17/06/2026
🌟✨ Salama daholo eee! Manantena izahay fa samy salama sy nahazo aina tsara tamin'ity herinandro ity ianareo 🤗💖
Ny Sabotsy lasa teo teny amin'ny YMCA Ankerana indray isika no nanao session kely somary hafa noho ny mahazatra 🥳🎨
🔻 Tamin'ity indray mitoraka ity dia nifantoka tamin'ny Arts & Crafts isika ho fanomanana ny Action Sociale izay adidy hotanterahina atsy ho atsy 💗✨
🔻 Nifampizara sy nanangona ireo fitaovana azo averina ampiasaina toy ny taratasy, gazety, baoritra ary fitaovana hafa ilaina amin'ny famoronana ireo haingon-tanana sy asa tanana isan-karazany ♻️🌸
🔻 Feno fifanakalozan-kevitra, famoronana ary fiaraha-miasa ny fotoana, ka samy nandray anjara tamin'ny fanamboarana ireo zavatra ilaina amin'ny tetikasa ho avy ny rehetra 🤗✂️📦
🔻 Ny tanjon'ity atrikasa ity dia tsy ny fanomanana ny Action Sociale ihany, fa koa ny fanamafisana ny firaisankina, ny fahaiza-mamorona ary ny fanomezana lanja ireo fitaovana azo ampiasaina indray 🌱✨
💖 📸 Araho hatrany ny pejy fa mbola hizara sary sy ireo vokatra vita nandritra ny session izahay, ary koa ireo vaovao mikasika ny Action Sociale ho avy 🥳🌟
✨ Mandra-pihaona amin'ny session manaraka indray! 🤗💕