27/11/2025
https://www.facebook.com/share/1Bz9Tt65jS/
Maro ve ny mindrana vola any aminao?
Ianao ve tsy mahita hoe: mariky ny "fitiavana" ilay tsy manome trosa?
Amin'ny ankapobeany mantsy dia tsy mahatsara fihavanana mihitsy ny fifampitrosana.
Mahasorena be ny mahita azy mi-selfie n'aiza n'aiza miaraka amin'ny champagne sy voiture de luxe nefa aty aminao izy milaza fa marary mafy, manao traitement e, voaroakan'ny tompon-trano hono e...
Za mahita hoe ny tsy fampindramanao vola azy dia fitandroana fihavanana mba tsy ho rava.
Ireto misy vahaolana roa afaka atao amin'ireny mpihindran-dava ireny:
- Raha hanome ihany dia aleo ilay tsy averina; raha mihindrana 500ar izy dia omeo 40ar tsy averina.
- Manoloana an'ilay olona mitrosa in-2 isan-kerinadro dia : au lieu de hanome an'ilay vola ianao dia ampindramo: machine à coudre izy hiasany na four électrique, na angady, fer à souder sy matériel de bricolage, na harato hahafahany manarato…
Zaro ny namana, havana sy ny sisa hahatsapa ny lanjan'ny hatsembohana.
Zaro izy tsy hihaingo eo ambony tsikoko; rehefa tsy manambola dia mandeha tongotra fa tsy mangataka frais taxi foana.
Hoy bebe-anay izay hoe: "Aza miaina fiainana tsy zakanao; ao anatin'ny hanohanana no mety hitsiry ilay déclic sy idées de business"
Tsara ity alakamisy ity