Ravaka rhsh

Ravaka rhsh Eny, hatramin'ny lohany
Hatrany am-para-hatony
No liana sy nifantoka
T'anaty rindran-kalo
Babony sahady! Ny kalo dia ho sahiny
Tononina,tenenina (...)

Koa anaovany azafady
F'izy d'efa babon'
Ny hira sy ny kalon'
ny teny fiandrianany
Taitra ny fanahiny! Mikakakaka te hijnona ho tanora! Mikalokalo misantatra fahaterana!

11/07/2026

Tena tsy aiko fa lasa matahotra 'zany ah io vao mifanena amin'olona manimanitra,. Lasa mampihorohoro 'ty resaka alatr'olona 'ty 😣😌

10/07/2026

RAY O, METEZA INDRAY HITANTANA NY DIANAY ANIO
'ZAY ZAVATRA HO ATAOKO, E! MBA SAFIDIO
TONDRAY NY FITAHIANA E NY LALANA HOMBAKO
DIA ENGA KOA NY VAVAKO HIDERA ANAO TSY MIATO...
AMEN...🙏🙏🙏

Ny toaka fahavaloko taloha e e eManjary namana mpanampy tsy foiko ...(...)Tsy mamo ah eto fa aza gaga ka🤣
09/07/2026

Ny toaka fahavaloko taloha e e e
Manjary namana mpanampy tsy foiko ...
(...)

Tsy mamo ah eto fa aza gaga ka🤣

Matahotra an'ity resaka ala-jaza ala-jaza 'ty ny tenako mba marina, ny tena amin' io mbola hoatran'ireny mpaka BEPC kely...
08/07/2026

Matahotra an'ity resaka ala-jaza ala-jaza 'ty ny tenako mba marina, ny tena amin' io mbola hoatran'ireny mpaka BEPC kely reny ihany mandeha eny an-dalana, nefa raha very amin'izao mba marina mafy raha hisy hanao ombay mitady akory tsony 😁🤣🤣

30/06/2026

Oouuffff....Nisasaka ihany 'lay taona marina 😉, 'zah io efa maika hanao "réveillon" 🤣

31/05/2026

NENY"
Ho inona ry Neny izay tononkalo foana
Mampitabataba taratasy moana
Mihoatra ny finiavana, fitiavana tanteraka
Natosakao tsy niato taminay nateraka?
Fa hovetsoiko ihany ho ampahana porofo
"Neny o! Ny fitiavanao no hany tsy mba miofo"

Fa toa tsy misy teny ahafahako milaza
F'ianao no Andriamanitro nitantana ahy fahazaza
Ka mandram-pahalehibe, 'zay angaha raha tso***a
Ianao no nampahery ka nanamafy o***a
Ny misiko rehetra mba ho vanon-kolona
Ka misaotra tamin'ny kiry, ny ezaka, ny tolona

F'izaho no toy izao, na dia tsy tonga lafatra
Dia noho ny kirinao sy tsy fahalalana sasatra
Nisy alinao, maro tsy nandriana
Dia nisy tsikinao nandevina hakiviana
Nisy ranomaso natelina any anaty
Dia nisy fisotroana ny aleoko maty

Hidera anao ny foko, hisaotra anao ny vavako
Ho tahiana anie ianao, izay no tonom-bavako
F'ireny vitanao d'hinoako tsy ho voasoloko
Mbamin'ny fitiavanao nameno ny tontoloko
Andriamanitra nandahatra nampisy anao ho Neniko
Hanamaro ny andronao! Izay no hany teniko
Misaotra ka misaotra!
Rav...

09/12/2025

Hifarana ny taona, asa mba tena mifamela tokoa ve ireny hoe ndao hifamela ireny? Mba tena mihavana tokoa ve ireny milaza hoe ndao hihavana ireny? Mba tena miova tokoa ve ireny hoe ndao hiova ireny?
Ilay mpiteny isantaona hoe "ndao atao taona feno firasainkina sy fifankatiavana 'ty taona 'ty"mba efa nanahoana 'zay?
Dia fa maninona no isaky ny akaiky hifarana ny taona dia mitamberimberina ao an-tsaina foana 'zany? Dia fa maninona raha mifety fotsiny dia vita fa tsy mifananananatra be dia avy eo tsisy mihaino akory fa ny eo ihany no eo? Sofina efa samy leo mihaino "moral" sy saina leo rotoroto aby no vokisanao fananarana firy taonina? Vatana efa reraky ny fiainana andavanandro no mbola vesaranao resabe ihany! Misakafo, mifety, misitaka amin'ny mahazatra, "manalazy", ny ankoatr'izay " HENOY IZANY RY HAZON-DAMOSIKO"🤣🤣🤣🤣

(...) Raha hoe 'zay teny foana voaravaka haiteny fy sy mamy imolotraNo entinao ho ahiko, dia hiangaviako indrindra, any ...
08/12/2025

(...)
Raha hoe 'zay teny foana voaravaka haiteny fy sy mamy imolotra
No entinao ho ahiko, dia hiangaviako indrindra, any an-kafa hatolotra
F'izaho tsy mila 'zany!
Rav...

06/12/2025

Oh lehiretsy e, marina ve fa tsisy asa ratsy 'zany fa tsara foana rehefa ahazoam-bola? 🤔 Hoatran'ny tsy mino ny saiko 😀

Address

Antananarivo
101ANTANANARIVO

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ravaka rhsh posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category