META sakafo ny sofina sy ny saina

24/10/2023

Mettez vos écouteurs❤️
✍️

30/04/2021

Hankasitraka aho

Mbola tianao foana aho, izany no fahatsapako
Rehefa mbola mitombo ny andro hahavelomako

Mbola tianao foana aho, izany no reko rehefa mitafy sy homana aho isan'andro

Mbola tianao foana aho, io no teny hitako rehefa afaka manao izay tiako atao aho

Teny tsotra sady fohy, kanefa anton'ny fisiako
Satria na inona fahaizako, na ahoana fahalalako
Dia tsy mahaforona ny aiko aho

Vao mifoha aho androany, dia mahatsiaro indray fa
Afaka hanatanteraka ireo nofinofy
Tsy nahatana ahy ny alina, mijoro aho tsy marofy
Ka tsy hataoko handalo fotsiny, fa hisaotra ny Avo aho
Hangataka aho mba ho soa ny andro, hihety izay ho atao
Ny kinasako rehetra ho vitaiko ,
Fa fotoana anio,
Fa tsy hoe miandry indray
Tsy hianahana intsony aho, f'efa betsaka ny fotoana very
Miaraka amin'Andriamanitra aho kay fa tsy mba mandeha irery.
Raha misy ratsy dia efa foana avy hatrany
Izy Tompo no hialoha lalana ka izaho dia tsy hanahy ny .
Ny sakafo sy ny fitafiko dia efa homaniny ihany koa
Ka ny misaotra sisa no hataoko
Fa ny fiainako kay efa feno soa.
Na be aza ny adin-tsaina izay mielina anoloako
Ireo sedra no lanjaiko, sy ady izay nobabeko
Dia afaka anio, faly aho satria reko
Ilay fitantanany ahy.
Fa isanandro kay efa avahany aho, amindrany fo
Omeny aina, omeny fahafahana hanao izay tiako atao
Ka anjarako anio ry Ray ny manakasitraka Anao.
Fa tsy takatry ny saiko, aza avela ho variana intsony aho
Ka hiala lavitra anao.
Fa tano mafy, fikiro fa tiako ilay hoe zanakao❤️

Meta✍️

23/10/2020

Titre : Mitrakà
Zaraina am-pitiavana hatrany😊
Mazoto mihaino😉

08/09/2020

Ampitiavana 😊
Titre : Namanao hono izy

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when META posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category