GRAAF Mitory @ alalan'ny comedie musicale,... Tsy manavaka anaram-piangonana! Jesosy Tokana Ihany! Mbola avela hanjaka ve ny ratsy?? Andao ee!!! Fiadanana anie ho anao!

Mbola avela tsy hahalala ve ny tsy mahalala?? Miandry anao, miandry antsika ny FAHAFAHANA ao amin'ny Tompo. Andao hiara-hientana hahatonga olon'afaka. Sahia hiara-hiteny aminay GRAAF hoe:" Inty aho, iraho aho"isaia: 6: 8b

Ny GRAAF dia alavaina amin'ny hoe: "Groupe Artistika Akon'ny Fanantenana", ivondronan'ny olona rehetra mino an'Andriamanitra sy Jeso Kristy maty ho famonjena antsika ka nitsanga

na hanome antsika fiainam-baovao, olona vonona ny hitory: hampahafantatra ireo mbola tsy mahalala, hanafaka ireo mbola voageja (sampy....) amin'ny alalan'ny talenta maro isan-karazany: hira sy mozika, dihy, teatra, comedie, mime....
Izany hoe: tsy mifidy antokom-pinoana fa rehefa vonona ianao, dia roso ny dia ho amin'ny firaisan-kina amin'ny asa fitoriana ny filazantsara.
11 taona amin'ity taona ity izao no niorenan'ny GRAAF, tanora tao amin'ny ZAFIAFA (ZAnakam-pielezana Ambodivato FAnantenana) no niandohany fa noho ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ny maha iray antsika ao amin'ny Tompo sy ny tokony iraisantsika hina handresena ilay ratsy no antony nanokafana ny GRAAF ho fikambanana tsy miankina amin'ny fiangonana ka afaka miditra avokoa izay te hiara-hientana rehetra amin'ny asa fitoriana. Maro ny asa efa vita nandritran'izay fotoana izay: tafika masina alavitra (Maevatanana-majunga, Vatomandry, Ankilizato-Morondava, sns....), tafika masina akaiky ( Mananjara, Ambodivato, Rasalama, Anjozorobe, Ankazobe, Amboasary kely, Ampitatafika sns ..... ), asa sosialy (famangiana ny voafonja, fizaràna: fitafiana, akanjo, kojakoja) fa mbola maro be koa ny asa miandry antsika manoloana izao zava-misy rehetra izao. "Inty aho, iraho aho", io no teny faneva ato amin'ny GRAAF. Afaka miara-miasa amin'ny endrika isan-karazany ihany koa ny GRAAF raha mitondra mankany amin'ny tanjona hatrany izany.

08/05/2026

Mila Anao-Pst Jocelyn

J-1🎉🎉📣📣 Aiza daholo isika namana, mpikambana efa nandalo tao amin'ny   ee❗️Faly manasa anao izahay hiara-hiombom-bavaka ...
13/12/2025

J-1🎉🎉
📣📣 Aiza daholo isika namana, mpikambana efa nandalo tao amin'ny ee❗️

Faly manasa anao izahay hiara-hiombom-bavaka sy hanontrona ny famaranana ny fankalazana ny faha 20 taona ny graaf🥰

👉🏻 Daty : 14 Desambra 2025
👉🏻Toerana : Institution Marthe Hervée (67ha - Ankasina)
👉🏻Ora : 9 maraina

Manantena ny fahatongavan-tsika rehetra ary eee🙏🏻

📢📢 Aiza daholo isika Ambodivato sy manodidina eee❗️Ny GRAAF dia faly manolotra anareo, comédie musicale "TSIMBADIKA" 🎉👉🏻...
04/08/2025

📢📢 Aiza daholo isika Ambodivato sy manodidina eee❗️

Ny GRAAF dia faly manolotra anareo, comédie musicale "TSIMBADIKA" 🎉
👉🏻Atao ao @ FJKM Ambodivato Fanantenana
👉🏻 Sabotsy 09 Août 2025
👉🏻 Ora : 6 sy sasany Hariva

