29/09/2020
Coucou le monde :)
Nous éspérons que vous vous portez bien. Comme vous le savez, les activités artistiques reprennent peu à peu et, comme il se doit, notre collectif fera son come back avec les show qui viendront. En attendant, voici un texte de notre bro Aloka. N'hésitez pas à liker sa page et vous abonner.
Merci et belle journée à vous
Dia raha heverinao hoe nanadino anao aho
Tsy marina izany
Fa izaho fotsiny no diso
Ny anaranao tsy ho voafafa ato am-poko saingy
Misy folo mikitikitika, sanatria anefa raha ny iray tamin'ireo indray no ho antsoiko hoe piso
Tsy hoe sanatria nanadino anao aho
Fa indraindray mahatsapa hoe raha samy mpifankatia, mifanalavitra loatra isika
Ka indraindray mety hoe minia tsy mahatsiaro anao aho
Dia tsy hoe mamitaka anao aho
Fa ny toky napetrakao tamiko sy napetrako taminao no fitaka
ka indraindray, manao fanahy iniana mandainga aminao aho
Dia satria tsapako hoe marary ahy raha sendra tsy tsaroanao aho
Dia mitantana tsun hafa amenoana ny banga fa sanatria raha hoe ampirafy anao aho
Dia mety hilaza ianao hoe
Fitaka sy laingana kofa fotsiny ihany izany
Fa fantatrao anefa
Hoe tsy mahavita mandainga aminao aho,
Eny eh, na mandainga aza aho indraindray, mbola mifono fitiavana ihany
Indraindray aho mantsy tsy sahy milaza ny ratra ato am-poko
Izany angamba no nahatonga ahy tsy manoratra ho anao
Fa androany efa difotry ny alahelo ny foko
Ny tena marina miandry fotsiny aho hoe ianao indray no mba hiteny ahy hoe "malahelo anao aho"
[...]