Tia Angano

Tia Angano Ny Eja sy ny asa soa ho an'ny ankizy: fanampiana sy fanohanana ireo ankizy sahirana . Pejy natokana mba hanohanana ireo ankizy .

Asa soa ataon'i Ny Eja ho fanohanana ireo ankizy sahirana.

vaicalon
09/11/2021

vaicalon

iloveitsomuch
21/10/2021

iloveitsomuch

24/04/2021

31/12/2020

, dia miarahaba antsika mpanaraka ny pejy nahatratra ny taona 2021 đŸ˜ŠđŸ„°

21/10/2020

Ny angano, ny ankizy

Mbola manabe sy mitaiza ny ankizy ve ny angano ankehitriny ?
Anisan’ny fitaizan-tsaina mampiavaka ny Malagasy tokoa ny angano. Tantara noforonina avy amin’ny zava-misy hita teny amin’ny fiaraha-monina izy io. Ny reny na renibe no mitantara angano amin’ny zanany tamin’ny andro taloha ary eo amorom-patana no fitantarana azy, alohan’ny hatory. Fananarana sy fampianarana ny ankizy hanatsoaka lesona no tanjon’ny angano fahiny. Ny lehibe no mitantara mba tena hiraikitra ao an-tsain’ny ankizy tokoa ny anatra entiny. Aiza ho aiza àry no toeran’io angano io amin’ny fitaizana sy ny fanabeazana ny ankizy malagasy ankehitriny ?
Fitaovana fanabeazana ny angano satria manefy ny maha olona ny olona ary manoro ny ankizy ny lalana tsy maintsy lalovan’ny olombelona sy ny tranga mety hisy any amin’ny fiaraha-monina misy azy (fahaterahana, fianarana, fomba amam-panao, fahafatesana, harena, fahantrana
). Mahatonga ny ankizy hahaleo tena haingana ny fahazarany mihaino angano sy maka lesona amin’ny alalan’ny angano, maharesy ny tahotra vetivety kokoa izy amin’izany. Ankoatra izay, mitondra fahalalana maro momba ny teny malagasy ihany koa ny angano noho ireo voambolana samihafa ampiasain’ny mpanoratra ao. Manitatra ny sain’ny ankizy hivoatra amin’ny tontolo manodidina azy. Hoy indrindra i Alexianne, mpianatra kilasy famaranana, momba izany : « efa ela Bebeanay no nitantara angano taminay. Rehefa miala sasatra any, tamin’ny kilasy fahaenina, dia tamana ery mihaino angano. Amin’ilay feony milantolanto maha te hihaino foana. Mahafinaritra koa ilay adihevitra aminay samy ankizy aorian’ny fihainoana angano. Hahalalana zavatra maro ».
Ankehitriny, sehatra vitsy sisa no ahitana izany fitantarana angano izany ary amin’ny fotoana voatokana ihany koa. Toy ny fandaharana mahakasika ny ankizy amin’ny haino aman-jery sasany, ny mpampianatra amin’ny sekoly sasany izay mahafoy manokana fotoana ho an’ny ankizy sy ny literatiora malagasy. Anisan’izany i Haritiana Laska, hoy ny filazany : « tena tian’ny ankizy ny angano rehefa hainao ny mampita azy. Tsy hoe ny sekoly misy ahy no mitaky fa izaho mpampianatra mihitsy no mahita ny fitiavan’ny ankizy azy dia te hitantara foana. Izay hita fa mahaliana ny ankizy sy mifanaraka amin’ny taonany rahateo no tantaraina aminy ».
Tsy ny angano hotantaraina akory no tsy misy na ny mpitantara no tsy manao ny asany fa ny fomba malagasy mihitsy no efa voatsindrin’ny teknîlîjia vaovao. Miroborobo tokoa ny teknîlîjia vaovao amin’izao vanim-potoana izao. Tsy ny teknolojia vaovao anefa no ratsy fa ny tsy fahaizana mampiasa azy no miteraka fahasimbana eo amin’ny hoavin’ny zaza malagasy. Raha horaisina amin’ny fototra niaingan’ny angano voalaza tetsy ambony mantsy ny zava-misy ankehitriny, mila tsy hahazo ny anjara toerany sy ny anjara asany tany aloha intsony izany angano izany. Voasoratra ho boky ny angano nefa ny zaza malagasy aza kamo mamaky boky malagasy. Natao hotantaraina ange ny angano satria lahabolana e! natao hotantaraina io, hoy ny Ntaolo zokintsika. Firifiry amin’ny ankizy ankehitriny moa no mahalala ny tantaran’Ikotofetsy sy Imahaka, Rapeto sy Rasoalao, Imbahitrila
 sy ny anatra fonosin’ireny tantara ireny ?
Firifiry koa ny ray aman-dreny mbola manabe ny zanany amin’ny alalan’ny angano? Mirona kokoa amin’ny fijerena sary miaina vahiny (dessin animĂ©e) sy ny tantara mitohy an-tsary (bande dessinĂ©) aza ny ankizy amin’izao fotoana izao. Azo alefa amin’ny fahitalavitra koa ange ny angano tantaraina e ! « Raha samy tantaraina, tsy misy tsy mampitovy ny alefa amin’ny CD sy ny mivantana. Azo atao tsara ny mamoaka CD angano saingy vitsy ny mpanao izany » hoy Rakemba Raketamavo, mpitantara angano. Fa maninona anefa no tsy mahaliana ny ankizy sy ny ray aman-dreny izany mihoatra an’ireo sary miaina vahiny isan-karazany ireo ? Hoy indrindra ny navalin’i Boeza Mandrindra, mpampianatra sady mpitarika ankizy skoto, raha nanontaniana momba izany : « amin’izao fotoana dia tsy mahaliana ny ankizy intsony ny angano. Ny antony : Fantatra anarana sisa. Efa simban’ny teknĂŽlĂŽjia ny sainy ka raha vao mitantara dia hoe: tsy zazakely izy ireo. Tsy misy intsony ny fampahafantarana ny ankizy amin’izao fotoana izao. Na misy aza ilay fandaharana amin’ny RNM, tsy henoiny satria lazain’izy ireo fa ojam-peon’ny olona antitra ny radiom-pirenena. Ilay fitaizana ankehitriny mihitsy no efa tsy amin’izany intsony. Raha oharina amin’ny sary miaina aza ity angano ity, ny sary miaina no mahaliana kokoa, indrindra itony manga itony. Tsy hita anefa izay tombon-tsoa betsaka azo avy amin’ireny fa dia fialam-boly no zava-dehibe. Tsy mahasolo toerana ny angano tantarain’ny reny sy ny renibe velively anefa ireny ».
Na dia misy aza ny angano voasoratra, ny sary miaina vahiny, ny tantara an-tsary, sns, ny fifandraisana mivantana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka hamafisin’ny angano fa tsy hitan’ireo zava-baovao ireo ; ny anatra eny anivon’ny fiaraha-monina malagasy sy ny firaisan-kina asongadin’ny angano, toa afenin’ny sary miaina sy ny tantara mitohy an-tsary. Fivoaran’ny teknĂŽlĂŽjia izany, fandrosoana izany, iraisan’izao tontolo izao izany. Soa aza fa mbola misy ny ivon-toeran’ny kolontsaina vitsivitsy sy ny haino aman-jery sasany eto Madagasikara, manome lanja ireny literatiora malagasy ireny ka tsy mahavery anarana azy. Tsy ny fandrosoan’ny fotoana akory no hampiova ny anatra hoentin’ny angano, tsy ny fiovan’ny vanim-potoana no hahafoana ny fanabeazana azo avy aminy, fa ny fahaizana mankafỳ sy ny fankasitrahana ny maha malagasy no mahavanona ny taranaka. Manabe ny ankizy amin’ny lafiny rehetra ny angano: ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy.

