Fitia Rasoanirina

Fitia Rasoanirina Izay safidiko anio👇
No mamaritra ny ho aviko🙏
Ny ratsy no fadiko❌
Ny tsara no tadiaviko👍

Any androAny andro mbola ho tsapanao ny hoe :     Hay izy ilay tsy dia nasiana sira      No hany mba tena tiaHay izy ila...
26/01/2026

Any andro

Any andro mbola ho tsapanao ny hoe :
Hay izy ilay tsy dia nasiana sira
No hany mba tena tia

Hay izy ilay tsy dia norarahiana
No hany tokana mba nankafia
Ny misinao rehetra

Hay izy ilay nitsahina ,natao toy ny fako
No hany mba nanaja
Ny voady nitambarana

Hay izy ilay tokana nisarahana
No tena nahavita nikarakara
Nanome mihoatra noho ny hafa

Fa any andro mbola ho tsapanao ...
Mino aho fa tsy ho tara ianao
Amin'izay fotoana izay

Fanaperana✍🏻

Marary💔, marary hoy aho ny any anatiko any💔😥Toy ny hoe misy afo maimaivay tsy mety ho tony🤧Toa misy feo mibitsika izany ...
02/12/2025

Marary💔, marary hoy aho ny any anatiko any💔😥
Toy ny hoe misy afo maimaivay tsy mety ho tony🤧
Toa misy feo mibitsika izany ao an-tsofiko ao hoe "Tsy mety intsony"😩

Fa marary anie hoy aho eh!😭💔, marary ny any anaty💔
Tena mila tsy ho tanty...fa😔....
Fitiavana leisy ireny ah! Nitia foana aho teny💘
Fa reraka kosa eh!...ilay fitiavako mafonja💔, no iny voazeran'ny onja🥺
Ka sarotra ho tafarina, na dia hiezaka ny hanarina🙏🏻
Na mety tsy ho tafita😔, raha tsy io ranomasina io no ritra💔

Fitia Rasoanirina
02/12/25
:::21:40:::

🥹Nankafy Anao😍Nanjohy anao teny...hatrany anaty nofy aho😴Satria naka mamy anao...talohan'ny natory🥹Dia namisavisa an-tsa...
03/10/2025

🥹Nankafy Anao😍

Nanjohy anao teny...hatrany anaty nofy aho😴
Satria naka mamy anao...talohan'ny natory🥹
Dia namisavisa an-tsaina, ireo hanihany izay fanao😌
Fa raha ny ato am-poko...tsisy miafina intsony🥱

Mivadimbadika eto fotsiny...satria tsy andry ilay maraina😴
Izay ahitana anao indray...ilay tiako sy ankafiziko😍
Fotoanatsika mantsy io...izay efa ela nantenaina🙏🏻
Faniriana ihany ny ahy...ny mba hoe ianao no ho ankiziko🥺

Rediredy ny ahy eh!...fa tsy ampy anao no misy🥱
Tsy ampy anao ry torimaso...ka bongobongo izato maso💔
Fa rediredy fotsiny ny ahy...fa tsy ho tanteraka mihintsy🙄
Fa mba hirario hatory mamy...sy ho lavitry ny ankaso🙏🏻

Fitia RASOANIRINA
(03/10/25_23:46)

.......FANIRIANA ADALADia misy faniriana misisitsisika eny amin'ny lalana hizorakoTia anao be loatra aho kanefa tsara fa...
22/09/2025

.......FANIRIANA ADALA
Dia misy faniriana misisitsisika eny amin'ny lalana hizorako
Tia anao be loatra aho kanefa tsara fatotry ny tady nifatorako
Indraindray maherihery ny zavatra nofohako dia tsy voafehy ny foko
Mety lasalasa ny vavako miresaka dia be ny fahadisoako

Ny tsikinao misangy , ny bikanao manaitra , ianao koa sariadriaka
Izaho tsy miavonavona dia lasa tafahoatra ny finamanatsika
Kanefa misy fefy izay tsy azonao dikaina sy tsy azoko dinganina
Izay tokoa ny fiainana : "Ny dobo tsy hita ihany no tena mahamanina "

Ianao mahatsiaro sambatra sangiako moramora dia tsy mba mihafahafa
Izaho manararaotra manongo ilay takolaka dia io mitsapatsapa
ianao mihirahira dia hira hafahafa toa misy ambadimbadika
Izaho miantsa antsa dia tononkalo kely maniry anao ho vadiko

Ireny rehetra ireny mamboly voninkazo mitsimoka mahalana
Sao hamelana io fa mila mailo isika , asiana fitsaharana
Ianao an'tanan'olona , izaho malalan'ny hafa , raha misy faniriana..!!
Samia mitia ny anjarany , fa raha ny momba antsika a ? , aleo mitia mangina

Dia misy faniriana misisitsisika eny amin'ny lalana hizorako
Faniriana adala toa vokatry ny setroka rongony izay nofohako
Ianao mahalala tsara hoe mila fitandremana fa sarotra ny miaina
"rehefa fananan'olona na tena tiana be aza...! tsy azonao alaina "



atolotro ho an'i...???🤔🙈

Fyhlove Fitia

🖤Hay ilay fitiavany🖤Eny ry malala🙏🏻, efa ela izao no fantatro fa🥺...Naleoko teny ihany💔Mody hodiko tsy hita izay tany am...
02/09/2025

🖤Hay ilay fitiavany🖤

Eny ry malala🙏🏻, efa ela izao no fantatro fa🥺...
Naleoko teny ihany💔
Mody hodiko tsy hita izay tany ambadika any👀
Nataoko hoe hanihany😩
Ilay feonao miantso azy🗣...
Ilay ianareo misangisangy💏...falifaly manalazy🤧...

