Ventson'ny sasak'alina

Ventson'ny sasak'alina ❤ Tk❤

Diso aho!!!Malala a,tena nitia aho tokoa ianaoIndrisy ,tsy mba tsapako anefa izanyFa ,fitaka no mba nasetriko hoanaoEny,...
15/01/2025

Diso aho!!!
Malala a,tena nitia aho tokoa ianao
Indrisy ,tsy mba tsapako anefa izany
Fa ,fitaka no mba nasetriko hoanao
Eny,vitako hatramin'ny nandao ny akany

Tojo ny ankanga tsara soratra tokoa
Dia, nanary ny akoho tamanan- trano
Ireo toky sy Dina niarahana natao
Tao zàry faona,adinoko avokoa

Indrisy anefa ianao ,
Tao tsy mba sasatra nitia
Manao izay rehetra azo atao
Mba hampodiana ilay sakaiza nania

Malala a, efa tonga saina aho izao
Mifona fa tsy hamerina intsony
Eny e,reraka ny adalana natao
Tsy mba nitsinjo izay hiafarana akory

Neniko ny tsy nitia sy nanaja anao
Malala a!!! inty aho fa hody amin'izay
Efa tofoky ny ditra,tena menatra ny natao
Efa tena vonona ny hanonitra ny vita hatr'izay

Ankehitriny ,vao tsapako fa,
Na dia maro aza ny tsara
Dia hafa ihany ilay mitsinjo ny any afara
Ilay manam- panahy tsy mba toy ny hafa

Malala a,raha toa ka azonao atao
Ireo lasako adaladala indrisy re fafao
Fa ny hoavintsika indray no ndeha ho banjinina

Diam- penin'i
Tsoa kwel
15/01/2025

Indrisy !!!Malala a !toa henoko fa lasa hony ianaoLasa,nandao izao tontolo izaoLavo ,lavo noho ny adalakoIndrisy aky rah...
09/01/2025

Indrisy !!!
Malala a !toa henoko fa lasa hony ianao
Lasa,nandao izao tontolo izao
Lavo ,lavo noho ny adalako
Indrisy aky rahavako

Tena nitia aho tokoa raha ianao
Niaretanao daholo ny adalako
Hopa ,teny marary lava izao
Efa nozakainao daholo

Malala a, efa tonga aho,efa niverina
Efa vonona ny anonitra ny lasako
Ehhh!!!..indrisy aky rahavako
Efa lasa ianao vao tao amiko nenina

Raha mba najaiko tokoa mantsy ianao a
Angamba ,tsy mba nitranga izao
Neniko e,neniko avokoa
Indrisy ,efa tena tara tokoa

Veloma aky rahavako😫😫💔
Veloma sisa no mba azoko atao
Satria aza aho na hifona eto ombieniombieny
Ianao efa tsy afaka miteny

Ry namako,ralahiko
Efa ampy lesy izay a
Ekeko ela fa tsy very izay sipa iray
Fa tsarovy fa, hafa ihany izy
Ilay niara niaratra tamla ny mafy sy ny mangidy
Ny nenina lesy tsy aloha fa ao afara
Sao mantsy lasa izy vao ahatsiaro nenina
Indrisy lesy e,efa tara
Efa ela no mba tiany
Dia mba hajao aloha ny fisiany


Diam- penin' i
Tsoa kwel
09-01-2025

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ventson'ny sasak'alina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category