Sandra Rabearimalala

đŸ’„đŸ’„Maro tokoa no nifampizarana tao anatin'izay valo taona niarahana teto izay. đŸ’„đŸ’„đŸ’•Koa tsy hay ny tsy hanolotra fisaorana ...
07/10/2020

đŸ’„đŸ’„Maro tokoa no nifampizarana tao anatin'izay valo taona niarahana teto izay. đŸ’„đŸ’„
💕Koa tsy hay ny tsy hanolotra fisaorana feno anareo mpanaraka ny pejy.💕
đŸ”„Ary mampanantena ihany koa fa mbola betsaka no hiarahana.đŸ”„

mirary krisimasy sambatra ho an'ireo ankizy! ity misy  sary asa soa nataonay  tany Tsiroanomandidy
23/12/2019

mirary krisimasy sambatra ho an'ireo ankizy! ity misy sary asa soa nataonay tany Tsiroanomandidy

Miaraka ain'ny  ankizy  nandritra ny  hosotra  vehivavy Filamatra ho an'ny miraleta 2019 sokajy Mpanoratra !😘
01/04/2019

Miaraka ain'ny ankizy nandritra ny hosotra vehivavy Filamatra ho an'ny miraleta 2019 sokajy Mpanoratra !
😘

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tia Angano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Tia Angano:

Share