Dia noraisiko ny tenako😞
Hoe...ho mpameno ny banga🤧...
Eny eh! Mety tsy ho ampy angamba😢
Fa ny foko mihintsy no efa jamba💔
Vao nahita anao dia👀...
Io fa tsy naharay lamba😍

Saingy nandeha ihany moa ny fotoana😌
Ianareo roa koa💘...toa miaraka eny foana🤧
Efa ho isan'andro no mihaona🤦🏻‍♀️
Izaho ety alavitra🥺, mitazana mipitra🥺
Marary dia marary dia mba mitsiriritra🥺
Ilay fitiavana ato anaty koa❤...toa tsy mba mety ho ritra💔

Heritaona aty aoriana❤‍🩹...efa ela ianao izay tsy hita💔
Dia hoy aho hoe🥱...angamba efa tafita🤔
Saingy indrisy😭...tsy izay no zava-nisy🤧
Fa😞...hay kay hono ianao ouh???😕
Hanorina fianam-baovao💔

Ho atao mariazy atsy ho atsy💍
Fa...toy ny akoho voatsindrom-patsy😭
Izato foko feno ratra💔, izaho😭...izaho ilay nanara-maso anao hatrany👀
Nanaraka ny lalàny🚶🏻‍♀️...
Marary dia marary izany hoe🥺..."hay ilay fitiavany"❤
Tsy anjarako fa anjarany🖤

Fitia RASOANIRINA
Nosoratana: 12/08/25
Nandika : 02/08/25

FITIA TSY MILA TAMBINY❤🌹🥺Eny ry malala, efa ela izao no fantatro hoe💔😢...Ahy ianao fa azy, fa ny tiako ho fantatrao dia🙏...
25/07/2025

FITIA TSY MILA TAMBINY❤🌹🥺

Eny ry malala, efa ela izao no fantatro hoe💔😢...
Ahy ianao fa azy, fa ny tiako ho fantatrao dia🙏🏻🥹...
Izaho anie ka tia, fa...fitia tsy mila tambiny💔🥺
No natolotro an-dry, ka hoento tsy misy ambiny🥺❤

Tsy mila tambiny avy aminao aho, fa ianao mino ahy hoe tiako🥺😘
Dia tony ny eritreritro, ary hitohy ny faniriako🫶🏻😍
Dia ny hahasambatra anao, no efa ambeti-teniko❤🤩
Rehefa faly ianao any dia...ho sitrana ny feriko💔💘

Tsy mila tambiny aho...fa fitia efa nomeko🫶🏻🤍
Tsy mila valiny aho satria...iny efa nekeko🙌🏻❤‍🔥
Tiako foana ianao, fa ny finoanao dia ampy🥺🙏🏻
Izaho mantsy tsy hanantena...tsy hiandry tambitamby😭💔

Fitia RASOANIRINA
30/06/25_1647

Tsy mila tambiny avy aminao aho🙏🏻🥹🌹Fa ianao mino ahy hoe tiako❤😘💍Dia tony ny eritreritro🥹🤍😌FITIA TSY MILA TAMBINY❤💍🌹(Ton...
30/06/2025

Tsy mila tambiny avy aminao aho🙏🏻🥹🌹
Fa ianao mino ahy hoe tiako❤😘💍
Dia tony ny eritreritro🥹🤍😌

FITIA TSY MILA TAMBINY❤💍🌹
(Tononkalo ho arahinao tsy ho ela eto amin'ny pejy😍)

Tsy mijanona amin'ny fanoratako tononkalo ihany ny tenako😍📝🙏🏻, fa sady manoratra tantara sy horonantsary ary tononkira i...
02/04/2025

Tsy mijanona amin'ny fanoratako tononkalo ihany ny tenako😍📝🙏🏻, fa sady manoratra tantara sy horonantsary ary tononkira ihany koa🖊🎤.

