20/04/2026
❤️ Alatsinainy
Salama e !!
Betsaka no manotany ahy mahita ity kiboko ity hoe nakaiza, inona nataondry nanafaka ny Vergetures 🥹❤️, io izy io tsy afaka fa aminy sary tsy hita akaiky fotsiny fa tena feno aza io,
Misy fotoana aho indraindray mieritreritra hoe sao dia tokony ho esoriko, rehefa miseho kely makony ny kiboko dia tratra foana aho hoe: efa lozitra, miroraka be , efa namoaka 10, tsy mahay manaja tena, izao zavatra ratsy be izao mbola aderadera foana ihany ❤️
Zavatra tena tsapako moa teto amin'ity fiainako ty dia ny olombelona izany tsy maintsy miteny foana ny amin'ny choix anao,
izaho rahateo anisan'ny olona tratran'ny fanavakavahana foana : indrindra ny amin'ny Volo-koditra, Volo, Vatana , dia izao izy miampy an'ity kiboko ity 😂😂,
ilay hoe mainty be tsy hita amin'ny 5 aloha efa vocabulaire noentina atramin'ny Fahazazana tsy mahataitra intsony na koa ilay hoe charbon misy masony, fa ireto 🥹 tena mafy niaina an'ireto teny ireto ary ireto no anisan'ny tena tsy zakako indrindra :
- vodikofafa ny Volony 💔
- vehivavy otran'ny TANALAHA 💔
- na ny Volombodiko aza mbola tsotra noho ny volotena 💔
- mahitsy be otran'ny Tavoangy EAU VIVE ( tsy mba misy hono na Fesse na hanche fa mahitsy be vatako 😂)
vao omaly alina aza dia mbola tratrany hoe mba zao ahay ny Volo fa tsy otranle Vorondolo be iny💔😂 tonga dia mapte Anasa loha avy hatrany 😑!!!
Izany hoe efa lasa fiainana moa ity voateniteny ity, ary tsy ny fiaraha-monina ihany na olona tsy fantatra fa na dia ny olona akaiky anao izao aza . Mbola mitohy foana izany hatramin'izao, f'efa tsy iasako loha intsony 💝 MANKASITRAKA E 😂💝
Efa izao AHO dia izay ❤️
Tiako ny Voloko, ny Vatako, ny tenako❤️
Je m’habille bien, je suis aimée, et je profite pleinement de ma vie
Vos attaques n’ont plus aucun pouvoir sur moi. ❤️
Misaotra namaky fa lava be mialatsiny 🥹.