Tale as old as time

Tale as old as time Produits

Misokatra manombok'izao ny cours Français, Anglais au BEPC sy Bacc.Afaka Manatona any  misy anao.A partir de 5000ar/paya...
19/09/2021

Misokatra manombok'izao ny cours Français, Anglais au BEPC sy Bacc.
Afaka Manatona any misy anao.
A partir de 5000ar/payable chaque séance.

Ny pejy "tale as old as Time "Dia manolotra Anao cours anglais français , mathématiques au baccalauréat et BEPC.Toerana:...
29/05/2021

Ny pejy "tale as old as Time "Dia manolotra Anao cours anglais français , mathématiques au baccalauréat et BEPC.
Toerana: Galana ambohimangakely.

02/12/2020

Otra Mampitony
Manolotra Anao

_Massage reflexologie plantaire
_Massage facial
_Massage relaxant
Afaka manantona Anao any atrano.

21/11/2020

Otra Mampitony
Manolotra Anao
Massage reflexologie plantaire
6000ar
Relaxant 15000ar
Douleurs d nerfs sciatiques 10.000ar
Manantona atrano.

15/06/2020

(Tohiny kely fa tsy omby mikasika ilay miaramila).izay no vokatry ny fanavotan'aina nandritra iny atambo iny.

Fa nankaiza kosa ilay nandresy ny fahafatesana??nanao ahoana no fiafarany??
Araka ny tatitra nomen'ilay dokotera lehibe nantsoina taty aoriana dia"coma"no nahavoa an'i Nasy.Tsy maty izy akory fa mbola natory!

5taona taty aoriana dia tany Mahajanga no hita i Nasy,efa iray anaka,manambady Betsirebaka tsara tarehy sady lava volo.
Vita ny raharaha miaramila,afaka adidy izy..tsy haiko raha afaka t@ozon'ny fahafatesana.

Tapitra.

15/06/2020

Ilay Miaramila nitsangana nefa izy no andrasam-paty(fizarana fahaefatra farany)
..fa namaly ankatezerana kosa ilay serzà hoe:"izay no mahavoa anareo tsy mahazaka mamo,ajanony hoy aho rehefa tsy zaka!!!"
Nangina Radany,tsy noho izy resy lahatra fa noho izy tsy te hanome fo ilay namany.
Tsy nahatombina izy ,tsy nandry saina satria afaka 10min teo hoeo dia niverina tsikariny ilay fihetsik'ity olona mandry eo ambony latabatra hotron'ireto manan'aina miezaka mihira miraondraona efa trotraky ny alina sy ny alikaola.

Nitsangana Radany,niova toerana,nifindra tsy lavitra teo ,namerina sy nanamafy ilay nolazainy teo aloha saingy t@kaporaly Andy.Namaly mora ty kaporaly tanora fanahy:"aza ampitahorina aho Radany fa vao fanintelony za no mba niandry faty ",nanizingizina Radany hoe:"Diniho tsara,ifantohy hoy aho fa tena mihetsika n.........."tsy tapitra akory ny teniny dia indro fa niakatra ...niakatra nakeo@kibon'ilay andrasam-paty ny ila tanany havia.Mbola vitsy no nahatsikaritra ka roa sy telo no nijanona nihira ..Nanomboka nihetsika nylohany no niharina tampoka !!!!!...avotr'aina ty ka nibosesika nivoaka ny efitrano ny maher fon'ny firenena!
Maro loatra sady nifangaro ny fahatairana sy ny vokatry ny toaka ary ny torimaso efa nitaky ny trosany ka telo t@roapolo no tafavoaka anatin'ny 10segondra.Fa t@izay indrindra no nikohaka kely toa te haka ny feo tany ambany tendany tany ity nod...tsy mandry fa tena nitsangana.Hikiaka zao!!antso vonjy izao..nifandrombahana ny nivoaka teo@ ilay varavarankely efa natao tsara hidy hiarovana@mpamosavy mpisangy faty.