Araho ary, ao amin'ny pejy ProD Art Vision ny tantara antsoratra nosoratako🎬📝🙏🏻

Tantara an-tsoratra📝
Ho arahinao eto amin'ny pejy isaky ny Talata hariva😍
Tantara mampalahelo, trangam-piainana tena nisy, mitondra lesona, mifono anatra🙏🏻
❤TANDRIFY❤
Toerana manan-tantara, toerana manan-jina sy manan-kasina.🏞
Mbola mitandro ny fomba ao aminy, sahabo eo amin'ny 30 tafo eo ary afaka 4 kilaometra vao mahita tanàna iray indray⛰....voandidina ala sy tampok'havoana, saingy toerana hanjakan'ny ratsy tanteraka Vohidahy❌.
Tovovavy iray, 21taona, mipetra-drery, mbola tsy manana olontiana, lavitra fianankavina, sahirana aram-pivelomana, monina ao Vohidahy...antsoina hoe "Tandrify"🙍🏻, malahelo lava, tia mitokatokana, maontina sy mivavaka ary tena matotra amin'ny fiainany🙏🏻. Manana namana tovovavy tena akaiky azy izy, mifanohana sy mifanampy aminy amin'ny fiainana, "Diary" no anarany, io no mampifaly azy ary tena akaikin'ny fony💗. Indroa na intelo ao anatin'ny herinandro izy roa vavy ireo no manihika ka izay no entin'i Tandrify mivelona amin'ny fiainany✨.
Indray andro ary, nisy nanafika Vohidahy, dahalo 12lahy mirongo fitaovam-piadiana no nandromba an'ity toerana iray ity, ary anisan'izany ny tao amin'ny tokantranokelin'i Tandrify, tsy nisy na inona azon'ireo norobaina anefa tao ka saika ho vonoina i Tandrify, fa ny iray tamin'ireo jiolahy no nanankana izany saingy...nanamparany ny filan-dratsiny kosa🫢...nikorontana ny mponina tao anatin'io alina mainty ho azy ireo io, tao ny maty, tao ny naratra mafy sy voaroba fananana efa nokoloina an-taonany maro, ny zaza amam-behivavy koa niharan'ny filan-dratsin'ireo tsy mataho-tody avokoa😭, lasa nihorohoro ny mponina😢.
Narary mafy i Tandrify ny ampitson'iny, fotoanan'izy sy Diary handeha hanihika anefa io fotoana io, nanantena izy fa ho haka azy ao i Diary, toy ny fanaony...saingy indrisy😢...anadahin'i Diary no tonga nandondona tao aminy, nampilaza azy fa maty i Diary, rehefa nahita ny dahalo niditra tao antranon'i Tandrify ka nihazakahaza handeha ho ao amin'i Tandrify no notofirin'ny dahalo😭. Dia lasa ilay hany namany fizarany ny manjo azy rehetra, lasa hojohojony samirery sisa no namakivaky ny fiainana🚶🏻‍♀️, feno fahoriana ny tanàna, tomany sy kiakiaka ny ataon'ireto mponina sy ny havany, fa i Tandrify kosa...mitomany irery mangina, tsy mba misy mampangina, tsy mba misy mampitraka😢. Tsy mba navela akory i Tandrify na dia indray mitopy maso hijery ny vata-mangatsiaka an'ity namany aza, tsy nandevina ihany koa😢, satria be ireo mpankahala sy mandrara ny fiarahan'izy roa vavy, eny fa na ny fiainankavin'i Diary ary😶.

🖊Nosoratan'i Fitia RASOANIRINA📝
Androany : 02 Aprily 2025💗
❤TANDRIFY❤_ Mbola hitohy...

❤😘Ilay silako‍🔥🥹Ilay silako oh? Ny fisianareo anie dia efa ampy e!🥺Mampisy hery vaovao ka manasitrana ny any anaty❤‍🔥Ian...
24/02/2025

❤😘Ilay silako‍🔥🥹

Ilay silako oh? Ny fisianareo anie dia efa ampy e!🥺
Mampisy hery vaovao ka manasitrana ny any anaty❤‍🔥
Ianareo no hany heriko, ry ilay tsy manam-paharoa🤞🏻
Ampy anadinoiko an'ireo niainako taloha👌🏻

Andry iankinako eto an-tany, fa ianareo no paradisako🌄
Masoandro manazava, kintana mamiratra ka tsy ho voatanisako🌠✨
Ianareo no fanafodiko, androm-piainako eto sisa🥹
Ilay tsy voasolo n'inon'inona na vola an-tapitrisa

Zanako oh? Etsy ange henoy e! Izato redirediko🙏🏻
Fa mampalahelo ahy ny mahita anareo hoe bediko😪
Fahorian'ny Neny anie ny mahitanareo tomany eh!😭
Fa fahasambarako kosa ny mahita anareo faly🥰

Ka meteza re malala ah! Meteza ho fitaratra🙏🏻
Fa ny fahendrenareo no reharehako amin'ny ho aviko manaraka🫡
Dia raha mbola eto Neny, dia...ianareo tafita😍
Izay no tanjoko amin'ny androm-piainako eto sisa🥺

🥺Fitia Rasoanirina🥺
🖋24/02/25🖋_📝22:00📝
❤‍🔥Izy kambana❤‍🔥

Address

Itaosy
Antananarivo

Telephone

+261389235386

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitia Rasoanirina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Fitia Rasoanirina:

Share

Category