R-Odon Rajoniana

R-Odon Rajoniana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from R-Odon Rajoniana, Art, Anjanahary, Antananarivo.

25/05/2021

Antson'ny poety!
Raha mbola tsy tody ;
tanivo sah

TSIARO ANAO !Sompatra loatra ianao ry lalana,fa nosampananao sahady ho'aho ny dia.Nahoana loatra no dia nosomparana!izan...
14/10/2020

TSIARO ANAO !
Sompatra loatra ianao ry lalana,
fa nosampananao sahady ho'aho ny dia.
Nahoana loatra no dia nosomparana!
izany foko kely mbola tia!

รดรด! Embona eto izany sisa,
ireo ora niarahantsika,
nigoaka nankafy,
ireo hanim-bonikazo dia,
tao Antampoketsa tao
mantsy ianao nandao.

Efa tofoka sy lao,
ny foko hatramin'izao,
toa mangorohorovitsika tsy tantiko ao anatiko ao,
kanefa aho tsy maintsy manatim-boninkazo eto an-doha fasanao!

aa! Tsy vitako ny tsy androtsa-dranomaso,
amin'izao ora izao,
fa mafy loatra ireo akaso,
nampisaraka ahy sy anao!

ka ity raozy mena ity,
apetrako eto an-doha fasanao,
hitahiry ireo lasantsika mankadiry,
ho fahatsiarovako anao!

RAJO
8 Aprily 2019

Aiza ianao ry gasikara!!O! Ry gasikara, o! Ry gasikara,Ajanony amin'izay ny kabary lavaO! Ry gasikara,o! Gasikara,Ajanon...
12/11/2019

Aiza ianao ry gasikara!!

O! Ry gasikara, o! Ry gasikara,
Ajanony amin'izay ny kabary lava
O! Ry gasikara,o! Gasikara,
Ajanony amin'izay ny tabataba,

Fa jereo 'reto vahoaka ,
Mitanatana vava,
Miandry 'zay hamoaka,
Amin'ity krizy lava.

Efa firifiry 'reo mpitondra,
Nivetsovetso fandrosoana,
Kanefa vao tonga,
Dia NY paosy nofenoina.

Amin'izao indray,
Misy hono fitsinjaram-pahefana,
Angamba kosa tsy ho izay,
Fa fitsinjaram-pananana,

Hoan'reo mpanao politika,
Ka raha minia mandika,
Dia hamoaka NY lalana,
Hoe ny tany tandalana.

Koa aiza ianao ry gasikara!
Hoaiza 'reto taranaka amam-para,
Avela ho kizofara!
Hajoro NY mangarahara

'Zay niniana notakonana ,
Tsy navela ho hita mihintsy,
'Reo natsikaritra norahonana,
Notondrona vava-bavy

Dia nangina tsy niteny,
Fa mamy NY miaina,
Kanefa izy 'reny
Manantena fa mbola hoavy NY maraina,

Dia hiposaka ny marina,
Ny lavo hotafarina
Hofoana NY taraina,
Fa 'reo zatra voky kosa ho gadraina.

RAJO
11novambra2019
Antananarivo

Ny antony Anoratako!!!Tsy resy karakaina,Matoa aho manoratra,Tsy rediredi-tsaina,Matoa manoratra.Fa ny antony anoratako ...
05/11/2019

Ny antony Anoratako!!!

Tsy resy karakaina,
Matoa aho manoratra,
Tsy rediredi-tsaina,
Matoa manoratra.

Fa ny antony anoratako sakaiza,
Dia tsotra ihany ,
Hiantso anao tsy ho voafonja,
Ny alahelo sy tomany

Matoa koa aho mbola manoratra,
Tsy hivetso alahelo intsony,
Fa ndrao hampitombo ny ratra,
Sy sentonao efa Tony

Fa ny sentonao mazana ,
No hampilofika tsy tana,
'Lay sambom-panantenana ,
Anaty onja lalina.

Ka iriko tsy ho banga,
'Lay volam-penomanana,
Fa hampirangaranga,
'Lay tontolom-pahasambarana,

Fantaro fa alahelo efa rava,
Hasambarana tsy banga,
Anaty fo madio,
No Antony anoratako eto anio.
RAJO
Antananarivo ny 05 novembre 2019

04/11/2019

Faly aho manolotra ny asa soratro ho anareo mpankafy rehetra

Address

Anjanahary
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when R-Odon Rajoniana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category