17/08/2026
" MPANDRESY ANAO "
Handray fitahiana lehibe ianao manomboka anio.
Ny fatorana sy ny fanahianao rehetra dia hario.
Raiso Jesosy Tompo mba hiditra an-tsehatra eo amin'ny fiainanao.
Fa izay natombokao dia tsy maintsy ho vitanao.
Angataho Ilay herin'ny Fanahy Masina mba hanolo-tsaina.
Sokafy ny varavaram-ponao toy masoandro izay miposaka vao maraina.
Omeo laka Jesosy mba hitoetra sy hanjaka.
Dia aoka ny tena sy ny fanahinao no hijoro sy hitraka.
Mifalia amin'ny fanantenana fa mpandresy ianao.
Ireo ady izay lalovanao izao dia tsy natao haharava anao.
Olon'afaka ianao sady efa voavidin'ny ràn'i Kristy.
Nateraka mba handresy fisedrana mandra-pahatongavanao ary! ( amin'ny tanjona ).
Miareta amin'ny fahoriana ary mahareta amin'ny fivavahana.
Reseo avokoa izay mety ho sakan-tsakana hibahana.
Aza atao hampihemotra anao fa vao mainka anangona hery.
Ho lehibe ny hiafarana koa matokia fa tsy miady irery.
Jesosy no itokio fa tsy maintsy vitanao io⚠️
འ.لąօʂìղ🗞️