ARH - Tęxtô MG

ARH - Tęxtô MG Bienvenue , Tongasoa ato ARG -Tęxtô MG(Aingam-panahy Rima sy Hafatra)🇲

TSY MISY TOMPON'NY AMPITSO💔Mbola ankamantatra ny andro rahampitsoTsy hay koa izay mety ho avoakan'ny androanyMahaiza mif...
05/02/2025

TSY MISY TOMPON'NY AMPITSO💔

Mbola ankamantatra ny andro rahampitso
Tsy hay koa izay mety ho avoakan'ny androany
Mahaiza mifona raha mahalala hoe diso
Fa tsy hoe lasa aho vao hitalaho sy hitomany

Tsy fireharehanao anie no mahaela velona e
Fa angah raha manankarena dia tsy hofaty?
Tongava saina fa malemy ny olombelona
Mandeha tampotampoka tsy mitondra vatsy

Tsy misy mahalala ny ampitso tokoa isika
Fa navela fotsiny iaina toy ny natiora rehetra
Tsy ampoizina dia lasa nofo mangatsiaka
Lasa mandao fa ny fotoana hono voafetra

Raha mbola velona ary dia izao no hatao
'Ndao ivavaka sy hifankatia izaho sy ianao
Mba tsy hanenenana rehefa lasa ny iray
Fa mba hoe efa nifamela ihany izahay...

Eric RABEARISOA

🫶 Tononkalo vetsovetso tsy mifidy 🫶


TSIARO....Tantara mamy indrindra mba efa nadalovany Isika tratry ny  orana teny amoron-dalanaKa lena be isika , kotsa am...
23/03/2024

TSIARO....

Tantara mamy indrindra mba efa nadalovany
Isika tratry ny orana teny amoron-dalana
Ka lena be isika , kotsa ambony ambany
Moa tara ora iray koa ny fodina tao an-trano

Dia eto am-pamakiana ity tononkalo ity
Efa lasa lavitra ka miato kely alony
Misento dia mahatsiro fa any izao ianao
Eny Tanjombato sa any Ambohibao

Raha hitanao moa ity tononkalo ity
Rehefa mba malalaka mandalova ihany
Tsy miova ny fonenako fa eto Ambanidia
Tsy iza ilay nanoratra fa Ilay poeta arty

Bediabe namana fa afa ihany ianao
R'ikala Seheno moa efa nanambady
Ankitelo izao ny zanany ka tsy afaka mankaiza
Nifanena izahay omaly teny Ambohimandry

Ando indray efa niova izy any mba efa botabota
Fa efa nanambady ka tsy afaka mankaiza
IDEALY moa efa itako bevohoka
Ka tsy haharitra ela iny dia efa hoe mitaiza

Isika sisa ity no tsy mbola nanambady
Na ny fofony aza moa tsy mbola misy akory
Raha mba mety akia dia andao hifampitady
Fa sao dia isika tara ka tsy hahavita mariazy .

Arty Kemirah


‼ TAOMBAOVAO MALAGASY 2024 ‼Arahabaina isika rehetra nahatratra ny TAOMBAOVAO MALAGASY 🇲🇬❤Dia samy ho tratry ny arivo ta...
11/03/2024

‼ TAOMBAOVAO MALAGASY 2024 ‼

Arahabaina isika rehetra nahatratra ny TAOMBAOVAO MALAGASY 🇲🇬❤
Dia samy ho tratry ny arivo taona mitsingeringerina daholo isika rehetra.

Ho taona vaovao hanjakan'ny fahasalamana tongalafatra ary fahombiazana, ho lavitry ny loza.
Ho taona feno fanambinana sy fahasoavana ho antsika rehetra ity taona ity. 🥹❤

Andriamanitra ô ! Mitahia
'Ty nosinay ity
Tany izay nomenao anay
Ho lovan'ny taranakay
Madagasikara ho an'ny Malagasy
Malagasy kosa ho an'i Madagasikara

Mitomboa hasina hatrany
,Mirary soa , samia ho tena Andriamanitra daholo. 🫶🏻❤


RY ZANDRY ISANY !!  AZA MAIKA HANAMBADY  Isika malagasy dia io taitaitra io. Rehefa 23-25 taona no tsy manambady de laza...
02/03/2024

RY ZANDRY ISANY !!

AZA MAIKA HANAMBADY
Isika malagasy dia io taitaitra io. Rehefa 23-25 taona no tsy manambady de lazaina fa TARA ary anisan'ny facteur mampahantra ny tany iray ny fanenjehana manambady sy miteraka fa hoe velona foana io rehefa tonga eo, avy eo ilay zaza nohon'ny tsy fahampiana dia lasa mijanona amin'ny fianarana tsy fidiny.

