18/08/2026
«Ato am-poko no iraketako ny teninao , mba tsy hanotako aminao .» Sal 119.11
Tenin'Andriamanitra efa haintsika loatra sady heno matetika no hakantsika lesona androany.
Indraindray isika mihevitra hoe: fa maninona ary aho no te- hanao zavatra tsara fa ny ratsy foana no vitako. Maninona aho no te- hiteny fahasoavana nefa teny ratsy sy fanesoana s'y fanejehana olona na mifosa namana foana no vitako??
Ny Antony dia tsy tafaraikitra ao am-po ny Tenin'Andriamanitra.Mandalo ao amin'ny saina fotsiny , mandalo fotsiny ,vakina fotsina fa tsy tafatoetra ao am-po.
Tadidio fa rehefa tafatoetra ao amintsika ny Tenin'Andriamanitra dia Omen'Andriamanitra antsika ny zavatra rehetra izay fantany fa mahasoa antsika amin'ity fiainana ity.
Manomboka androany ary dia andao haraikitra ao am-po ny Tenin'Andriamanitra MBA ho afaka amin'ny fahotana isika. Ny olona tsy ampy Tenin'Andriamanitra manko dia mora tafalatsaka amin'ny fahotana, fa isika kosa dia hiteny tahaka an'ity mpanao salamo ity hoe:«Ato am-poko no iraketako ny teninao , mba tsy hanotako aminao» Sal 119. 11😊