FNF Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FNF, Poet, 0324584104, Antananarivo.

09/08/2025

Te hanoratsoratra hirahira vao sy kalo manim-pofona indray ilay eritreritrao kanefa aoka ihany
Aoka sao hifoha...
Aoka ihany izao

22: 15 ( 2025)

Iza nga ianao no miafina ato am-poko?Etsy nge ianao henoy ny tonikirakoTsy mitsaha mingonina ny ngoningoninao Mamofona f...
13/07/2025

Iza nga ianao no miafina ato am-poko?

Etsy nge ianao
henoy ny tonikirako
Tsy mitsaha mingonina
ny ngoningoninao
Mamofona famelan'
ny hanitra vaovao
Fa ny andon'ny maraina
no indro efa notazako
Nangoniko,
Nantsoiko
Ivimbina amandona
ny fasambaranao
Dia ny andom-pasambarako

Ary etsy mba tohofy
ny orokorokao
ny felan-draozy manitro
Manitra,
Malefaka,
Mamelana famony
midongy an-jaridaina
Miandry ny hanintrao
amin'ny hira tsara tefiny
F'ianao mahalala tsara
ny kalo akany fiany
amin'izao minitra izao

Fa iza anefa ianao?
Sa izaho no iza loatra
Irenanao fitiavana?
Iza tamintsika no
tsy azo nidivirana
Namafy ny ho "LOATRA"
ho tonga fasambarana?
(Ianao mahalala azy)

F'izaho malalanao
Voarindrina fitiavana
Ato antsaham-belovelo
Fenonao ny "LOATRA"
Nafahako namantatra
Ny fatra namaritana
ny fo mitia anao
Tia anao LOATRA aho

FNF

METEZA HANAIKYIo alina io mazànaMivadika hazavanaTsy takatrao vi(na)nianaMatokisa sombiniaina a!Meteza ianao hanaikyHama...
12/01/2024

METEZA HANAIKY

Io alina io mazàna
Mivadika hazavana
Tsy takatrao vi(na)niana
Matokisa sombiniaina a!

Meteza ianao hanaiky
Hamafa sy hanadino
Fa matoa ianao nariana
Navela ampahoriana
Midika ianao tsy tiana

Meteza ho mafy hatoka
Fa io fitiavana io
Tsy resaka saranga
Tsy resaka finoana
Tsy asiana ady varotra

Fa...
Matoa ianao navela
Mazava ny ao am-pony
Tsy tena tiany ianao
Dia... izay tsy hirosoany

FNF
2019

12/01/2024

Ny lantolanton'orana,
atopatopan-drivotra
amin'ny erika manify
Satriko ho dinganina
ho tonga lohataona,
Fa tany ianao tsy hita
nandangolango foana
Nandemy ny ati-tsaiko

Tany ianao tsy ilaiko...

Ny volam-penomanana
manompy manjopika
amin'ny kintana alikisa
Haingo, irony alina!
Mba satry voatanisa
ho ventso an-tononkalo
Kanefa atao ahoana?!
Ny feom-balihinao
no mbola re manako
Manao fangalampery

Ny foko mbola hisaona...

FNF

11/01/2024

Raha toa ka sanatria,
ity no sombin-tsoratra
ho veloma farany
Dia izao mba tadidio
"Nitia anao be loatra
noho ny tenako aho"
Na ny omaly na ny anio
Fotsiny angatahako
ampio aho anadino...
Ataovy dika diso
anatin' ny eritreritro
ny lasana fahiny
Ampio aho hanamafy
F'ianao dia efa lasan'
iny olona iny
Ary n' oviana tsy hiverina
Ampio ny foko hino
Ataovy tena tsapany
fa ampy ho fasambarany
ilay orokao malalany
Fony teto anilany

Malala o!
Angamba enao izao tsy hino
F'ilay sarinao tsy foiko
no mbola io botroiko
fibanjiko maraina,
orohako matory
Tiako ho tsapanao
fa feno ny hasambarako
teo anilanao
Eny e,
'ngamba tsy ho neniko
Na tsy ho sitrako sy teliko
Raha any ianao no sambatra..Afoiko tsy maninona...
Mety za no diso
tsy nanome ny mihotra
ho tsapanao am-po
Saingy mbola averiko...
Nitia anao be loatra
noho ny tenako aho
Izay no hany tokana
fantatro adisoko
'nefa tsy hanenenako

Farany Malala a
Olon-tiako ianao,
fa mba nampindramiko azy
amin'ny andronao rehetra
Olon-tiako ianao
amin'ny taona tsy voafetra
ka dia mirary soa
Mirary anao ho sambatra
..Ilay malalanao taloha...

FNF

30/11/2023

”Foana tao anatin'ny tsikalam-pieritreretako ny antsoina hoe fitiavana rehefa mby ho teraka teo antenantenan'ny 'eny' sy ny 'tsia' ny sampanan'eritreritro. Nizara, nivaky, nitriarin'ny fisalasalana ka rendriky teo ampototrin'ny antsoina hoe fandavana. Rava ilay 'saika' nisy noforonin'ny foko hanaiky anao satria... nahery ny singa namatotra ny saiko tamin'ny teny tsy mba diso nandá anao tsy ho tiako.
Nihanjaka teo anatrehan'ny fankahalana ny fitiavako izay nandositra ahy, nihery tsy tazako intsony. Toy ny jamba mitsapatsapa ato anatin'ny haizina ny fanahiko, tsy mahita izay nofo hitoerany moa ny foko mihamarefo fitepo manomboka tsy reko intsony, manary aina eto antendron'ny 'tsia'.
Tsy misy fitiavana intsony"

FNF

Address

0324584104
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FNF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category