Natiora Aina

Natiora Aina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Natiora Aina, Art, Talatamaty, Antananarivo.

Rdt ( RANDRIANILAINA Diary tsilavina )

Raisiko ny peniko ary akorisako ny rano maity ,
dia soratako tsy hiato ny vetsovetso ao ampoko
Ary tsy ijanona aho raha mbola misy koa ny azo soratana

MIFOHAZA RY MALAGASYOry malagasy a! mba tongava saina fa ho simba i Gasikara raha izao no mitoyHo potika tanteraka anie ...
23/09/2025

MIFOHAZA RY MALAGASY

Ory malagasy a! mba tongava saina fa ho simba i Gasikara raha izao no mitoy
Ho potika tanteraka anie ity firenena mba tongava saina fa efa maro ireo nafoy
Aza avela ho verimaina ireo rá nalatsaka tamin'ny tolona fahiny
Antsika i Madagasika ka andao harovana tsy ho lasan'ny vahiny

Efa ela isika no nijaly ,nijaly nandevozon'ny ireo mpanjana-tany
Efa ela isika no niafy nizaka ny mangidy niaritra ny mafy
Ka fotoana ary izao mba tongava saina . andao havondrona ny hery
Andao hiaraka anala ireo tsy maty manota sy ireo mpaneritery

Efa fotoana izao hofohazan-tsika gasy
fa efa leo ny fijaliana sy ny fiainan-dratsy
simba loatra ilay nosy nahafinaritra fahiny
atramin'ny haren-tsika ary efa lasan'ny vahiny
mba tongava saina fa hijaly ny taranaka raha izao no tsy mifarana
ny androany ho vita hiany fa mba saino ny hoavy ! (aiza no hiafarana )

Nareo ve tsy efa leo amin'ity vidi-mpiainana miakatra isan-ora
tsy mba efa tofoka ny tsy fananana Asa sy tsy fanana-mbola
dia tsy mahakivy neny mijery ny fako etsy sy eroa
Ny ataon'ny JIRAMA koa efa mankarary loha !

Mifohaza ry Malagasy ,mitsangana dia andao
Efa ampy izay mifihaza hoa enao
mifohaza dia andao avondrona ny hery
Isika rehetra no miaraka , I MADAGASIKARA tsy ho very

NATIORA Aina (RDT)

‎Misaotra !‎‎Misaotra anao ombieny nampianatra namindra sy nizara aretim-po‎Ireny vita rehetra ireny no isaorako anao na...
02/09/2025

‎Misaotra !

‎Misaotra anao ombieny nampianatra namindra sy nizara aretim-po
‎Ireny vita rehetra ireny no isaorako anao na dia nankarary loha
‎De misaotra anao hatrany fa ampy ataoko anatra hanitsiko ny ao aloha
‎Dia misaotra ,
misaotra anao nizara ,nizara halahelo nampitsiry ny ambom-po.

‎Dia misaotra anao nandratra fa raha tsy izany aho tsy tonga saina hoe :
‎Izay tiako rehatra tsy voatery ho tia ahy indraindray ko mangaina .

‎Dia misaotra anao!
‎Misaotra anao hatrany nampirotsaka tomany
‎Nampizatra ity masoko hamofy tongolo.
‎Dia misaotra bediabe tamin'ireo teny mamy fa ...
‎Ampy hisainako ny hoavy anovako ny tontoloko.

‎Bediabe ny vitanao fa misaotra anao nitia
‎Ataoky mahafaly ny fiarahan-tsika roa na tsy naharitra hodoria

‎ Natiora aina ! (RDT)

16/07/2025

NATIORA Aina ♠️

Address

Talatamaty
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Natiora Aina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category