Antsa Tononkaloko

Antsa Tononkaloko mirosoa amin izay eo antananao
aza mihaotra

AOKA RE TSY HO TSINIKO....Aoka re tsy ho tsiniko raha ankehitriny handahaIreny hadalanao rehetra efa nanazarana ahyTia a...
07/03/2023

AOKA RE TSY HO TSINIKO....

Aoka re tsy ho tsiniko raha ankehitriny handaha
Ireny hadalanao rehetra efa nanazarana ahy
Tia aho ka tsy sahy tamin'ireny lasa ireny
F'ilay vavako nikombona ankehitriny sahy niteny

Ireny rafiko rehetra niaretako ry aiko
Tsy resy aho fa nandefitra ilay foko izay nibaiko
Ny ditranao, kinanga, hadana etsetra etsetra!
Aoka re tsy ho tsiniko raha hatreto izany fetra

Eny! Nitomany ianao rehefa injay aho nanadino
Moa tadidinao, impiry no niteny aho hoe fihino
Saingy ny hafa no nibeda sy nanorokorok'ah
Izy no tena voninkazo mahay mandravaka ny saha

Ka aoka re tsy ho tsiniko
Raha toaka aho niova loko...

Izany moa Malala a!

Alvin RAZAFIMANATSOA.
01 - 12 - 2013

DIARIKO ❤️Malala a! Ny foko no diaryHanoratako fitiaNy foko no diaryMitahiry andry...Voarakitra ao daholoIreo sento sy t...
07/03/2023

DIARIKO ❤️

Malala a! Ny foko no diary
Hanoratako fitia
Ny foko no diary
Mitahiry andry...

Voarakitra ao daholo
Ireo sento sy tomany
Voasoratra ao mazana
Ireo fotoana mamy

Isika roa nifampitantana
Eny! hatreny Behoririka
Saika tsy nahazo fiara
Ka dia avy ianao nisisika

Izaho nipitrapitra toy ny
Zaza miandry tamby
Ianao nanopy maso
Dia iny lasa napamangy

Toa tsy vitantsika akory
Ilay oroka ombieny
Ianao nanao dia maika
Fa natahotra an'ny neny

Mantsy tara fodiana
Fa variana dia variana
Ka efa niantso neny
Vao nangovitra aok'izany
Nipararetra kely
te handrotsaka tomany

Ireny fotoana ireny ry aiko ô!
Tsy ho adinoko na oviana
Fa voarakitra ato an-tsaiko
Ka dia niangaliana

Mantsy tena tiako ianao
Ka ventesiko isan'ora
Tena tsy masaraka aho
Fa ny hanadino anao tsy ho mora

Ka raha mahatsiaro ianao anio
Dia hinoako tafiomehy😂
Sokafy ilay "Diariko ❤️" diarin-tsika roa
Fa mbola voarakitra ao ise! 😘

Kouny moa ô!?....
ALVIN RAZAFIMANANTSOA
Antananarivo 25-02-23

Address

Ankorondrano
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antsa Tononkaloko posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Antsa Tononkaloko:

Share

Category