Tafavoaka daholo ihany..nentina tery ampovoatokotany malalaka ny aina tsy azo tao antrano fa natao fady n nanatokatona hazo na olona satria tsy hay na efa tafavoaka ho iray@reny ity lazaina anikeo fa"tsy namana intsony"kinanjo toa misary ho sakaiza.

Mba nety ho maraina ihany ilay alina saika naharitra iray volana maninjitra.Telo no folaka ny tongony,iray tapaka ny tanany,izy no tambin'ny fanavotana aina nandritry

11/05/2020

Ilay miaramila nitsangana nefa izy no andrasam-paty(fizarana fahatelo)
.dia sina ireo telolahy...tsy nisy nahatomany aloha fa nitambolona tao antsaina ny fomba hitondrana an'i Nasy mody.
Nibosesika tao andoha ny hoe:ahoana no hilazana ny vao2?"
Tapakevitra ny iray t@izy ireo fa hibaby azy dieny mbola malefaka izao ka hifandimby izay hanaraka ..fa ny fahatelo farany tsy maintsy hijanona hiandry ilay"cubota"nahitan-doza.

Tsy lavitra ny toby miaramila ny saha nitrangan'ny atambo ,ny tanjaka@fampiasam-batana hatrizay koa dia fotoana indrindra izao hampiharana azy ka 30minitra mahery kely dia tsinjon'ireo maro tao antoby izy telo..nihazakazaka ireo :tao no nanesy nanontany izay nitranga,tao no nandimby ny mpibaby ary ny lehibe araka ny anarany dia nanoro avy hatrany ny hampidirana an'i Nasy ao@"infirmerie".

Minitra vitsy taorian'izay dia voalaza fa "tsy ho namana intsony i Nasy".Nampandroina ,nampiakanjoina akanjo vao2..tsy vitsy t@izay nandray anjara t@fifandrimbonana sy efa zatra@raharaha tahaka itony no natsikaritra fa tonga@filazan'ny vazaha hoe:"corps cadaverique"ny vatan'i Nasy.
Efa nody ela niaraka t@ity napetraka ambony latabatra ny masoandro [email protected] tsy mitovy satria ny iray mbola antenaina hiverina rehefa antsoin'ny sahona sy ny akoholahy fa ity mamiratra noho ireo akanjo vao2 kosa na dia dradrain'ny manam-panahy andranomaso aza ny anarany dia tsy hiverina velively.
Nanomboka nafana niaraka t@hira ny kafe.Raha nanomboka nahery niaraka t@saina ny toaka ,satria nisolo hira ambony sy voarindra@feo voakaly ny ranomaso sy taraina.

Fa efa dila adin'ny roa ny misasak'alina.Nanomboka niraika nianatsimo sy avaratra ireo mitady torimaso.T@izay indrindra no niditra i Kaporaly Radany.Inona moa no hoe niditra fa naka zorom-baravarana.Nandinika elaela ity namana mitsotra ao anaty torimaso lalina...nibitsika mora t@serzà anankiray teo ankilany izy nanao hoe "ianao ve tsy matsikaritra fa mihetsika ny rantsatanan'lery?".

10/05/2020

Ilay miaramila nitsangana nefa izy no andrasam-paty(Fizarana faharoa)

8volana izao no.nahatongavan'i Nasy tany@toby miaramila zazavao.
Toy ny mahazatra dia tafiditra ao anatin'ny fampiofanana azy ireo ny fambolena.Velaran-tany midadasika no volena katsaka,tsaramaso ,voanjobory ary vary antanety.Tsy azo lavina fa mafy ny asa .Mivoadinitra mihitsy ny atoandro@lohataona be mamaky lohasola iny.Ny alina dia toy ny "faty apetraka" rehefa resin-tory,tonga@fitenenana hoe"tsy mahare na bataina aza".

