Ny Aina Mpikabary

Ny Aina Mpikabary ▪️Mpikabary
▪️Mpanentana lanonana
▪️Maître de Cérémonie (MC)
☎️:0341837788(WhatsApp)

23/08/2026

«Manisa midina ohatra ny miompy akohokely.»
Tena marani-tsaina ho'ah ny Ntaolo e !!!

Hafatra ho antsika amin'ity alahady ity.Lalim-pandinihana nama ilay Ntaolo.   ! ⚠️𝗙𝗔𝗗𝗜𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗗𝗬◾"𝗙𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗸𝗲𝗹𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗼𝗮 𝗯𝗲 ...
23/08/2026

Hafatra ho antsika amin'ity alahady ity.
Lalim-pandinihana nama ilay Ntaolo.
!

⚠️𝗙𝗔𝗗𝗜𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗗𝗬
◾"𝗙𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗸𝗲𝗹𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗼𝗮 𝗯𝗲 𝘀𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗽𝗶𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗻𝘆.
𝗧𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗸𝗮𝘆, 𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗶𝘁𝘀𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗻𝗼 𝗵𝗶𝘁𝗼𝗺𝗮𝗻𝘆, 𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗮𝗵𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝘃𝗲𝗻𝗼𝗻𝗮, 𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗶𝗸𝗼𝗿𝗼𝗿𝗼𝗸𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗻𝗼 𝗱𝗶𝘁𝘀𝗼𝗸𝗮.
𝗞𝗮𝗻𝗲𝗳𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗱𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗺-𝗯𝗼𝗱𝗼, 𝗳𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗼 𝗳𝗼 𝗻𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝘀𝗮𝘃𝘆."


Ny Aina Mpikabary
[ ]

Andao aloha hiverenana itony zavatra efa hay itony sao hadino e !◽ ATSANGA: Fasika miharo tany sy fako izay entin'ny ria...
22/08/2026

Andao aloha hiverenana itony zavatra efa hay itony sao hadino e !

◽ ATSANGA: Fasika miharo tany sy fako izay entin'ny riaka noho ny orana.
👉 "Dobo tototra atsanga.
👉" Aza ny atsanga tsy aman'orana no alahatra."

◽ BODO: Olona manana toetra toy ny zaza, tsotra loatra.
Zaza bodo: zaza saina sy fihevitra.
👉" Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy. "

◽ BABANY : zavatra tsara sy mhafinaritra.
👉 "Papangolahy anaty katsaka, izay mivoaka babany avokoa."

🙏
"𝑰𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂, 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂 𝒂𝒊𝒏𝒂."
Ny Aina Mpikabary [[ ]]
📸 Sary tsy misy idirany 😁

Lalim-pandinihana nama ilay Ntaolo   ! ⚠️ 𝗧𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝗺𝗼 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗼"𝑭𝒂 𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒎𝒃𝒂 𝒎𝒂𝒅𝒊𝒐 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒏'𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂;𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒊𝒓𝒚 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒎-𝒑𝒐𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂...
21/08/2026

Lalim-pandinihana nama ilay Ntaolo !

⚠️ 𝗧𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝗺𝗼 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗼

"𝑭𝒂 𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒎𝒃𝒂 𝒎𝒂𝒅𝒊𝒐 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒏'𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂;
𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒊𝒓𝒚 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒎-𝒑𝒐𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂; 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒂𝒓𝒂 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒎-𝒃𝒊𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂; 𝒏𝒚 𝒂𝒌𝒐𝒉𝒐 𝒇𝒐𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒎-𝒃𝒐𝒓𝒐𝒏𝒂; 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒛𝒐 𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒂𝒍𝒂𝒏-𝒅𝒓𝒊𝒗𝒐𝒕𝒓𝒂."
Ny Aina Mpikabary
[ ]

Ny filazantsika an'ohatra ny olona mpiaraka foana na mianatsimo, na mianavaratra matetika dia « SALAKA SY RAVIM-...» 🤣 s...
20/08/2026

Ny filazantsika an'ohatra ny olona mpiaraka foana na mianatsimo, na mianavaratra matetika dia « SALAKA SY RAVIM-...» 🤣 satria io no mba haintsika.

Tadidio anefa fa na dia ohabolana aza izany dia fidina ihany ny olona sy ny toerana hitenenana azy, sao mandratra ny hafa.
Ireto azo asolo azy :
▪️ Toy ny vary sy rano.
▪️ Sahala ny tolana sy varavarana.
▪️ Toy ny sakamandimby sy haratra.
▪️ Ohatra ny falafa sy raty... sy ny maro tsy voataria.
Ny Aina Mpikabary

Lalim-pandinihana nama ilay Ntaolo.  !!!⚜️ Tsinjovy ihany ny farany e !Fa aza manao didiko fe lehibe. Aza manao tsindrio...
20/08/2026

Lalim-pandinihana nama ilay Ntaolo.
!!!
⚜️ Tsinjovy ihany ny farany e !

