mpiara-belona, mila izany ny Firenentsika amin'izao, mankahery ny mpikambana rehetra tsy handraraka ILO mby an-doha amin'ny fampiroboroboana izany ๐Ÿฅฐ๐Ÿ˜

Efa teo am-panomanana indrindra ny seho izay ho mariky ny tsingerintaona hatolotray ho anareo mpankafy izahay, no nisy ireny toe-draharaha teto amin'ny firenena ireny, koa ialana tsiny indrindra raha voatery tsy maintsy hanemotra izany fotoana izany ๐Ÿค—

Manantena hihaona aminareo tsy ho ela fa aza manalavitra anay ๐Ÿ˜

15/09/2025

TEATRA MALAGASY - TSY HO ELA...

Salama indray e ! ๐Ÿค—Itony sarivongana madinika na "figurines" ๐Ÿงโ€โ™‚๏ธ๐Ÿงโ€โ™€๏ธ itony indray no malaza tato ho ato zay o ? โ–ถ Mba n...
15/09/2025

Salama indray e ! ๐Ÿค—

Itony sarivongana madinika na "figurines" ๐Ÿงโ€โ™‚๏ธ๐Ÿงโ€โ™€๏ธ itony indray no malaza tato ho ato zay o ?

โ–ถ Mba nindraminay ihany koa ny fahaizana artifisialy na "IA" anio entinay hanolorana anareo sombiny amin'ireo ๐™Š๐™‡๐™Š๐™‰๐˜ผ ๐™๐˜ผ๐™‰๐™๐˜ผ๐™๐˜ผ๐™„๐™‰๐˜ผ na "personnages" ao anatin'ilay Tantara izay ho lalaovinay TROPY ILO amin'ny volana Oktobra ho avy izao.

๐Ÿ‘‰ Ao anatin'izany no hahitanareo an'i : RANDRETSA, RAHARY, RANDRESY, RAHANTA, RAZAKA, RAFALY, NDREMBA, FANJA.

๐Ÿ“ฃ Mbola ho ampahafantarinay anareo eo moa ny andininy rehetra momba izany hetsika izany fa manasa anareo hanaraka hatrany tsy tapaka ny pejy e ๐Ÿฅฐ

โœจ Mirary fanombohan'ny herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra o !

Eo ampanomanana hatrany ny seho manaraka
04/08/2025

Eo ampanomanana hatrany ny seho manaraka

Faly miarahaba antsika rehetra indray ! Eto am-panomanana tantara an tsehatra vaovao ny ๐“๐ซ๐จ๐ฉ๐ฒ ๐ˆ๐ฅ๐จ amin'izao fotoana ! ๐ŸŽญ ...
10/03/2025

Faly miarahaba antsika rehetra indray !

Eto am-panomanana tantara an tsehatra vaovao ny ๐“๐ซ๐จ๐ฉ๐ฒ ๐ˆ๐ฅ๐จ amin'izao fotoana ! ๐ŸŽญ

โœจ Topi-maso kely momba ny fanomanana : Fantatrao ve fa mialoha ny hiakarana an-tsehatra, dia efa iainana tanteraka ny teatra? Ireto misy dingana roa lehibe eo amin'ny fikarakarana ataonay :

๐Ÿ“– ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐‡๐€๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐‹๐€๐‡๐€๐“๐’๐Ž๐‘๐€๐“๐‘๐€ ( รฉtude de texte) :

Dingana lehibe ahafahanay mandalina ny tantara :

โœ”๏ธNy vinavinanโ€™ny mpanoratra
โœ”๏ธNy fifandraisanโ€™ny mpilalao
โœ”๏ธNy herinโ€™ny tantara.

Ao anatin'izany dingana izany no manao ny antsoina hoe "๐‹๐ž๐œ๐ญ๐ฎ๐ซ๐ž ๐šฬ€ ๐ฅโ€™๐ข๐ญ๐š๐ฅ๐ข๐ž๐ง๐ง๐ž" : Fomba fianarana mahomby ahafahanโ€™ny mpilalao mamaky haingana ny lahatsoratra, izay manampy aminโ€™ny :

โœ”๏ธFanatsarana ny fifanakalozan-kevitra
โœ”๏ธFanamorร na bebe kokoa ny fitadidiana ny andian-teny
โœ”๏ธFiomanana aminโ€™ny fisehoana an-tsehatra kinga sy mirindra tsara

๐€๐ซ๐š๐ก๐จ ๐ก๐š๐ญ๐ซ๐š๐ง๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ฉ๐ž๐ฃ๐ฒ raha te ahafantatra misimisy kokoa ny momba ny fanomananay ity tantara vaovao ity ianao !

Sary vitsivitsy nanamarika ny fifampiarahabana tratry ny taona nataon'ny mpikambana ๐“๐‘๐Ž๐๐˜ ๐ˆ๐‹๐Ž tamin'ny Sabotsy 18 janoar...
22/01/2025

Sary vitsivitsy nanamarika ny fifampiarahabana tratry ny taona nataon'ny mpikambana ๐“๐‘๐Ž๐๐˜ ๐ˆ๐‹๐Ž tamin'ny Sabotsy 18 janoary lasa teo.

Address

Antanimena
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TROPY ILO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share