Ny olona any amin'ny tany mandroso 35-40 ans vao manambady ary tsy mivaky loha amin'izany TARA TARA nareo izany !
Ny olona mandroso dia sahy manofy ngeza sy manana vina ngeza eo amin'ny fiainana ary tsy mionona amin'ilay EO HO EO foana fa miketrika ny AMBONY hatrany.
Ny mahavoa antsika vao mahita asa kely na dia mbola 18 taona aza dia hanambady izao foana.
Fa ianareo ve à 18 ans dia mieritreritra hoe:
👉🏾 Efa manana fidiram-bola tsara?

👉🏾 Efa manana ny tranonareo manokana?

👉🏾 Mba hainareo ve ny dikan'ny hoe mitokantrano?

Tsy hoe milafika ao amin'ny Ray aman-dreny dia mitokana hefitra no atao hoe mitokantrano!
Ny sasany indray dia mahavita mitrosa mihitsy hanaovana mariage fa te ho hita eo amin'ny fiaraha-monina hoe izany izahay fa nivoaka mariage.
Ny olona asainareo anie minan-kanina fotsiny dia mody e fa ianareo mba ahoana?
Mbola hitrongo vao homana hanefa ny trosa sy ny vola lany?
Ny ray aman-dreny no mampalahelo lasa mamelona anareo! Menatra ny fiaraha-monina izy!
Izany ve aminareo no atao hoe fiainana?

Oh ry reto a! Mba tongava saina dia ahirato ny maso!
✅Vitao ny fianarana
✅Rehefa mahita asa indray dia manangona vola
✅Manoava voyage

✅Tetezo Madagascar satria ny voyage dia mampitombo ny fahaizanao, mampalalaka ny fomba fijerinao satria lasa mahita kolontsaina hafa sy lasa miserasera amin'ny olona tsy mitovy aminao ianao.
✅Ataovy daholo izay mba nirin'ny fonao nefa noho tsy fahafahan'ny Ray aman-dreninao dia tsy vitanao.
✅Mianara mitia sy mirehareha ny amin'ny maha izy anao.
👉🏾 Esory ao an-tsaina izany hoe tara manambady sy lany zara izany .
Mahaiza_mifidy_ny_tsara_ao_amin_ny_tsara.
💓Aza misalasala mi-partage raha nahasoa anao tompoko dia entano ihany koa ny namana mba isuivre ny page-tsika.



MPANKAFY MAHAFATRAPO (Noho ilay tononkalo iray)Noho ilay tononkalo iray voasoratra tsy nahy, ainga teny ho eny voarangot...
12/11/2023

MPANKAFY MAHAFATRAPO (Noho ilay tononkalo iray)

Noho ilay tononkalo iray voasoratra tsy nahy, ainga teny ho eny voarangotry ny tanako

Noho iny monja dia...
ampy nahatadidiavanao ny anarako ( efa-taona angamba izay...)

Nahatonga anao anaraka tsy tapaka ny ainga izay mivoaka
Tononkalo iray nosorata-na mpanoratra tsy dia mbola be mpahalala loatra

Nahatonga anao ho liana, hankamamy rima satria...
ny tantaram-piainanao no ventin-dresaka voalaza tao anatiny

Dia gaga ianao fa ity poeta ity dia mpaminany tapany
Ny tantaranao aloha no tratrany ,
ny an'ny hafa mbola hoavy

Aza atao mahagaga ny zavatra ohatra izany fa tranga efa mpisy
Ary tsy ity poeta ankafizinao ity ihany no mpaminany tapany
Fa ny poeta rehetra mihitsy

Ny azoko ambara dia izao!
Mpankafy mahafatrapo ianao
ary sangany amin'ny mpankafy rehetra

Satria n'aiza n'aiza ihaonantsika dia ianao mahavita miantso mafy be hoe " manaja Ngiahy Poeta a!! "

Ndriiiii!!! Tena mahafinaritra,
ankafizo hatrany dia mirary anao haharitra, mahareta hatramin'ny farany

Noho ilay tononkalo iray dia...
Tsy adinonao ny anarany

Orima Andrilalaina
Ambatolampy
23/09/23

Anjara ho ahyNy lapa ao anatiko aky ry malala a!Efa voatokana ho anao manontolo.Tena hitoetra fa tsy mba hiala!Vonona hi...
10/09/2022

Anjara ho ahy

Ny lapa ao anatiko aky ry malala a!
Efa voatokana ho anao manontolo.
Tena hitoetra fa tsy mba hiala!
Vonona hikolo ilay manda najoro.

