21/10/2020
Ny angano, ny ankizy
Mbola manabe sy mitaiza ny ankizy ve ny angano ankehitriny ?
Anisanâny fitaizan-tsaina mampiavaka ny Malagasy tokoa ny angano. Tantara noforonina avy aminâny zava-misy hita teny aminâny fiaraha-monina izy io. Ny reny na renibe no mitantara angano aminâny zanany taminâny andro taloha ary eo amorom-patana no fitantarana azy, alohanâny hatory. Fananarana sy fampianarana ny ankizy hanatsoaka lesona no tanjonâny angano fahiny. Ny lehibe no mitantara mba tena hiraikitra ao an-tsainâny ankizy tokoa ny anatra entiny. Aiza ho aiza Ă ry no toeranâio angano io aminâny fitaizana sy ny fanabeazana ny ankizy malagasy ankehitriny ?
Fitaovana fanabeazana ny angano satria manefy ny maha olona ny olona ary manoro ny ankizy ny lalana tsy maintsy lalovanâny olombelona sy ny tranga mety hisy any aminâny fiaraha-monina misy azy (fahaterahana, fianarana, fomba amam-panao, fahafatesana, harena, fahantranaâŠ). Mahatonga ny ankizy hahaleo tena haingana ny fahazarany mihaino angano sy maka lesona aminâny alalanâny angano, maharesy ny tahotra vetivety kokoa izy aminâizany. Ankoatra izay, mitondra fahalalana maro momba ny teny malagasy ihany koa ny angano noho ireo voambolana samihafa ampiasainâny mpanoratra ao. Manitatra ny sainâny ankizy hivoatra aminâny tontolo manodidina azy. Hoy indrindra i Alexianne, mpianatra kilasy famaranana, momba izany : « efa ela Bebeanay no nitantara angano taminay. Rehefa miala sasatra any, taminâny kilasy fahaenina, dia tamana ery mihaino angano. Aminâilay feony milantolanto maha te hihaino foana. Mahafinaritra koa ilay adihevitra aminay samy ankizy aorianâny fihainoana angano. Hahalalana zavatra maro ».
Ankehitriny, sehatra vitsy sisa no ahitana izany fitantarana angano izany ary aminâny fotoana voatokana ihany koa. Toy ny fandaharana mahakasika ny ankizy aminâny haino aman-jery sasany, ny mpampianatra aminâny sekoly sasany izay mahafoy manokana fotoana ho anâny ankizy sy ny literatiora malagasy. Anisanâizany i Haritiana Laska, hoy ny filazany : « tena tianâny ankizy ny angano rehefa hainao ny mampita azy. Tsy hoe ny sekoly misy ahy no mitaky fa izaho mpampianatra mihitsy no mahita ny fitiavanâny ankizy azy dia te hitantara foana. Izay hita fa mahaliana ny ankizy sy mifanaraka aminâny taonany rahateo no tantaraina aminy ».
Tsy ny angano hotantaraina akory no tsy misy na ny mpitantara no tsy manao ny asany fa ny fomba malagasy mihitsy no efa voatsindrinâny teknĂŽlĂŽjia vaovao. Miroborobo tokoa ny teknĂŽlĂŽjia vaovao aminâizao vanim-potoana izao. Tsy ny teknolojia vaovao anefa no ratsy fa ny tsy fahaizana mampiasa azy no miteraka fahasimbana eo aminâny hoavinâny zaza malagasy. Raha horaisina aminâny fototra niainganâny angano voalaza tetsy ambony mantsy ny zava-misy ankehitriny, mila tsy hahazo ny anjara toerany sy ny anjara asany tany aloha intsony izany angano izany. Voasoratra ho boky ny angano nefa ny zaza malagasy aza kamo mamaky boky malagasy. Natao hotantaraina ange ny angano satria lahabolana e! natao hotantaraina io, hoy ny Ntaolo zokintsika. Firifiry aminâny ankizy ankehitriny moa no mahalala ny tantaranâIkotofetsy sy Imahaka, Rapeto sy Rasoalao, Imbahitrila⊠sy ny anatra fonosinâireny tantara ireny ?
Firifiry koa ny ray aman-dreny mbola manabe ny zanany aminâny alalanâny angano? Mirona kokoa aminâny fijerena sary miaina vahiny (dessin animĂ©e) sy ny tantara mitohy an-tsary (bande dessinĂ©) aza ny ankizy aminâizao fotoana izao. Azo alefa aminâny fahitalavitra koa ange ny angano tantaraina e ! « Raha samy tantaraina, tsy misy tsy mampitovy ny alefa aminâny CD sy ny mivantana. Azo atao tsara ny mamoaka CD angano saingy vitsy ny mpanao izany » hoy Rakemba Raketamavo, mpitantara angano. Fa maninona anefa no tsy mahaliana ny ankizy sy ny ray aman-dreny izany mihoatra anâireo sary miaina vahiny isan-karazany ireo ? Hoy indrindra ny navalinâi Boeza Mandrindra, mpampianatra sady mpitarika ankizy skoto, raha nanontaniana momba izany : « aminâizao fotoana dia tsy mahaliana ny ankizy intsony ny angano. Ny antony : Fantatra anarana sisa. Efa simbanâny teknĂŽlĂŽjia ny sainy ka raha vao mitantara dia hoe: tsy zazakely izy ireo. Tsy misy intsony ny fampahafantarana ny ankizy aminâizao fotoana izao. Na misy aza ilay fandaharana aminâny RNM, tsy henoiny satria lazainâizy ireo fa ojam-peonâny olona antitra ny radiom-pirenena. Ilay fitaizana ankehitriny mihitsy no efa tsy aminâizany intsony. Raha oharina aminâny sary miaina aza ity angano ity, ny sary miaina no mahaliana kokoa, indrindra itony manga itony. Tsy hita anefa izay tombon-tsoa betsaka azo avy aminâireny fa dia fialam-boly no zava-dehibe. Tsy mahasolo toerana ny angano tantarainâny reny sy ny renibe velively anefa ireny ».
Na dia misy aza ny angano voasoratra, ny sary miaina vahiny, ny tantara an-tsary, sns, ny fifandraisana mivantana eo aminâny ray aman-dreny sy ny zanaka hamafisinâny angano fa tsy hitanâireo zava-baovao ireo ; ny anatra eny anivonâny fiaraha-monina malagasy sy ny firaisan-kina asongadinâny angano, toa afeninâny sary miaina sy ny tantara mitohy an-tsary. Fivoaranâny teknĂŽlĂŽjia izany, fandrosoana izany, iraisanâizao tontolo izao izany. Soa aza fa mbola misy ny ivon-toeranâny kolontsaina vitsivitsy sy ny haino aman-jery sasany eto Madagasikara, manome lanja ireny literatiora malagasy ireny ka tsy mahavery anarana azy. Tsy ny fandrosoanâny fotoana akory no hampiova ny anatra hoentinâny angano, tsy ny fiovanâny vanim-potoana no hahafoana ny fanabeazana azo avy aminy, fa ny fahaizana mankafỳ sy ny fankasitrahana ny maha malagasy no mahavanona ny taranaka. Manabe ny ankizy aminâny lafiny rehetra ny angano: ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy.
Sandra Rabearimalala