22/08/2026
🎬 20.000 Ar → 17.000 Ar :Porofo fa mbola tia Cinéma Malagasy ny vahoaka! 🇲🇬
📸Sary nandritra ny Projection an’ny Cercueil de Madagascar The Origin , dia nahatratra 20.000 Ar hatramin’ny 17.000 Ar ny vidim-pidirana, na teto Antananarivo na tany amin’ireo faritany.
Ary inona no hita tamin’izany?
👉 Mbola tia horonan-tsary Malagasy ny vahoaka Malagasy.
👉 Mbola misy marché ny Cinéma Malagasy.
👉 Ary indrindra, vonona handoa vola ny mpijery rehefa mahita vokatra mendrika sy manana haavo kalitao.
Noho izany, tsy marina intsony ilay filazana hoe: “Tsy misy marché ny fanaovana Projection en Salle.”
Tsy hoe tsy tia films Malagasy ny olona, fa mitady zavatra vaovao, miavaka ary manana kalitao izy ireo. Mitady tantara afaka mampiala azy kely amin’ny fomba sy ny zava-misy efa fahita isan’andro.
Izany indrindra no antony nisafidianan’ny CM Visual Production ny hanao ny “Cercueil de Madagascar – The Origin II”, ilay “Zombie vita Malagasy” 🇲🇬🧟♂️.
Fanamby goavana izy io, satria nitaky fahasahiana, fitaovana, teknika, fotoana ary fandaniana goavana.
Raha ny tombana dia maherin'ny 150 Tapitrisa Ariary ny lanin'ny trano Mpamokatra CM visual nandritra ny fanodinana ny (Andiany voalohany sy ny faharoa ny taona 2024-2025-2026 )
Araka ny angom-baovao eto ampelatananay dia mbola tsy nisy mpamokatra Malagasy sahy niditra tamin’io karazana famokarana io tao anatin’ny 60 taona nisian’ny Cinéma Malagasy.
🎬 Tsy mora ny mamorona zavatra mbola tsy nisy teto amin'ny tanataran'ny films Malagasy
💰 Tsy mora ny mamokatra kalitao avo lenta sy goavana...
🔥 Fa rehefa sahy manova ny fomba fanaovana azy isika, dia miova ihany koa ny fomba fijerin’ny mpijery ry ISSM, Ivon-toeran'ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy
Mbola azo velomina tsara ny projection en salle eto Madagasikara, raha toa ka mifandanja amin’ny kalitaon’ny vokatra ny vidim-pidirana.
Hoy ny namana iray, taorian’ny nijerena ny Cercueil de Madagascar The Orign
Clarisse RAZANAMASY
“Anisan’ny fanamby goavana no napetrak’ity trano mpamokatra nanao ity sary mihetsika faty mitsangana ity, ary nametraka tantara goavana ho an’ny Cinéma Malagasy. Izany izao no hiandrasanay mpankafy, fa tsy ilay mpangalabadin’olona, be tomany, sns… ireny intsony, satria efa toy ireny ihany no hitanay amin’ny fiainana andavanandro.”
🇲🇬 Ny vahoaka Malagasy dia vonona hijery Cinéma Malagasy.
Ny fanontaniana tsy tokony hipetraka intsony ny hoe :
❌ “Misy marché ve ny films Gasy?”
Fa hoe:
✅ “Inona no vokatra hanairana ny mpankafia sary mihetsika Malagasy amin'ny alalan'ny kalitao goavana"?
🎥 Andao isika hamorona.
🔥 Andao isika hanavao.
🇲🇬 Andao isika hampiakatra ny havon’ny Cinéma Malagasy miaraka @ CM Visual Production ...
CM Visual Production — Asa sy ezaka hatrany...