Ianao ilay natolotra anjara ho ahy!
Nambabo ny saina,fo sy fanahy,
'Lay nofinidy sy tokana an_tany!
Hamafa ny masoko aky raha tomany.

Ianao 'rery ihany no tompon'ny laka!
'Lay lakam_pitiavana anatin'ny foko,
Izy no Rova,ianao 'lay mpanjaka.
Mpandidy ,manapaka re tsy foiko.

Hadinoiko avokoa ireo ditra fanao!
Fa manana anao aho ho silam_panahy,
Vonono hitoetra fa tsy mba handao!
Hanaja anao r'ilay anjara ho ahy.

MAFY ADYHarivariva vao voataona ireo gony aman-jatony,iny izy vao hitady vatsy ho an'ny tokantranony!Indrisy nefa teny a...
19/08/2022

MAFY ADY

Harivariva vao voataona ireo gony aman-jatony,
iny izy vao hitady vatsy ho an'ny tokantranony!
Indrisy nefa teny an-tsena babangoana tsisy niangana,
katsa-maina sisa tazany amin'ny vidiny midangana!
Niteny irery, lasa saina, nitaintaina izay tsy izy,
dia ho sanatria va re handry fotsy indray ny ankizy?
Hany heriny nividy katsa-maina efa voatoto,
labozia sy siramamy ary akondro iray toko!

Namikiviky izy avy eo nanjohy ilay akany kely,
ny fitopimason-janany toa efa hainy tsianjery;
mipitrapitra manantena, fa hivimbina hono dada,
na kely mantsy ny eo na be, dia efa mampifaly avanja!
Nimenomenona mangina, hanao ahoana ny ho tohiny?
Raha tsy maintsy hihiboka ato, inona ary no hoforoniny?
Ny haza anio anie no miantoka izay harotsaka am-bilany,
k'izay aretina mandoza, aleony tsy misaina izany!

Ny Tia Nosy
26/03/19

Tօҡaʍ-քօNy hasambaran'ialahy tsy hasambarakoNy tantaran'ialahy tsy ho tantarakoNy irian'ialahy tsy iriakoAry tsy izay at...
13/08/2022

Tօҡaʍ-քօ

Ny hasambaran'ialahy tsy hasambarako
Ny tantaran'ialahy tsy ho tantarako
Ny irian'ialahy tsy iriako
Ary tsy izay ataon'ialahy dia tiako ...

Fa...
Zaho lehitsy any aoriana...
Raha mba manana olon-tiana
Dia ...
Tokana ihany izay safidim-po sy saiko
No tiaviko sy hajaiko

Fa ...
Ny fitiavako ny ahy
Tsy ataoko toy ny an'ialahy,
Hoe ...
Izay rehetra mahaliana
Dia andramana kaotiana

F'izaho raha mba tojo iray
Ka atolony ahy ny fony
Dia...
Tapenako ny masoko tsy hitilitily intsony .

Astariah Michel

__________________________________

Neny❤!Fahasambarana ho ahy no miventso.Fa ny tsy anilanao mampisento.Neny a!isan'andro aho te hiteny!Fa tena mamiko iren...
29/05/2022

Neny❤!

Fahasambarana ho ahy no miventso.
Fa ny tsy anilanao mampisento.
Neny a!isan'andro aho te hiteny!
Fa tena mamiko ireny anatrao ireny.

Neny ianao ihany no tokana sy safidy mba ho ahy.
Neny ianao ilay vehivavy miavaka sy tsara fanahy.
Neny a!tiako ianao hajaiko izay hanatra omena.
Neny a!tsy manana atolotra aho fa indro ity ny fahendrena.

Neny oh!izay hasambatra anao no katsahiko.
Dia hiaraka hiadana aminao ny fanahiko.
Neny a!hiezaka aho hamaly ny faratapom-pitiavanao.
Neny oh!teo foana ianao ka natonga ahy toa izao.

Neny oh!malalako ianao tsy atakalo na koa hosolona.
Neny a!fitiavanao no fanomezana maharitra indrindra.
Neny a!hifonako daholo ireo fiteny nandona.
Ny tambitambinao no hasambarana tsy azo afindra.