Irony "cubota"fampiasa any Japana irony no fitaovana ampiasain-dry Nasy ,manampy tany.Iray volana teo hoe eo no nianarany namily azy dia hita fa tsy hampanahy ny hiasany tsy omban'ny baikon'ny lehibe.
Tanim-boanjobory somary atao hoe"manta"no voatendry hoasaina t@ity alarobia ity.Vao mangiran_dratsy dia injao ny baiko miaramila mampiarina azy sy ny ekipany mbola mamy,vita ny fanajana ny sainam-pirenena dia notaperina t@minitra voakajy ny sakafo maraina.
maraina izay.
Tsy tapitapitr'izay dia indry i Nasy sy ireo kilasiny telo lahy mifandrimbona sy ny familiana ilay "cubota".

Mena ny maso,"rano aidina ny hatsembohana",...vita ny sakafo atoandro ..dia andao indray!!
Tsy misy fiatoana fa miasa foana,angady ambabena mampanantena asa sesehena,atao avokoa fa hoe mitondra soa....

Fa tokony ho t@telo folakandro,raha iny nidina fidinana haka sisina ho mari-piatoana noho ny hasasasarana iny dia ...loza fa nitratrevatreva tsy tana namonjy hantsana tsy dia lalina na mampidi-doza i Nasy sy ny "cubota"....nifatratra tao anaty kirihitra izy ary soa ihany fa nipitika ka tsy voatsindry tao.
Nihazakazaka ireo namany telo nijert ny fiafaran'i Nasy..indro rakotra rà ny fihirifany,sandriny,tapaka ihany koa ny ankihikeliny..nifandrombonona nanaovana avotr'aina..nitsakoahana indroa i Nasy dia tsy nihetsika intsony..toa...nihanangatsiaka koa angaha hoe ny tongony ary..ny vatany 15min taorian'izay.

09/05/2020

Ilay MIARMILA nitsangana nefa izy no andrasam-paty

Nihoraka ny mpianatra tao antokotany nefa efa nitsoka ny kiririoka manamarika ny fidirana avy naka rivotra.
Ndrematoakely Nasy ao fahaenina no misaringotra 'akanjo(blouse)ka mihantona sady tsy latsaka no tsy afa-misarangotra ny tanany raha tsy efa ela.Afaka ihany nony farany.
17taona i Nasy zao kilasy fahenina izao.Saika intelo namerin-taona izy t@zay kilasy nolalovany.

Omalin'io nisaringotany t@hazo io dia efa noraisin'i Ramatoa mpampianatra tantara sy jeografia t@volony izy fa nanao"aooooreeeevoooaaaaara madama"talohan'iray kilasy.

Azo lazaina fa tsy dia miditra@lohany izay fianarana.Azo ambara ho tsy voarain'ny sainy ny antony hankanesana any antsekoly .Aminy dia toy ny fianarana mampihome ny mpiaramianatra ny hoe handehanana any.

Hamarana ny telovolana faharoa izahay no tsy hita niverina andakilasy i Nasy.Nandrasina 2herinandro,nivalona ny 5herinandro fa tsy niverina izy.
Tovovavy mpiara-mody sy mifanakaiky trano t@zareo no nahazoam-baovao fa nalefan_dray amandreniny hanao miaramila i Nasy.
(FIZARANA VOALOHANY).

10/04/2020

ILAY ALINA NIARAHANAY NATORY T@MPAMOSAVY(tohiny sady farany)..nandrasiko izay hiantso..nandrasiko izay hisy varavaran'ny lavam-piringa haneno..10minitra..15min..tsy nisy..25minitra..tsy niverina.
Tapaka ny hevitro ,hitsangana aho hijery azy sao lahy maninomaninona any...niarina aho..nanantona n varavaram-be ...no injay!nikiririoka mafy !!nisesy ny vorondolo eo@reo alamanga manaloka ny w.c...niontana iray ihany ny foko..toy ny natoraka aho niverina ampandtriana..ary loza fa tsy voarindriko atr@varavaram-be.
Injany nisy nikatsakatsaka any ambadiky ny trano fidiovana dia namerina naneno mafy ao ambadiky ny fiangonana efa rava ilay vorondolo....

