20/12/2016
NY TENA TIA
Ny tena tia tsy mba mahafoy
na miady aza indraindray,
Fa satriny foana hanohy
ireo fiarahana hatrizay!
Ny tena tia raha saro-piaro
tsy hoe tsy matoky velively,
Fa izao ny antony ka fantaro:
tiany ianao ho azy irery!
Ny tena tia tsy mba mahay
mampirafy anao izany,
F'ianao ilay tokana iray
tiany indrindra eto an-tany!
Ny tena tia tsy mba manolo
na miaraka amin'ny hafa intsony,
F'efa nomeny anao daholo
ilay fitiavana ao am-pony!
Ny tena tia ihany koa
dia fitia no tadiaviny,
Fa tsy mitady tombon-tsoa
amin'ny olona tiaviny!
TOLOTRA HARINIAINA,
27/09/2016