Fa aza manao didiko fe lehibe.
Aza manao tsindrio fa lavo amina olo-meloka. Aza manao tsindry hazo lena amina olona diso, fa tsy misy mpanefy natao tsy ho may, tsy misy mpatsaka natao tsy ho lena ary olombelona anie miloloha lanitra, ka mety ho lena, mandia tany, ka mety ho solafaka, fa lozan'izay manao to fo.
Ny Aina Mpikabary[[ ]]

Lalim-pandinihina nama ilay Ntaolo⚠️ FANDRARANA TSY HISAO-BADY:"Aza sodokan'ny hisao-bady sao toy ny akanga miditra an'a...
16/08/2026

Lalim-pandinihina nama ilay Ntaolo

⚠️ FANDRARANA TSY HISAO-BADY:
"Aza sodokan'ny hisao-bady sao toy ny akanga miditra an'ala: mandositra ny erikerika madinika, kanjo kotsan'ny patrakala vaventy.
Ny randram-bao mahataitra; ny zanak'olon-tsy vadiana toa hendry ary izay tsy an'ny tena toa soa.
Ny vao tsy manitra no ratsy, fa rehefa tonta sahala ihany.
Tano ny azo fa ny olombelona tsy ilaozan-kilema. "

"𝑰𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂, 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂 𝒂𝒊𝒏𝒂. "
Ny Aina Mpikabary
[ ]
📸 Sary tsy misy idirany 😁

   « Fanafondin-dRabetsiafindra, mahay ho an'olona, fa tsy mahay ho an'ny tena.»Rabetsiafindra dia isan’ireo olona nonin...
15/08/2026


« Fanafondin-dRabetsiafindra, mahay ho an'olona, fa tsy mahay ho an'ny tena.»

Rabetsiafindra dia isan’ireo olona nonina teo Ambilanibe fahiny, ary nalaza noho ny fanomezam-pahasoavana nananany teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Nampiasainy hanaovan-tsoa ho an'ny mpiara-belona taminy izay narary izany talentany izany, ka maro no nahita fanasitranana.

Indrisy anefa fa, na dia nahay nanasitrana ny hafa aza Rabet­siafindra, dia tsy afa-bela tamin’ny aretina ihany koa izy.
Indray andro, narary mafy ny tongony sady nivonto be. Noho izany dia nitady ny fomba rehetra izy mba hitsabony tena; saingy tsy nety sitrana.

Noho io toe-javatra nifanohitra tamin’ny fiainany io dia nipoitra teo ny fomba fiteny hoe : «Fanafondin-dRabetsiafindra, mahay ho an'olona, fa tsy mahay ho an'ny tena.»

Lasa tantara tsy fanadino io tranga niainan-dRabetsiafindra io, ka zary namoronan'ny olona ohapitenena-maneso sy mandraby azy.
Ny heviny ankehitriny kosa dia enti-milaza ny olona izay mahay mamaha ny olanan’ny hafa, kanefa tsy mavaha ny manahirana ny tenany.

Mampianatra antsika izany fa tsy voatery avaha ny olany foana ny olona mahay manoro lalana ho an'ny hafa; Koa ny fifampitsinjovana sy ny fifanohana no tokony himasoantsika mandrakariva.

🙏

"Izay mampita fahalalana, mampita aina."
Ny Aina Mpikabary [[ ]]
📸 Sary tsy misy idirany 😁

Faly miarahaba anareo nahavita soa ny fanateram-bodiondry.Mankasitraka ny mpitondra teny ihany koa nifanolo-kasina e !Ny...
14/08/2026

Faly miarahaba anareo nahavita soa ny fanateram-bodiondry.
Mankasitraka ny mpitondra teny ihany koa nifanolo-kasina e !
Ny Aina Mpikabary

FAMERENANA   "Dodoky ny aivony, ka homam-bary tsaitsainy. " Enti-milaza olona maika sy dodona loatra, ka tsy tomombana n...
13/08/2026

FAMERENANA

"Dodoky ny aivony, ka homam-bary tsaitsainy. "

Enti-milaza olona maika sy dodona loatra, ka tsy tomombana na tsy vita tsara ny zavatra izay ataony,hany ka mitera-pahavoazana ho azy ihany !

Mba hahafana manazava ny niavian'io ohapitenenana io dia andao hofantarina ireo dingana telo ny fitotoam-bary:
1- AIVONY NA AIVOKA (maivoka): dingana voalohany amin'ny fitotoam-bary alohan'ny tsaitsainy. Rehefa maivoka ny akotry totoina ao an-daona ( miendaka ny ampombo mahery), dia hofaina eo ambony sahafa; iny no atao hoe "Aivony na vary vao rovi-doha".

2- TSAITSAINY :Averina ao an-daona indray ny vary voahofa, ka totoina fanindroany indray, ary loarana hofaina fanindroany koa rehefa avy eo, ary efa ampombo malemy no miala eo, dia efa vitsy sisa ny akotry aminy. Iny indray no atao hoe "TSAITSAINY" na tsaitsaibary.

Hoy ny ohabolana : "Mahandro vary TSAITSAINY, ka ao am-bava no mifantina akotry."

3-MAMOTSY VARY ;Averina totoina ho fotsy ao an-daona fanintelony, ity dingna farany ity atao hoe :mamotsy vary
dia loarana hofaina farany rehefa tsy misy akotry intsony; ary tena malemy ny ampombo miala farany eo !

"𝑰𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂, 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂 𝒂𝒊𝒏𝒂."
Ny Aina Mpikabary
[ ]

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Aina Mpikabary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share