Maraina ny andro.Ity i neny namoha anay sady nibedy fa naninona ty varavarana no tsy nihidy no nanontany hoe"inona ty mpamosavibe anareo mirahalahy!"
Ankona izahay rhetra.Mbola io tavela io ny kitapo sy ankanjon'ilay vahininay..izy kosa mbola tsy hita niverina na dia efa niposaka ela aza ny masoandro.

Ny hafatra nalefany ny tolakandron'io ,milaza fa tonga soamantsara any izy fa raha misy afaka mitondra.n kitapony dia mba ampitondray olona.
Henoko t@herintaona fa efa niteraka iray M...ilay vahininay nivoaka alina,olona teto no nahalalako fa any Amb...izy mianaka fa kosa narian'ny vadiny.
Tapitra.
Mankatelina antsika.

09/04/2020

Fizarana fahatelo ALINA NIARAHANAY NATORY T@MPAMOSAVY..torimasom-batony hoy ny Ntaolo ka vetivety dia rendrika ary miesona.
Izaho manokana dia isan'irony olona atao hoe "sensible" satria mahalana no.ahatsapana ahy ho matory maty,matetika aza dia reko atr@fofon'ain'ny olona miara-mandry amiko raha vao mivadi-mandry fotsiny aho.
Isan'ny tombony ho ahy io satria efa namonjy ahy raha izaho saika voatsatok'antsy indray alina....

Fa tokony ho t@sasak'alina latsaka roapolo minitra ,dia indro ity vahininay fa mivadibadika be ihany.
Miarina kely dia miverina midaboka ary miodika havia sy havanana eo....
Marary angamba hoy aho any antsaiko lalina na poritra fa tsy te hanaitra anay mirahalahy.minitra vitsy taorian'izay dia niarina izy..ary tsy nihambahamba namoha ny varavarana..izany rehetra izany tsy misy nojereko fa ny sofiko fotsiny no maminavina izay fihetsika rehetra mifanandrify hoe hitsangana dia hamoha varavaram-be...
Ny lavam-piringanay dia 100m miala ny trano,somary miditra alaala manga sy mahabibo no lalana mitondra ao ary na zahay tompon-tanàna aza miahotra ihany inay poritra iny.
Talanjona anefa aho fa itu tovovavy 17taona,tokana,vahiny aty atranon'olona dia nivoaka any tsy nitalaho ny fanampianay akory...(hitohy)

08/04/2020

ILAY ALINA NIARAHANAY NATORY T@MPAMOSAVY (fizarana faharoa).vetivety ihany dia ty tamy izy mihaotra.
M...no anaran'ilay vahininay.Tovovavy kely tokony ho 17taona eoeo..manga fihodirana,manga volo sady tsotra no lava aokzan.Tsara tarehy mihitsy .Miezaka ny ho matotra ny firesany nefa ampangain'ireo lainga marivo tototra mandavaka ny sisintakolany roa izany.
Be resaka ihany izy raha teo ampisakafoanana hariva.Tsy azo lazaina hoe sarokenatra velively araka izany.Saika tsy natoro azy na ny trano fidiovana na ny efitra atoriana.
Zandriko lahyn o iray efitra amiko kanefa noho ny loko mbola mahery fofona tao@efitr'i bavy dia tsy maintsy natao izay fandrindrana ny efitray mirahalahy ho an'ilay vahiny:ho fanajana azy araka zany dia tapaka ny hevitra fa ahidina ny kidoro iray d izy vavy kely no eo ambony fa izahay hanetry tena.
Efa niolakolahana fatratra toy ny fomban'ny vehivavy mamolaka vao nilamina izany rehetra izany.
Dia samy nizara lamba dia nidaboka hiala sasatra. alina izay.

Address

Ambohimangakely Frienda
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tale as old as time posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category