TSY MISY VIDIM-PIDIRANA FA RAKITRA NO HO TATAZANA ‼️‼️

Tongava maro eee🥰

Manasa antsika rehetra ho avy🥰🙏🏻
30/04/2025

Manasa antsika rehetra ho avy🥰🙏🏻

26/04/2025

🎬COMEDIE MUSICALE "FIDIO ANIO" - GRAAF 20 ANS 📢🎊
[BANDE ANNONCE]🎬

📅 Alahady 1️⃣1️⃣ mai @ 2 ora tolakandro
📍Toerana : Grande Salle Institution MARTHE HERVEE Ankasina - 67ha
👉Fivarotana tapakila : Eny an-toerana na miantso avy hatrany ny laharana 034 44 914 08, na mandefa hafatra miafina

Tongava maro ary ohhhh☺️

Tonga ary ity ilay fotoana📣📣❌ PROJECTION COMÉDIE MUSICALE "FIDIO ANIO" izay sangan'asa an'ny GRAAF sady ho fanamarinana ...
26/04/2025

Tonga ary ity ilay fotoana📣📣

❌ PROJECTION COMÉDIE MUSICALE "FIDIO ANIO" izay sangan'asa an'ny GRAAF sady ho fanamarinana ny nahatratra ny faha 20 taona🎉🎈🎁

👉🏻Fotoana: Alahady 11 Mai amin'ny 2 ora atoandro
👉🏻Toerana : Grande salle ny Institution MARTHE HERVÉE Ankasina- 67ha
👉🏻Fivarotana tapakila : Eny an-toerana na miantso avy hatrany amin'ny laharana 034 44 914 08, na mandefa mp ‼️

Koa Manasa antsika rehetra ho tonga maro ary eee‼️

Kankana sy olitra...Vahiny sy mpivahiny daholo! Mandalo sy miserana avokoa isika rehetra..Ny  , ny   izao ihany no antsi...
02/05/2024

Kankana sy olitra...
Vahiny sy mpivahiny daholo!
Mandalo sy miserana avokoa isika rehetra..
Ny , ny izao ihany no antsika sy ananantsika,
Ny sy ny ankamantatra!!!

'𝙉𝙙𝙖𝙤 𝙝𝙞𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙞𝙝𝙞𝙧𝙖 𝙚!2.Raha misy fahoriana'Zay midona aminao,Raiso re ho fitahiana'Zay omen'ny Tomponao;Fa ny lalam-pi...
30/04/2024

'𝙉𝙙𝙖𝙤 𝙝𝙞𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙞𝙝𝙞𝙧𝙖 𝙚!

2.
Raha misy fahoriana
'Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
'Zay omen'ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
'Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan'ny herinao.

3.
Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
'Zay rehetra vitanao.

4.
Ry Jesosy! hantajaho
'Ty mpanolo-tenanao,
Miangavy, mitalaho,
Ka iteneno, Tompo ô!
Aoka re ho tena taho
'Zay mikambana aminao,
Ka ny foko halalaho,
Diovy ho Tempolinao.

Entre tes mains j'abandonneTout ce que j'appelle mien.Oh ! ne permets à personne,Seigneur, d'en reprendre rien ![C]Oui, ...
08/03/2024

Entre tes mains j'abandonne
Tout ce que j'appelle mien.
Oh ! ne permets à personne,
Seigneur, d'en reprendre rien !

[C]
Oui, prends tout, Seigneur !
Oui, prends tout, Seigneur !
Entre tes mains j'abandonne
Tout avec bonheur.

Oui, prends tout, Seigneur !
Oui, prends tout, Seigneur !
Sans rien garder, je te livre
Tout avec bonheur.

Teo foana Ianao tsy mba nanary ahy! Teo foana Ianao, tsara foana tamiko Ianao!
29/02/2024

Teo foana Ianao tsy mba nanary ahy!
Teo foana Ianao, tsara foana tamiko Ianao!

Address

Antananarivo

Telephone

+261340625972

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GRAAF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to GRAAF:

Shortcuts

Share