Neny a!ny fara teniko dia izao ihany.
Ny fitiavanao re no tena hoe mamy.
Neny oh! Tiako ianao dia hoentiko am-bavaka.
Io no fanomezana tsara ho anao fa tsy firavaka.🙏🏻

28 Mai 2022
Ra Rini✍🏻

I NENYIzany neny izany?Raha mbola eto an-tany tsy misy mahasolo!Fa niharitra hatrany,Na ririni-mamanala,na masoandro be ...
29/05/2022

I NENY

Izany neny izany?
Raha mbola eto an-tany tsy misy mahasolo!
Fa niharitra hatrany,
Na ririni-mamanala,na masoandro be mandoro!
Nikatsaka ny mamy!
Ho an'i taranany, na hendry na maditra,
Raha ny tena marina dia, maminy ny zanany ka...
Tsy tiany hipitrapitra.

Ianao tokoa 'lay sombiny,niala avy amin'ny ainy!
Ka tiany sy lalainy.
Niharetany ny mafy,tsy nitandroany hasasarana,
Nikelezany aina.
Ka mba tolory azy!
Ny tambin'ny fitiavany,
Na tsy notakiany!
Ny azy hoy ianao?
Ny fahasambaran-janany no tena fifaliany.

Raha ny fitiavan-dreny,tsy hisy hahasolo!
Na oviana na oviana.
Saingy ny ahy moa...efa lasana natory,
Any am-pasana mangina!
Fa na dia izany anefa,
Tsy ho hadinoko izy,raha mbola velona ny aiko.
Mandria ampiadanana,
Ry neniko malala!
Tiako sy lalaiko.😢



(Manolotra sahady ny arahaba ho an'ny reny rehetra🌹)

📝TETO📝Teto hampitsidihana ilay toerana niarahana aho no nahasosa izato peninaNamadibadika ny lasa sy namoha ny tao antsa...
21/05/2022

📝TETO📝

Teto hampitsidihana ilay toerana niarahana aho no nahasosa izato penina
Namadibadika ny lasa sy namoha ny tao antsaina irony sary mba hiverina
Nitodika hankavanana dia io tazako mangina ilay fipetrarantsika roa
Tsaroiko tamin'izany e
Ilay tsy hiandry izay hiaonana fa nifankahazo ampo

Teto tsika teto
Tsy te halala hoe hatreto ny fetran'ny fiarahana
Fa tony zaza adala...
Samy tia dia babo tamin'ilay tsy fahalalana
Nalaina ery hisaraka
Nafana tamin'izany ilay toerana hipetrarana

Nitsiky irery aho eto mamerina ny sary
Tsapako eto hoe mamy ny lasatsika rehetra
Saingy noravaina tsy navela hitsangana ny fitia izay nitoetra

Nisento namaranako azy dia nitodika hankavia
Io fa tazamaso ilay tohatra iray niarahana nankafia ny fitiavana niombonana
Tsaroiko teto ianao ilay tsy nanaiky raha tsy orohana
Tsy nanaiky raha tsy hitrotro ny tenako handendeha
Teto tsika teto e
Tamin'izany aho nampofoina dia ....teto tsika ela be

Izao nirotsaka ny ranomasoko
Nojereko ny finday dia.....

Nanalako ny alaheloko irony saritsaroko fony isika teto
Mandohalika aho ry tiana dia mamihina ny sarinao
Injao rehako nitempo ny foko milanao

Nitsangana aho avy eo,narary tampoka ny andohako
Fa hay mbola nisy ihany ny zavatra tsaroako amin'ireto toerana eto alohako

Fa teto mantsy
Te hiona mafy tamin'izay
Rivo_doza be fa mbola vonona sy sahy hiezaka hifanantona
Faritra mena ny teto Analamanga fa tsy nataontsika ho sakana
Dia teo tsika nialoka
Niaritra ny rivotra no sady nifamihina fa ny orana avy tampoka

Niondrika ahy avy eo
Tonga tao antsaiko mantsy ny mamy nisy rehetra fony isika teo

Tsy tana ny alaheloko fa vao maika nitomany
Fa any izao ianao e
Nanadino ny amiko dia sambatra any ho any
Tsy mahalala akory hoe izaho eto manembona no sady koa mijaly

Ny any faraheriko tsy nijery avia,tsy nitopy havanana,tsy nitazana ny aloha fa..... niodina any aoriana
Dia io mbola tonga tato antsaiko fa....
Amin'iny lalana iny isika no miaraka mizotra rehefa hamonjy ny fodiana
Nifampitositosy no sady ko Nifampitantana
Feno atsika daholo ny retraretra teto e,hatramin'ito lalana

Tsy nanenenako ny teto
Na hijaliko tahak'izao aza tsy foiko aloha hatreto
Teto no tantara mamy niara_natsangatsika roa
Mirakitra diary ny mombatsika rehetra ny teto anjaridaina Ampefiloha

FOKO DIAMONDRA
17_05_2020


Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ARH - Tęxtô MG posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share